- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Niteraka Adihevitra Momba Ny Fanagadrana Biby Ao Arzantina Ny Fahafatesan'i Arturo, Orsa An-tendrontany

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana
El que fuera conocido como "el oso más triste del mundo" falleció en Mendoza y dejó consigo indignación y reflexiones que cuestionan el mantenimiento de animales en cautiverio. Captura de pantalla del video compartido en YouTube por el canal "Noticias importantes y no tanto". [1]

Namoy ny ainy tao Mendoza i Arturo, fantatra amin'ny hoe “orsa mampahalahelo indrindra eto an-tany”, ary nitarika fahatezerana sy fandinihana momba ny fanagadrana biby.  Ny sary dia pikantsary avy amin'ny lahatsary nozaraina tao amin'ny fantsona YouTube  “Noticias importantes y no tanto.”

Taorian'ny 23 taona nambaboana azy, namoy ny ainy tao amin'ny valam-biby ao Mendoza, Arzantina ilay orsa an-tendrontany, Arturo 31 taona, ary napetraka mandrakizay ho marika ho an'ireo mpiaro ny zon'ny biby ao amin'ny faritra.

Nanomboka tamin'ny fahavaratra tamin'ny taona 2014, nisy ny fihetsiketsehana goavana [2]tao amin'ny valam-biby izay mitaky fikarakarana sahaza ho an'i Arturo, na dia midika fitondrana azy any ivelan'ny firenena aza izany.

Na izany na tsy izany, nanapa-kevitra ny komitin'ny mpitsabo ahitana ireo manam-pahaizana manokana momba ny fikarakarana biby [3] fa tsy azo atao ny mitondra azy ho any Kanada noho ny toe-pahasalamany.

Nanome voninahitra ho an'i Arturo tao amin'ny pejy Facebook-ny [4]ny Oikos Red Ambiental [5], manana ny foibeny ao Mendoza, ary nanazava ny fomba sy ny antony nahatongavan'ny orsa [6]tao amin'ny valam-biby tamin'ny 1993, ary manamarika ny zava-drehetra tsy maintsy niaretan'ilay orsa nandritra ny taona maro:

Arturo llegó a Mendoza como objeto de canje entre instituciones. Nunca conoció la tundra, ni las auroras boreales. No pudo correr, ni nadar, ni cazar, como hacen los osos de su especie. Durante su largo encierro, soportó con dignidad el calor, el Zonda, los barrotes y el cemento de un espacio reducido, soportó la soledad y la inmovilización a la que fue condenado desde su nacimiento.

Tonga tao Mendoza toy ny entana namidy teo amin'ny andrim-panjakana roa i Arturo. Tsy mbola nahafantatra ny tundra, na ny hela-pahazavana any avaratra izy. Tsy afaka mihazakazaka, milomano, na mihaza tahaka ireo orsa hafa mitovy karazany aminy izy. Nandritra ny fanagadrana azy naharitra ela be, niaritra ny rivotra mafana avy any avaratra, ny hidy vy, sy ny simenitra misy ny toerana nanagadrana azy izy, no sady irery no tsy afaka mihetsika ary gadra hatramin'ny nahaterahany izy.

Mbola betsaka ny adihevitra manodidina ny raharaha Arturo, sosotra tamin'ny fanentanana momba ny zon'ny biby izay nahatonga ilay orsa ho malaza manerana an'i Amerika Atsimo ny sasany.

Mitsikera ny fomba nampiasana ny endriky ny orsa amin'ilay faritana ho tombontsoa ara-politika sy ara-barotra [7]ho an'ireo vondrona media sy mpiaro tontolo iainana ny vondrona Facebook Friends of Arturo [8]:

Se preguntaron cuál es el motivo por el que ambientalistas truchos y medios amarillistas niegan las fotos reales en las que se ve a Arturo bien, conectado, jugando, tranquilo y continúan fogoneando con el asunto del “oso más triste del mundo”? Y publicando fotos que no tienen que ver con la situación actual? Que patéticos intereses hay detrás de tal negación y falsedad? Será que se les termina el negocio si la gente lo ve a Arturo cuidado y atendido? Será que el negocio es sembrar odio y bronca en contra del Zoo? Cuánta gente sufre innecesariamente con tales mentiras? Qué repudiable!

Efa mba nanontany tena ve ianao hoe nahoana ny mpisoloky, ny mpiaro ny tontolo iainana sy ny media manaitaitra no tsy mampiseho ny sary tena izy ahafahana mahita an'i Arturo mifandray, milalao, miala-sasatra? Ary nahoana izy ireo no manohy mandrehitra ny lohahevitra mikasika ity “orsa mampalahelo indrindra manerantany” ity? Ary mamoaka sary tsy misy ifandraisana amin'ny toe-javatra ankehitriny? Inona no tombontsoa mampahonena ao ambadiky ny lainga sy ny fitaka tahaka izany? Mety hoe mitsahatra tsy mahazo vola ve izy ireo raha mahita an'i Arturo voakarakara tsara ny olona? Mety hoe mampiely fankahalana sy mampiteraka olana ho an'ny valam-biby ve no asan'izy ireo? Firy ny olona mijaly tsy amin'antony noho ny lainga toy izany? Maharikoriko izany!

