Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

18 Jona 2016

Tantara tamin'ny 18 Jona 2016

“Hiditra Ao Amin'ny ASEAN i Timor-Leste Amin'ny Taona 2017″, Maminany Ny Ambasadaoro Indoneziana

Tsy maintsy ho avy ihany ny fanekena an'i Timor-Leste ho mpikambana feno ao amin'ny Fikambanan'ny Firenena Azia Atsimo na ASEAN amin'ny taona 2017, hoy ny fanambaran'ny ambasadaoron'i Indonezia ao amin'ny fikambanana. Betsaka ny mieritreritra fa ahafahana miaro bebe kokoa ny fahaleovantena sy ny fiandrianam-pirenen'i Timor ny fidirana ao amin'ny fikambanana.

Rahonan'ny Fikorontanan'ny Toetrandro Ilay Fetibe Qoyllur Riti Mampifangaro Ny Finoana Katolika Amin'ny Finoana Nentimpaharazana ao Però

Mampiseho ny fifangaroam-pivavahana mampiavaka ny faritra ny fankalazan'ny Peroviana ny Qoyllur Riti, nefa ahiana ho potiky ny fiovaovan'ny toetrandro izany.

‘Misy Hatrany Foana Ny Fisehoana Endrika Miabo , Mahery Ary Mandrisika Ny Vehivavy Mainty Hoditra’

Nataon'ny mpanoratra fanadihadiana ilay mpanantontosa sarimihetsika Amerikana , manampahaizana sady mpikatroka, Beti Ellerson

Trano Fahiny Asehon'ny Bilaogin-tsary ‘Bits of Tokyo’

'Bits of Tokyo' bilaogin-tsary ao amin'ny Twitter mampiseho ny antsipirian'ny fiainana tavela taorian'ny ady tao Japana.