- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rahonan'ny Fikorontanan'ny Toetrandro Ilay Fetibe Qoyllur Riti Mampifangaro Ny Finoana Katolika Amin'ny Finoana Nentimpaharazana ao Però

Sokajy: Amerika Latina, Però, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Zavakanto & Kolontsaina
Qoyllur Riti, Cusco, Perú. Imagen en Flickr del usuario Carlos Díaz Huertas (CC BY-NC-ND 2.0).

Qoyllur Riti, Cusco, Però. Sary avy amin'ny mpisera Flickr Carlos Díaz Huertas [1] (CC BY-NC-ND 2.0).

Qoyllur Riti [2] na Quyllurit'i dia fety ara-panahy sy ara-pivavahana atao isan-taona efa ho an-jato taona maro izay eo amin'ny kisilasilan'ny tendrombohitr'i Andes Ausangate [3],  faritanin'i Quispicanchi, departemantan'i Peroviana ao Cusco. Mampivory mpino maro avy any amin'ny tanàndehibe sy tanàna samihafa manodidina ny faritra izy, izay efa notsinjaraina ho solontenan'ny ” firenena maro”.

Na izany aza, mandrahona [4] ilay andro firavoravoana ao amin'ny faritra amin'izao fotoana ny fiovaovan'ny toetrandro [4]. Zava-dehibe amin'ny fety ny orampanala; araka ireo mpivavaka, niseho toy ny zazalahy kely teo amin'ilay toerana i Jesoa Kristy nandritra ny taonjato faha-18. Misy sariny voaloko eo amin'ny vatolampy ary antsoina hoe señor de Qoyllur Riti, fehezanteny amin'ny fiteny Quechua izay midika hoe “Tompon'ny Orampanala Manjopiaka.”

Fa ny tena zava-dehibe kokoa, voalaza fa manao fahagagana ny ranomandry ao amin'ilay faritra noho ilay fisehoan’ i Jesoa Kristy. Anisan'ny ao anatin'ny fety ny fahitana ireo mpandray anjara mianika eo amin'ny vongan-dranomandry eo amin'ny tendrombohitr'i Colque Punku mba hanangonana ny sasantsasany amin'izany . Kanefa levona ilay ranomandry noho ny fiakaran'ny maripana.

Misy dikany lehibe ilay fahasimbana noho ity taona ity manamarika ny fotoana farany hanangonana ranomandry avy eo amin'ilay toerana amin'ny andro firavoravoana Qoyllur Riti, satria tsy feno herintaona akory dia misintona metatra maro [5] ny ranomandry, ary ankehitriny vato sisa no eo amin'ny toeran'ilay oram-panala kanto.

Fifangaroam-pinoana

Voasoratra ho vakoka ara-kolontsainan'ny Firenena tamin'ny 10 Aogositra 2004 ny andro firavoravoana Qoyllur Riti sy ny toerana masina izay nahitana ny sarin'i Jesosy Kristy. Fito taona tatỳ aoriana, tamin'ny 27 Novambra 2011, nosoratan'ny UNESCO tao amin'ny Lisitry Mahasolotena ny Vakoka Sarobidy Ara-kolontsainan'ny Olombelona ny “fivahinianana masina tao amin'ny toerana masin'ny Tompon'ny Qoyllurit ‘i ” :

It begins fifty-eight days after the Christian celebration of Easter Sunday, when 90,000 people from around Cusco travel to the sanctuary, located in Sinakara hollow. Pilgrims are divided into eight ‘nations’ corresponding to their villages of origin: Paucartambo, Quispicanchi, Canchis, Acomayo, Paruro, Tawantinsuyo, Anta and Urubamba.

Manomboka valo amby dimam-polo andro aorian'ny fankalazana ny Alahadin'ny Paska kristianina no mandeha makany amin'ny fitoerana masina miorina ao amin'ny lempon'i Sinakara ny olona 90.000 avy amin'ny manodidina an'i Cusco. Mizara ho ‘firenena’ valo ireo mpivahiny masina izay mifanaraka amin'ny tanànakely niaviany: Paucartambo, Quispicanchi, Canchis, Acomayo, Paruro, Tawantinsuyo, Anta sy Urubamba.

Ohatra amin'ny fifangaroam-pivavahana ilay andro firavoravoana, na ny fifangaroan'ny rafitra finoana samihafa  – amin'ity tranga ity, ny finoan'ny tompontany sy ny finoana katolika. Manamarika ny fisehoan'ny vondron-kintan'i Pleiades indray eny amin'ny lanitra izany, seho izay hankalazain'ny olona andeana ao an-toerana efa hatry ny ela talohan'ny nahatongavan'ny Espaniola izay nitondra ny fivavahana Katolika .

Ny niandohan'ny fankalazana tahaka ny amin'izao fotoana izao dia ny finoana fa niseho teo i Jesoa Kristy, nisy ny fisehoan’ i Jesoa Kristy. Manazava [6] ny orinasam-pitetezatany Turismoi.pe  :

[el señor de Qoyllur Riti, que significa “Señor de la Nieve Brillante” en quechua] habría aparecido años atrás en forma de niño a otro niño indígena de la zona. Se dice que el Niño Jesús [uno de los modos como se representa a Jesucristo en la región] venía disfrazado de niño pobre y ambos pequeños se hicieron amigos. […] cuando el niño volvió a casa los padres [los] vieron […] vestidos de ricas vestimentas, y viendo la brillantez del Niño Jesús dieron parte al párroco de la localidad quien decidió ir en su búsqueda. La leyenda dice que el Niño Jesús huyó, [pero dejó] su imagen de la roca [desde] la que actualmente se peregrina.

