- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpanentana Fandaharana Miresaka Heloka Bevava, Voaroaka;Mety Ho Mariky Ny Olana Bebe Kokoa Ao Trinidad sy Tobago Ve?

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika
A screen grab of the opening segment of a 'Crime Watch' episode posted on YouTube, hosted by Ian Alleyne. [1]

Dikasarin'ny ampahan'ny fanokafana ny fandaharana ‘Crime Watch’ (Fanarahamaso Heloka Bevava) nalefa tao amin'ny YouTube, entanin'i Ian Alleyne.

Resaka mahamay any Trinidad sy Tobago ny heloka bevava, ary mety mbola mahamay kokoa ny an'i Ian Alleyne, nanonon-tena ho kalaza lahin'ny vahoaka satria olo-malazan'ny ‘Crime Watch’ — iray amin'ireo fampisehoana “ady amin'ny heloka bevava” be mpijery indrindra ao amin'ny firenena. Tsy mihena mihitsy ny lazany na teo aza ireo resabe sahala amin'ny fanapahankeviny handefa [2] ampahan-dahatsary mampiseho fanolanana zaza tsy ampy taona na ny fisamborana azy [3] ny voalohandohan'ity taona ity noho ny fomba fiteniny masirasira sy ny fanoherany ny fisamborana (eo am-pelatàna [4]n'ilay inspekteran'ny polisy, Roger Alexander, izay manentana fampisehoana heloka bevava mifaninana aminy, ‘Mihoatra Lavitra Noho ny Horonampeo’ [5]).

Tamin'ny fanombohan'ny Septambra 2016, nambaran'ny CNC 3, ilay tambajotra izay nandefa ny ‘Crime Watch’ sy nandefa ny vaovao momba ny tantaran'ny fisamborana an'i Alleyne (namoaka tamim-pahalefahana ireo ompa nataony tamin'ilay polisy moakasik'izany), fa nampihena lanja ny fandaharana iny. Tsy voalohany ho an'i Alleyne izany; nofaranana ihany koa ireo fifanarahany niaraka tamin'ireo tambajotra roa hafa.

Tonga dia niditra an-tsehatra [6] teo noho eo ilay mpitoraka blaogy, Mr. Live Wire, tao amin'ilay vohikalam-baovao mpanadrohadro Wired868, nanazava fa nanapa-kevitra ny hisaraka tamin'i Alleyne ireo tranon'ny media, taorian'ny nanaovany “ilay lazaina hoe tatitra fanadihadiana manokana amin'ny asa fanorenana ao amin'ny Brian Lara Stadium”, izay niteraka raharaham-pitsaràna avy hatrany — nanenjika ny fandaharana sy ny CNC3 — avy tamin'ilay mpanorina an'ny fanjakana Urban Development Corporation of Trinidad and Tobago [7] (UDeCOTT), izay miasa amin'ilay fanorenana ny kianja.

Nody nanao gaga tamin'ny “fitoriana tsy amim-pieritreretana nataon'i Alleyne ny governemanta” ilay lahatsoratra, mampahatsiahy [6]  ireo mpamaky fa nanohitra sezam-pifidianana iray [8] ho an'ny iray amin'ireo antoko ao amin'ny mpanohitra ankehitriny ilay mpanentana ao amin'ny fahitalavitra. (Nialoha izany, ny taona 2002, Alleyne niketrika ny hahazo ny sezan'ny Chaguanas fa tsy nahazo [9] i Alleyne, seza izay lasan'ny antoko eo amin'ny governemanta ankehitriny.)

Na vao mainka aza ny fanafoanana ny fandaharana tamin'ny CNC3 nanintona ireo mpisera amin'ny Aterineto hiresaka be an'ilay mpanentany mahabe resaka, lasa nihitatra tamin'ireo olana mivelatra kokoa ny resadresaka — tafiditra amin'izany ny tahan'ny heloka bevava ao amin'ny firenena izay miakatra hatrany, ny elanelana lehibe ara-tsosialy sy ara-toekarena eo amin'ireo manankarena sy ny mahantra, ny tsy fahampian'ny fahatokisan'ny vahoaka ny polisy sy ny fitsaràna, ary ny maha-meloka ny media amin'ny fanaovana ny tantaran'ny heloka bevava feno herisetra ho zavatra mampientanentana — samy namolavola ny fampiroboroboana ny karazana fandaharana toy izany daholo ireo rehetra ireo.

