- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Raha Hiresaka Aminà Soedoà Iray Raisina Kisendrasendra, Antsoy Ity Laharana Ity

Sokajy: Eoropa Andrefana, Soeda, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Tsidika
Random Swedes will be answering "The Swedish Number" until June 24. Credit: Swedish Tourist Association

Hisy Soedoà maro hamaly kisendrasendra amin'ny “laharana Soedoà” hatramin'ny 24 Jona. Sary natolotry ny : Fikambanana Soedoà ho an'ny Fizahantany.

Lahatsoratr'i Jason Margolis [1], navoaka voalohany tao amin'ny PRI.org [2] tamin'ny 31 May 2016 ity, ary naverina navoaka etoana ho ampahany amin'ny fifanarahana iray ifampizaràna votoaty.

Tamin'ny Avrily lasa teo, nametraka laharana iray vaovao antsoina hoe “Laharana Soedoà” ry zareo ao Soeda. Antsoy io, ary dia hisy lehilahy na vehivavy Soedoà iray, raisina kisendrasendra, hamaly anao hiresaka aminao momba ny fireneny.

Nandaitra io, izay noheverina ho toy ny kilalao fampandriana adrisan'ny Fikambanana Soedoà ho an'ny Fizahantany, ary hatreto dia olona 160.000 no efa niantso.

Tomponandraikitra iray amin'ireo olona sasantsasany amin'ireny antso ireny aho.

“Soedoà kisendrasendra no mandray anao” hoy i Christer Blom mandray ny antso. Blom dia mpandrafitra rindrambaiko, 53 taona izy ary monina any ambanivohitr'i Soeda, 150 km eo ho eo miala an'i Stockholm. Nirotsaka an-tsitrapo izy, tapabolana lasa izay, mba hamaly ireo antson'ny olona avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao.

“Hoy fotsiny aho hoe ho zavatra iray tsara atao izany”, hoy izy.

Avy any Etazonia ny iray ampahatelon'ireo miantso ny “Laharana Soedoà”, avy amin'ny ambin'izao tontolo izao ny roa ampahatelo. Marihan'i Blom fa olona mitady torohevitra momba ny fivahiniana ny sasany ; betsaka ny miantso mba hiresaka politika ; ny hafa dia fitia te-hiresaka fotsiny, eny, hiresaka ny zavatra rehetra.

“Ny antso talohan'ny anao, ny fanontaniany dia hoe : inona no tsindrin-tsakafo ankafizinao?” hoy Blom mitantara. “Nila nieritreritra kely aho, saingy amin'izao vanintaona izao, dia ny frezy asiana krema. Mazava loatra fa tsindrin-tsakafo manaraka vanintaona io. Tsara an”.

Hiteny ianao hoe : dia inona no hidiran'izay tsindrin-tsakafo ankafizin'i Blom amin'ny fampiroboroboana ny fizahantany ao Soeda ? Jenny Engström avy amin'ny Fikambanana Soedoà ho an'ny Fizahantany no manazava fa ny hevitra niandohana dia ny hamorona fifandraisana tena izy.

“Ny tena hitako mahafinaritra ao anatin'ilay izy, dia ilay izy resaka ifandraisana an-telefaona eo amin'olona roa”, hoy i Rtoa Engström. “Ao anatin'ny tontolo niomerika misy antsika, tena tsy vita ny handre feon'ny olona”.

Ny Fikambanana Soedoà ho an'ny Fizahantany , fikambanana iray tsy mikatsaka tombony ara-bola ary tsy mangataka amin'ny fanjakana Soedoà, dia maniry ny mba tsy hanasiana sivana ireny feo miresaka momba ny fireneny ireny, “mba hamelàna ny olona monina ao hampiroborobo sy hampahafantatra an'i Soeda, fa tsy ho olona iray avy aminà orinasa mpandraharaha ara-barotra no hiteny izay tokony hatao sy haleha”, hoy Rtao Engström.

Antenain'ilay fikambanana fa ho Soedoà 2.500 mpirotsaka an-tsitrapo no hamaly antso amin'ny alàlan'ny telefaoniny, 30.000 izy ireo (lahy sy vavy), ary isan'izany ny praiminisitra.

Porofom-pitokisana lehibe amin'ny fahafahan'ireo olompirenena tsotra mirehareha noho ny fireneny izany. Ireo rehetra azoko tamin'ny telefaona dia samy tena mahay mandray sy mahafinaritra avokoa.

“Salut !” feno hafanana avy ao Stockholm, teo ampitrakana tamin'ny vaky bokiny, no nandraisan'i Lisa Haern, mpianatra ho mpitsabo, ahy. Nitroka fampiasa iray hahafahana miresaka amin'ireo olona toa ahy izy. Nanontany aho raha toa ilay  Fikambanana Soedoà ho an'ny Fizahantany ka naniry ny mba hampahafantarany zavatra hafa, na raha manana antony hafa narahany sy nandresy lahatra azy izy.

“Tsia. Tsy misy torohay na iray aza”, hoy i Lisa Haern namaly. “Tsy misy afa-tsy, atao tsara, ampidiro ny laharanao, dia izay. Tafiditra anaty fifandrasana ianao ankehitrny ary afaka mamaly ho an'i Soedà, ny Laharana Soedoà”.

Nifanandrify indrindra tamin'ny fankalazana ny faha-250 taonan'ny nanafoanana ny sivana tao Soeda ny namoronana ny Laharana Soedoà. Izy no firenena voalohany nanafoana azy io. Tsy nisalasala aho fa hoe ry zareo Soedoà izay niresahako dia malalaka afaka miteny sy manao izay tiany, indrindra fa rehefa nampiandry ny antsoko i Alexander Larsson, mpianatra amin'ny taona voalohany.

Nalaky niverina izy ary dia resadresaka nahafinaritra no niafanaovanay. Torohevitra vitsivitsy mahakasika ny fivahinianana no nomeny ho ahy, avy eo izahay niresaka politika sy fanavakavahana ao amin'ny fireneny. Nambarany fa tsy misy ifandraisany amin'i Soeda ny ankabeazan'ny resaka ataony.

“Ny sasany miantso satria fotsiny manirery ry zareo, raha ny eritreritro”, hoy ny fihevitr'i Larsson. “Araka izany dia te-hiresaka fotsiny ry zaro satria tsy manana olona hafa hiresahana, raha ny hevitro”.

Nanome ahy faniriana hiverina any Soeda ve ireo antso nataoko ? Misy kely ihany. Nanome ahy hevitra ambony kokoa momba ny toerana sy ireo Soedoà ve izy ireny? Tsy isalasalàna

Raha toa ianao koa maniry ny hiresaka aminà Soedoà iray raisina kisendrasendra, aza taraiky. Haato ny laharan'ny telefona 46–771–793–336,amin'ny 24 jona.