Tantara tamin'ny 28 Septambra 2016
Inona No Hanjo Ny Tanora Ao Kolombia Aorian'ny Ady?
"maritiora mivantan'ny ady aho, ny disadisa mitam-piadiana, fa na teo aza izany, raha tsy maintsy manome ny tanako mba ho an'ireo mpamono olona, vonona aho ny hanao izany, satria mino ny famelànkeloka aho."
Mpanentana Fandaharana Miresaka Heloka Bevava, Voaroaka;Mety Ho Mariky Ny Olana Bebe Kokoa Ao Trinidad sy Tobago Ve?
"Maneho ny firaketana ireo fahamarinan mampalahelo mikasika an'i Trinidad sy Tobago i Ian Alleyne ; tsy mahatoky ny rafitry ny fitsarantsika isika, [...] fa manana finoana tanteraka an'ireo olona mandokandoka antsika."
Palestiniana Roa Voafonja Teo Aloha No Voalohany Nanokatra Kamiao Kely Fivarotan-tsakafo Ao Ramallah
Nahita hevitra ny hanangana kamiao kely fivarotan-tsakafo ao an-drenivohitra izay lasa nalaza ao an-tanànan'i Ramallah ao Morondrano Andrefana ireo lehilahy Palestinianina roa rehefa avy nandany taona maro tao amin'ny fonja Israelianina.
Nametraka Fanampenam-bava Amin'ny Haino Aman-jery Ny Manampahefana Jordaniana Taorian'ny Famonoana Ilay Mpanoratra

Noraràn'ny manampahefana Jordaniana ny fandrakofam-baovao momba ny famonoana an'i Nahed Hattar, mpanoratra maty voatifitra tamin'ny 25 Septambra tao an-drenivohitra Amman.
Mpianatra Onivesite Sangany Japoney Voaheloka Noho Ny Herisetra Ara-nofo, Sazy Miantona
Taorian'ny herisetra ara-nofo nataon'ny mpianatry ny oniversite ambony, nandray anjara tamin'ny fanalefahana ny sazy avokoa ny maha mpianatry ny oniversite ambony azy, sy ny fihetsika ara-kolontsain'ny niharam-boina
Tafahoatra Ity Sariitatra Sovietika Ity Ho An'ny Komonista Mpanampim-Bava
Araka ny lahatsary fanadihadiana "Chuck Norris mifanandrina amin'ny Komonisma", nofafan'ny biraom-panjakana misahana ny sivana ao Romania ny seho tamin'ny sarimiaina Sovietika mahazatra "Nu Pogodi" alohan'ny fandefasana azy tamin'ny fahitalavim-panjakana nandritra ny taona 1980.
Misarika ny Saina Manoloana Ny Manjò Ireo Ankizy sy Tovovavy Miasa Ao Myanmar Ny Mpanakanto
"Manjary zava-dehibe kokoa ho an'ny olona ny zavakanto satria ahafahan'izy ireo mahita sy mahatsapa ny zava-misy, ary mandrisika azy ireo mba hitondra fanovana eo amin'ny fiaraha-monina.."