Niseho toy ny zazalahy kely tamin'ny zazalahy teratany iray hafa tao an-toerana taona maro lasa [Ny Tompon'ny Qoyllur Riti, andian-teny amin'ny teny Quechua izay midika hoe “Ny Tompon'ny Orampanala Manjopiaka”] . Voalaza fa Kristy Zaza ilay izy izay mody niseho toy ny zazalahy mahantra [iray tamin'ireo fomba nisehoan'i Jesoa Kristy tao amin'ny faritra]. Lasa mpinamana izy roalahy kely. […] Raha lasa nody ilay zazalahy, nahita [ireo ankizy] nitafy akanjo feno peta-kofehy ny ray aman-dreniny. Rehefa nahita ny famirapiratan'ny Kristy Zaza izy ireo, dia nilaza tamin'ny pretra tao amin'ny paroasy tao an-toerana izay nanaraka ilay zazalahy avy eo. Araka ny tantara, afaka nandositra i Kristy Zaza, [fa namela] ny endriny teo amin'ny vatolampy [izay] hanaovan'ny olona ny fivahiniana masina.amin'izao fotoana izao.

Ao amin'ny Facebook, manasongadina ireo sarin'ny andro firavoravoana ary manazava ny fifangaroan'ny finoana ny pejy Señor de Qoyllur Rit'i [7] :

Esta celebración es una muestra fidedigna de la “conveniente mezcla” de la cosmovisión andina con elementos del catolicismo introducido por los españoles. En ella se rinde culto a los apus o montañas protectoras, donde viven los wamanis o espíritus tutelares del hombre andino; pero también se venera a Jesucristo, Señor de Qoylluriti y protector de su comarca.

Ohatra azo antoka amin'ny “fangaro mety” amin'ny fijerin'ny Andeana an'izao tontolo izao ity fankalazana ity, miaraka amin'ny fomba Fivavahana Katolika nampidirin'ny Espaniola. Mivavaka amin'ny apus  izy ireo ao amin'ilay toerana, na ilay tendrombohitra mpiaro, izay toerana hiveloman'ny wamanis na ny mpiambina ny fanahin'ny olona Andeana; nefa toerana ihany koa izay hanompoan'izy ireo an'i Jesosy Kristy, Tompon'i Qoylluriti sy mpiaro ny faritra.

Ny diabe lava sy maro loko

Mandritra ilay andro firavoravoana, izay ankalazaina eo akaikin'ny fetin'ny Katolika amin'ny Corpus Christi [8], dia mandefa delegasiona [9] mpandihy maro loko ny tanànakely tsirairay sy pabluchas ho an'ny fiangonan'i Tompon'i Qoyllur Riti, miorina any amin'ny 4.600 metatra ambonin'ny ranomasina. Ny pabluchas dia olona manao fiovana endrika ety ivelany, ary koa manao loko isankarazany, miandraikitra ny famelomana ny fanahin ‘ny fankalazana amin'ny alalan'ny vazivazy, ary mitandro ny filaminana, amin'ny fikarakarana ireo izay mety tsy hahazo aina tsara, na ireo izay mety hanakorontana:

Los pabluchas representan alpacas y son los intermediarios entre el Señor de Qoylloriti y los hombres. La subida a la capilla la realizan a las 4 de la mañana por [la montaña] Sinakara arreando a sus animales. […] las personas que participen en la procesión de Nuestra Señora de Fátima tendrán buena suerte en los negocios, vida y futuro. El fin de la procesión tiene lugar en la antigua capital inca del Cusco con las procesiones del Corpus Christi, las calles y plazas están repletas de personas, música y color.

Maneho ny alpacas ny pabluchas ary izy ireo no mpanelanelana ny Tompon'ny Qoyllur Riti sy ny olombelona. Manomboka miakatra ho any amin'ny trano fiangonana izy ireo amin'ny 4 maraina mankany amin'ny [tendrombohitra] Sinakara manosika ireo bibiny […]. Mifarana eo an-drenivohitra Inca taloha ao Cusco ny filaharana, miaraka amin'ny diabe Corpus Christi, feno olona, mozika sy loko ny arabe sy ny zorotrano rehetra.

Tsy vitsy ny mpandray anjara tamin'ny fankalazana 2016, izay natao teo anelanelan'ny 22 sy 24 May na dia teo aza ny tena tahotra tamin'ny fikorontanan'ny toetrandro.

Rehefa tsy miseho ny fifangaroam-pivavahana, dia mitoetra ny finoana.

Fifangaroam-pivavahana ao Cusco. Sary avy amin'i Adriana Peralta.

Nandao ny tendrombohitra rakotra orampanala ny mpivavaka tranainy tamin'i Tompon'i Qoyllur Riti  noho ny fihafanana ankapoben'ny tany.

Manao veloma farany an'i Colque Punku ilay tendrombohitra rakotra orampanala ny Tompon'ny Qoyllur Riti noho ny fitsoniky ny ranomandry.

Peroviana 100.000  ao amin'ny Qoyllur Riti Cusco. Sary : Sebastián Castañeda.