Tsy nanasongadina ny sarin'i Arturo monina ao anaty tontolo iainana maloto sy rava ihany ny bilaogy manohitra fanagadram-biby Opening Cages [9] fa nanararaotra nanontany ny tena antom-pisian'ny valam-biby ihany koa:

El zoológico de Mendoza se defiende diciendo que murió por su avanzada edad y que se le dio la mejor atención veterinaria, pero ese no es el punto. Claro que iba a morir tarde o temprano, el asunto relevante es cómo vivió. Estas prisiones llamadas zoológicos siguen existiendo porque hay visitantes que aplauden que los animales sean privados de su libertad para exhibirlos ante nuestros ojos egoístas, que sólo piensan pasar un buen rato, tomar un par de fotos y volver a su vida, olvidándose que los animales se quedan para siempre ahí, que su única función fue entretenernos.

Miaro ny tenany ny valam-biby Mendoza amin'ny filazana fa namony ny ainy i [Arturo] noho ny fahanterany ary nomena tolotra ara-pitsaboana biby faran'izany tsara indrindra izy, saingy tsy izay no resaka. Fantatra fa tsy maintsy ho faty izy, na tanora na antitra. Ny tena resaka eto dia nanao ahoana ny fiainany. Mbola misy ireo fonja antsoin'izy ireo hoe valam-biby ireo satria misy ny mpitsidika mankasitraka ny zava-misy fa tsy omena fahafahana ny biby mba haranty eo anoloan'ny mason’ [ny olona] tia tena izay mihevitra fotsiny fa nahazo fotoana mahafinaritra, maka sary vitsivitsy, ary avy eo miverina amin'ny fiainany, ary manadino fa mijanona ao mandrakizay ireo biby ary [mihevitra] fa ny hany tanjon'izy ireo dia ny mampiala voly antsika.

Nanampy fandinihana tamin'ny fampisehoana ireo biby sinambotra ihany koa ny mpanoratra ny bilaogy.

¿Qué puede aprender alguien cuando ve a uno oso polar solo y enjaulado a 40 grados en verano? Que tenemos el poder de someter y transformar las vidas de los animales a nuestro antojo y disfrazar este hecho de educación y conservación. Aprendemos que los animales están para ser observados cuando querramos y como querramos al precio que sea, que generalmente es su salud mental, su vida.

Inona no lesona tsoahin'ny olona rehefa mijery orsa manirery, gadraina, ary ao anatin'ny mari-pàna 40 degre amin'ny fotoam-pahavaratra? Fa hoe manana hery hifehy sy hanova ny fiainan'ny biby ho an'ny haitraitrantsika manokana sy manova azy ho fampianarana sy asa fiarovana isika. Fantatsika fa ao ireo biby ireo mba hodinihana isaky ny tiantsika sy amin'ny fomba itiavantsika, ary na inona na inona mety ho sandany, ary amin'ny ankapobeny miantraika amin'ny fahasalamana ara-tsain'izy ireo, sy ny fiainan'izy ireo [izany sandany izany].

Ankoatra ny adihevitra momba ny fiainan'i Arturo, teo koa ny fanekena tamin'alahelo ny fahalasanany. Nameno ny tenirohy #OsoArturo [10] (ArturoORsa) ny sioka feno alahelo fotoana fohy taorian'ny nanambarana ny fahafatesany:

Manao ahoana, ry olombelona, raha mahatonga anao hijery rindrina tahaka izao ny maha ivelan'ny tany (extraterrestre). Tsarovy #OsoArturo [11] pic.twitter.com/yjZkttTMEq [12]

#OsoArturo [11] ao am-pontsika #MendozaZoo [14] oso arturo

#OsoArturo Miala tsiny Arturo. Afaka ianao ankehitriny ry anjely namana. Tsy ho raraka an-tany ny fahafatesanao. Tsy hitsahatra hiady ☮ ho anao izahay ❤ pic.twitter.com/l878epoQUt [17]

Vonona ao amin'ny tranonkalany, “Oso Polar Arturo (Orsa an-Tendrontany sy Valam-biby [19]), ny bokin'i Gabriel Flores “Prisión perpetua” (Fonja Mandrakizay [20]), izay milaza ny tantaran'ny fikatrohana notontosaina teo anelanelan'ny taona 2012 sy taona 2016 mba hiarovana ilay orsan'ny tendrontany.