Nandritra izany, i Alleyne sahirana namelatra ravin'oliva [10] ary nifehy ny fahavoazana  tao amin'ny pejiny Facebook, sady nandefa lahatsary [11] milaza fa eo am-pananganana ny trano famorakany manokana izy, ary nangataka ireo mpankafy azy mba hanohana ara-bola ilay fandaharana. Feno hafatra fideràna sy fanohanana ireo fanehoankevitra nanao tohivakana nanaraka ilay lahatsoratra ; tena miandry fatratra ny fiverenan'ilay fandaharana ireo mpankafy, na dia tsy nanamarika aza i Alleyne hoe amin'ny sehatra inona io no mety ho azo jerena.

Ilay mpampiasa Facebook, Eric Ribeiro, anefa, nilaza [12]izao momba io firodanana manontolo io:

Toy ireo fandaharana fifampiresadresahana rehetra dia nanome tolotra ho anà vondron'olona voafantina ny Crime Watch, dia ireo izay mahita an'i Alleyne ho mahaliana, mampihomehy sy tena mahay. Tsy misy olona azo omena tsiny amin'ny fitiavany raha resaka fanalanandro sy ny zavatra hafa. Ny zavatra nahadiso an'i Alleyne dia ny tsy fetezan'ny nikajikajiany ny lanjan'ny fanohanana azy, ary araka ny fiteninay aty Trinidad, fanangonana afo handoro ny tenan'izay mampiasa azy ihany ny fametrahana ny fitokisany amin'ireo bibin'ny media sosialy, tolona izay tsy hahatafavoaka velona azy. Mety hitazona lesona ve izy rehefa voaroaka in-telo? Tsia, raha toa izy mbola manao ny zavatra mitovy amin'ny teo aloha ihany, ary miandry vokany hafa. Tena mirary soa azy aho.

Mpisera iray hafa amin'ny Aterineto, Crystal Lowe, niombon-kevitra [13] hoe nahatratra azy ihany nony farany ny fihambahambàn'i Alleyne ara-politika, fa ny tena nahasarika ny fijerin'ireo olona maro hafa dia ny fanambaràn'ny [14] Fikambanan'ny Media Ao Trinidad sy Tobago (MATT) mikasika ny fanatsaharana ny fandaharana ao amin'ny tambajotra CNC3:

Raha toa ireo sasany mahita ny Crime Watch ho fandaharana amin'ny fahitalavitra tena mahafinaritra, tena nisy tombotsoa lehibe ho an'ny vahoaka ihany koa ilay fandaharana. Maro ireo mpijery niantehatra tamin'iny ho tahaka ny varavarankely eo amin'ireo vondrom-piarahamoniny izay efa torotoroin'ireo tolotra sosialy tsy mifandraika amin'ny zavamisy ary ny heloka bevava efa manenika ny tanàna, izay tsy dia raharahian'ireo media nentim-paharazana firy. Eo andaniny, manararaotra ireo fahalemena ilay fandaharana, raha toa eo ankilany, manome fahazavàna sy feo ho an'ireo olon-tsotra izay tsy nahavita nanenjika araky ny lalàna sy araka ny fitsaràna ny raharaha izy io. […]

Antenain'ny MATT ny hoe hisy fitsanganana amin'ny maty fahefatra ho an'ny Crime Watch indray, azo hamafisina ireo singa tsara indrindrany izay manampy amin'ny tombotsoam-bahoaka, ary ny halemeny kosa hatsaraina amin'ny fomba fanao tsara indrindran'ny mpanao gazety amin'ny alàlan'ny fampiasàm-bola mirindra sy manandanja .

Nandà ireo fiampangana [15]  [16]ihany koa ny MATT hoe mety ho voatohintohina ny fanambaràny noho ny filohany miasa ao amin'ny CNC3 amin'ny fomba tsy miankina.

Raha toa ka nananihany [17] ilay vohikala mpanadrohadro malaza The Late O'Clock News, ilay mpikatroka mafana fo Brendon O'Brien kosa naneho hevitra [18] tao amin'ny blaoginy Actvized, hoe na hàlany aza ilay fandaharana, mety vao mainka hanaratsy toe-draharaha efa ratsy ny fanafoanana azy raha ny marina:

Ao amin'ny lahatsoratra Facebook, izay nalefan'i Ian Alleyne andro maromaro lasa izay (izay raha zavamisy dia efa tsy hita intsony), nangatahany ireo mpanohana ny fandaharany hankany amin'ireo biraon'ny CNC3 mba hanohana azy amin'ny adiny izay sivana no iheverany azy. Ho azy, mieritreritra ny hampanao sonia azy fifanarahana mba tsy hitsikeràny intsony ny governemanta ankehitriny ilay toeram-piasàna. Niseho izany taorian'ny nanaovany tsilian-tsofina hoe nahazo fifanarahana mitentina an-tapitrisany dolara maro tamin'ny Brian Lara Stadium ireo vadinà minisitra roa ao amin'ny Governemanta […] Nanomboka teo, nanao mihoatra noho ny fandavana ireo fanambaràn'i Alleyne ny minisitry ny governemanta Colm Imbert [19].

Ankehitriny, mety hoe fanaovana dokam-barotra politika milaza ho fandaharana fifampiresahana mahery fo nandritra ny fepotoana iray ilay fandaharany. Tsy izay no tena mampahatahotra ho ahy. Ny tena mampahatahotra ahy dia izy nilalao ny toeran'ny ‘kalazan'ny fahalalahana miteny’ teo aloha, ary nitaona ireo vahoaka hanao diabe ho an'ny tolony.

Notohizany [18]hoe:

Maneho ny firaketana ireo fahamarinan mampalahelo mikasika an'i Trinidad sy Tobago i Ian Alleyne; tsy mahatoky ny rafitry ny fitsaràntsika isika, ary tsy mahatoky ireo mpiasan'ny governemantantsika ihany koa, fa manana finoana tanteraka an'ireo olona mandokandoka antsika (teboka fanampiny ho an'ny zavatra fankahàla). Tsy mampaninona azy velively ny mieritreritra ny hoe hanome lamosina  ny fotokeviny ireo trano fanaovan-gazety mba hahazoana mpanaraka bebe kokoa avy amin'ny zavatra entiny…raha atao hoe manana fotokevitra ihany koa ireo trano fanaovan-gazety ho fanombohana. […]

Anatin'ireny fotoana ireny – rehefa tsy eo amin'ny fandaharana izy – no tena mampiseho ny tanjany maha-izy azy i Ian Alleyne. Manainga ireo vahoaka izy, ary mamely ny tahotra ny Dolara tsy refesi-mandidy ao anatin'ny mpanatanteraka media iray na iray hafa. Mety hiverina hiseho amin'ny fandaharana indray izy, any amin'ny fantson'ny fahitalavitra sasany raha tsy ny CNC3. Tsy hoe izany akory nyo zavatra tena tokony atao, fa kosa satria maro ireo mpankafy azy no vonona ny hitsoraka eny amin'ny arabe, ho azy, raha toa ka mangataka izany izy, ary satria ihany koa mitotongana ny dokambarotry ny fandaharana fahitalavitra iray isaky ny segondra tsy maha eo amin'ny sehatra azy.

Fa milaza zavatra betsaka amintsika noho ny mikasika an'i Ian izany. Nandeha tamin'ny fahitalavitra hatry ny taona 2010 ny CrimeWatch. Tao anatin'ny 6 taona monja, nampiseho sarinà fatin-jaza na fanolanana zaza tsy ampy taona izy […] ary tsy noeritreretintsika mihitsy hoe tsy izany ny karazan'olona tokony ho hindrahindraina amin'ny firenentsika, milaza tena ho maherifontsika.