- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

#IamSyrian, Hetsika Mahatonga Ny Syriana Tsirairay Ho Afa-Mirehareha

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Brezila, Ejipta, Iràna, Syria, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Saripika, Tanora, Vaovao Tsara, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona
https://www.facebook.com/photo.php?fbid=576823295827017&set=a.322529401256409.1073741829.100004980551494&type=3&theater

Mpilalao baolina kitra Breziliana Kaka, mandray anjara amin'ny hetsika #IamSyrian (Syriana aho). Sary tao amin'ny Facebook Moustafa Jacob Page [1].

Amin'izao fotoana izao, tsy mahagaga ny mifanena amin'ny Syriana eny an-dalana rehetra eto amin'izao tontolo izao [2]. Tsy ireo mpitsoa-ponenana noterena avy amin'ny ady tao Syria ihany no voakasik'izany fa ny taranaka fianakaviana teratany Syriana, izay nandao an'i Syria ampolony taona lasa ny ray aman-dreniben'izy ireo.

Hetsika iraisam-pirenena am-polony no nifantoka tamin'ny fijalian'ny Syriana nandritra izay dimy taonan'ny ady feno herisetra izay [3], ka olona teo amin'ny ampahefatry ny tapitrisa no namoy ny ainy ary namela olona an-tapitrisany tsy manan-kialofana, nizotra nankany Eoropa [4], mandondona ny varavaran'ny zanak'olombelona.

Ho valin'ny fandrakofana an-taonany maro nataon'ny haino aman-jery mahazatra manasongadina ny fijalian'ny Syriana sy mampiseho azy ireo toy ny olona mosarena [5] sy mitsipozipozy mila fiantrana, mikendry hampiseho ny tena herim-pon'ny Syriana ny hetsika #IamSyrian. Taorian'ny fanafihana Taombaovao tany Alemaina, izay mpitsoa-ponenana Arabo, [6] anisan'izany ny Syriana no voampanga tamin'ny fampihorohoroana sy ny fanaovana antsojay tamin'izany, nanapa-kevitra hiroso sy hanova ny lahateny amin'ny resaka i  Moustafa Jacob [7] ilay Siriana mpanakanto monina ao Texas. Ny tanjony dia ny hanasongadina ireo Syriana nandray anjara tamin'ny kolontsaina sy ny maha-olona tamin'ny sehatra maro samihafa.

Anisan'ny anton-javatra nahatonga ny hetsika #IamSyrian [8] ny tatitry ny haino aman-jery momba ireo mpitsoa-ponenana Syriana ao Eoropa sy ny fampielezan-kevitra fankahalana ny Silamo natosiky ny antoko nasionalista elatra havanana hiringiriny ary koa ny fahadimy taonan'ny Revolisiona Siriana manohitra an'i Bashar Assad izay nitohy am-pilaminana nandritra ny fampitsaharana ny ady nifanarahana tamin'ny Febroary 2016.

Nampiasa ny lanonana fizarana Oscar i Jaco hanombohany ny hetsika i Jacob. Manazava ao amin'ny Facebook [9] izy:

Famous people with Syrian roots include Steve Jobs, Prison Break star Wentworth Miller, Desperate Housewives star Teri Hatcher, award-winning actor Murray Abraham and Jerry Seinfeld, says Moustafa Jacob [9]

Anisan'ny olona malaza manana fiaviana Syriana i Steve Jobs, ny mpilalao ny Prison Break, Wentworth Miller, ny mpilalao ny Desperate Housewives, Teri Hatcher, mpilalao nahazo loka Murray Abraham sy Jerry Seinfeld, hoy i Moustafa Jacob

 

بمناسبة قدوم الأوسكار, وبعد الهجمة الإعلامية على اللاجئيين السوريين واتهامهم بالهمجية والتخلف, أحببت أن أقوم بتصميم مجموعة من البوسترات عن بعض مشاهير أمريكا ذوي الأصول السورية.
والحملة بعنوان (I am Syrian)
‪#‎I_AM_SYRIAN‬
‪#‎IAmSyrian‬
Famous Faces of Syrian Ancestry

Noho ny lanonana fanomezana Oscar sy taorian'ny famelezan'ny haino aman-jery ny mpitsoa-ponenana Syriana miampanga azy ireo ho manao habibiana, namorona andiana afisin’ olo-malaza Amerikana sasany manana fiaviana Syriana aho.

Nipaka teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny #IamSyrian  raha nanomboka nampiasa ny teny fanevany ireo olo-malaza sy mpanakanto manerantany, anisan'izany ny fikambanana World Food Program [10] @WFP, sy ireo olo-malaza tahaka ilay mpilalao baolina kitra Breziliana Kaka, mpihira Britanika-Iraniana Sami Yusuf, sy ilay mpilalao sarimihetsika Ejiptiana Hind Sabri

Nanatevin-daharana ny hetsika ihany koa avy eo ny tao amin'ny Twitter sy [11]ny Instagram ankoatra ireo sehatra media sosialy hafa [12] mba hampiely ny hafatra.

Androany, Syriana 1 amin'ny 3 no miaina ao anatin'ny fahantrana. Mijoro isika

Tsy zava-baovao ny mampiseho ny tena endriky ny Syriana. Tamin'ny Oktobra 2015, nanakarama mpilatro mba hiseho amin'ny horonantsary fohy matanjaka tao amin'ny Instagram amin'ny kaontiny @IsabelitaVirtual, [17] i Isabel Martinez, mpaka sary sady tale ara-javakanto, izay nanambaran'ireo mpilatro hoe: “Syriana aho”:

#IAmSyrian are you? Thanks to @wmag @ola_quetal @soojmooj @Iriska_Kravchenko @lineisymontero @molllsbair @nykhor @hannegabysees @Stellaluciadeopito @ruthnotmay [17]

A video posted by .O⭕. (@isabelitavirtual) on

Mba hanamafisana tsara ny hafatra, mizara ny anaran'ny olona taranaka Syriana namela marika manerantany sy fiantraika  iraisam-pirenena i Jacob. Ny tanjona dia ny mba hireharehan'ny Syriana hatrany ny amin'ny zava-bitan'ireo namana mpiray tanindrazana amin'izy ireo.

Anisan'ireo olo-malaza Syriana nalefa tao amin'ny pejy Facebook-n'i Jacob [18]ireto: