Tantara tamin'ny 01 Jolay 2016
Oganda, Tany Iray Amin'ireo Fialokalofana Tena Tsara Fandray Indrindra Eran'izao Tontolo Izao.
Oganda, manana ireo tany tsy milamina sy tanin'ny ady mifanila aminy, mandray mpitsoa-ponenana 700 000, izay ahitana ireo Sodaney avy any atsimo, ireo Somaliana, ireo Borondey ary ireo Kongoley.
Tanora Mpivady Miasa Hanavotana Ireo Mpanao Atletisma Ao Pakistan
Ny asan'izy ireo isanandro ve? Mpikirakira antontan'isa. fa ny fotoana ambiny, mivadika ho fanta-daza, manampy ireo ateleta tanora ao Pakistan hahatanteraka ny nofinofin'izy ireo i Jawwad Farid sy Fawzia Salahuddin.
Vehivavy Mifindra Monina Misedra Sy Miezaka Mitraka Amin'ny Herisetra Ara-nofo Mandritry Ny Fandehanana Mankany Etazonia
Araka ireo tatitra sasany, voaolana ny 80% n'ireo vehivavy avy any Amerika Afovoany manandrana ny hiampita an'i Meksika.
Hita Ho Tsy Tantin'ireo Vehivavy Venezoeliana Ny Tenitenenin'ilay Vehivavy Vadin'Olona Ambony
Rehefa nokianin'i Diana D'Agostino, vadin'ny filohan'ny Antenimieram-Pirenena Venezoeliana, ireo vehivavy miasa ao amin'ny governemanta, tamin'ny fiantsoana azy ireny ho "ratsy fitafy, maloto, na mivezivezy eny rehetra eny nefa tsy manao ankosotra,” toa tsy nosaininy mialoha mihitsy hoe ho ratsy ny fandraisana ny fanamarihana nataony rehefa tonga eny anivon'ny vahoaka
Austin Clarke, Mpanoratra, Teraka tao Barbade, Notsiahivina Ho ‘Feo iray Mpisava Làlana’
"Milaza ny eritreriny tsy amin-tahotra izy, manontsakontsana ny zava-misy, [...] Olompirenen'ny tany tontolo izy fa kosa avy any Barbade foana. Zanakalahy teraka teto ary mirehareha ny amin'izany izy"
Lahatsary Vaovao Mampiseho Ireo Mpihady Diamondra Nampijaliana Tamin'ny Antsibe Tany Angolà
"Efa aty amin'ny taona 2016 isika izao fa mbola misy ihany ireo mpihady no ampijaliana amin'ny antsibe."
Mihevitra Hanangana ‘Fandraharahana Nasionalin'ny Lahatahiry Goavana’ i Rosia Hifehezana Ny Lahatahirin'ny Mpiserasera Aterineto
Efa dinihan'ny manampahefana Rosiana ny hananganana "mpanao raharahan-dahatahiry goavana nasionaly" ahafahana manara-maso ny fomba ampiasana, itehirizana ary hiarovana ny lahatahirin'ny Rosiana mpiserasera aterineto
Manan-Javatra Iray Na Roa Hambara Ny Mpitsikera Ny Fahitalavitra “Tsy Mitaiza” Any Pakistana
Namoaka taratasy "fangataham-panazavàna" mikasika ilay tantara mitohy mampihoron-koditra izay mitantara ny olan'ny fanararaotana ara-nofo ny ankizy ho an'ny fahitalavitra ny Manampahefana Mpandrindra ny haino aman-jery elektronika any Pakistana.
India : Bebe Sy Zafikely Vavy Miaraka Manao Fampitambaovao Mahafinaritra
"Mianatra izao tontolo izao, nahoana aho no tsy hianatra ? Mbola maro ny zavatra tsy maintsy hianarako. Zava-dehibe ny miara-mamindra amin'ny tontolo."
Ny Famoahana Vokatra Taorian'ny Fifidianana Ny Taona 2016 Tao Meksika
Tao Meksika, nivoaka ho any amin'ny toeram-pifidianana hifidy izay ho governora teo an-toerana ireo mpifidy ary maha-ratsiratsy toerana ny antoko eo amin'ny fitondrana raha ny vokatra vonjimaika voalohany.