- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Famoahana Vokatra Taorian'ny Fifidianana Ny Taona 2016 Tao Meksika

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika
Boleta y casilla electoral en México. Elección de junio de 2016. Imagen del autor.

Ireo vatom-pifidianana sy toeram-pifidianana tao Meksika. Fifidianana ny volana Jona 2016. sary an'ny mpanoratra

Lasa ny 5 jona 2016 andron'ny fifidianana, izay nifidianan'ireo Meksikana governora 12, ankoatr'ireo hafa, toy ny teny fampidirana ny fifandimbiasan-toeran'ny filoham-pirenena amin'ny 2018. Ny vokam-pifidianana amin'izao fotoana izao dia toa sahala amin'ny manome tombony ny Partido Revolucionario Institucional [1] (PRI) izay antokon'ny filoha amin'izao fotoana [2].

Na izany aza anefa, mbola tsy misy ny vokatra raikitra, nefa araka ny Fandaharana mikasika ireo voka-pifidianana vonjimaika (PREP) isanisany, ny Antoko Nasionalin'ny Asa [3] (PAN), avy amin'ny elatra havanana, no mahazo ny ampaham-bokatra be indrindra amin'ireo vato ho an'ny kandidàny amin'ny toeran'ny governora any amin'ireo Fanjakana fito [4], anisan'ireo ny Chihuahua (avy any amin'ny faritra avaratra, sisintany iraisany amin'i Etazonia) ary Tamaulipas (avaratra-atsinanana) izay tsy mbola nofehezin'olona tsy mbola niala andaharana teo amin'ny PRI, ary sokajiana ho iray amin'ireo Firenena tena ianjadian'ireo tafika mitàm-piadiana mifehy ny fanondranana rongony sy ny fifandirana hafa ateraky ny varomaizina.

Tao Hidalgo (faritra afovoan-tany eo amin'ny firenena), ny kandidàn'ny PRI, Omar Fayad, no tsara toerana sy nitarika teo amin'ny vokam-pifidianana vonjimaika. Rendrika tao anaty fanehoan-kevitra farany i Fayad mba hanehoan'izy ireo ny fanaovana tsinontsinona ny fahalalahana maneho hevitra tamin'ny fampitomboana ny lalàna atao hoe Ley Fayad [5], izay mametra ireo zo nomerikan'ny isam-batan'olona, ary izany dia taorian'ny nanesoran'ny mpanao lalàna federaly noho ny tsindry sosialy.

Vitsy ny olona no mahatadidy io hatezerana io, tahaka ny tranga manjo ireo mpampiasa Twitter, Aranzazu sy Ballesteros ary Feet:

Tadidinareo ve ny #LeyFayad [6]? Mino aho fa adinon'izy ireo Hidalgo

Neniko o! nahazo tao Hidalgo izay nandrafitra ny #LeyFayad [6]. Raha mba toy ny zavatra navoaka avyamin'ny Fahrenheit 451 + 1984 mantsy io

Veracruz (faritra atsinanana), fari-piadidiana iray mivelona amin'ny heloka bevava niomanana, amin'ny tantara ratsinà kolikoly [9] sy fifandraisana mahafaty [10] ataon'ny governora sy ireo media tamin'ny fotoana nanafihana [11] an'ireo mpanao gazety [12], dia toa sahala amin'ny nanapa-kevitra hirona amin'ny fifandimbiasana, raha ny isa vonjimaika mamoaka ho mpandresy ilay kandidà natolotry ny mpanohitra PAN mifanome tànana amin'ireo antoko hafa.

Ny Tanànan'i Meksika, vao avy notokanana [13] ho Ciudad n'i Meksika – Distrikan'i Meksika Federaly taloha – dia nikarakara fifidianana mba hisafidianana izay ho mpikambana ao amin'ny lalàm-panorenan'ilay fari-piadidiana (na dia manana Lalàm-panorenana hitondràna ny tany manontolo aza ny firenena, raha ny marina). Nanamarika ny andron'ny fandatsaham-bato ny hamaroan'ny tsy nandeha nifidy, na ireo tambanjotra sosialy aza dia nanentana ny olona tsy handatsa-bato. Tsy nahazo vato mihoatra ny 1 tapitrisa ireo antoko politika. Ny zavanisy dia tsy nahazo afa-tsy 200.000 ny ankamaroany, ary, tany amin'ny tanàna nahitana mponina manodidina ny sivy tapitrisa [14].

Midira anaty fiarahamonina mpandray anjara, tsy maintsy mampiroborobo ny hisian'ny governemanta misokatra kokoa isika. #SalyVota [15] pic.twitter.com/one2Dv0cea [16]

Captura de pantalla del sistema preliminar (oficial) de resultados en la CDMX.

Pikantsary iray misy ny fomba famoahana ireo vokatra vonjimaika ao amin'ny CDMX, 24 ora nikatonan'ireo vata fandrotsaham-bato.

Ny Hetsika ho an'ny Fahateraham-baovaon'ny Firenena [18] (MORENA), , tondroina ho ray mpanorina ny tanàna, antoko politika najoron'i Andrés Manuel López [19] (kandidà ho filoham-pirenena indroa miantoana sy nisoratena ho  “filoha voafidim-bahoaka [20]” teo aloha) no nahazo ny ampaham-bato be indrindra. Aseho ho toy ny antoko ankavia ny MORENA ary ny filohany dia tsy mitsahatra mihitsy mikatsaka izay fomba rehetra mbola hitondràny [21] ny firenena indray amin'ny taona 2018.

Ao anatin'ity sary iray hafa nozarain'ny mpampiasa tweet Marco Asomoza ity, ho hitanao ao iza avy ireo faripiadidiana hotarihan'ireo antoko tsirairay, araka ireo vokatra azo hatreto. Miloko mena ireo fanjakana hanana governora PRI ary manga kosa izay hanana ny PAN. Ireo loko hafa kosa dia mifanaraka amin'ireo antoko politika izay vitsy an'isa.

Ary dia toy izany i Meksika taorian'ny fifidianana omaly hariva.   pic.twitter.com/ua6a6vdlaK [22]

Nomarihany fa nizotra tsy dia nisy herisetra be loatra niseho ireo fifanoherana tany  amin'ireo toerana toa an'i Tamaulipas sy Veracruz, ny andron'ny fifidianana. Tetsy ankilany, nanisy tsindrim-peo izy mikasika ny tsy fahombiazana teo amin'ireo kandidà tsy miankina, raha herintaona lasa [24] izay dia lohaeny vaventy ny fandresen'i Jaime “el Bronco” Rodríguez [25]  taorian'ny nandreseny tamin'ny fifidianana tsy nitondràna anaran’ antoko politika, tamin'ity indray mitoraka ity tsy nisy kandidà (ho an'ny governora) tsy avy amin'antoko nomen'ireo olom-pirenena tombony mihitsy, na tamin'ny trangan'ireo lazaina ho ray mpanorina tao Meksika aza.