- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Midika Hetra Vaovao Sy Fifehezan-kibo Ho An'ny Vahoaka Any Trinite Sy Tobago Ny Fahasahiranana Ara Toekarena

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Fanabeazana, Mediam-bahoaka, Sakafo, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna
"Calculating Taxes Up And Down"; image by Ken Teegardin, used under a CC BY-SA 2.0 license. [1]

“Fikajiana Hetra Ambony sy Ambany.” sary avy amin'i Ken Teegardin. CC 2.0.

Nivadika ho tena izy ny nofy ratsin'ny mpanjifa ao Trinite sy Tobago amin'ny ady ataon'izy ireo mba hizatra ny kajin-ketra vaovao natolotry ny Minisitry ny Vola, Colm Imbert, izay nilaza fa ilaina ilay fiovna mba hamonjena ny toekarena izay marefo [2] amin'izao fotoana izao, satria tsy mitsahatra mitotongana ny vidin-tsolika. Tsy nanampy, ihany koa, ny fandaniana be loatra nataon'ny fitondrana teo aloha [3].

Ny Tetibolam-panjakana 2016 dia nametraka ny fanalàna sokajin'entana 99 tsy ho ao anatin'ny lisitra tsy tataovan-ketra [4], sady mametraka Haba Momba ny Fanjifàna (TVA) amin'ny entana tsy notataovan-ketra teo aloha, toy ny sira, ny boky , ary ny solosaina. Tsy ho ela ihany koa ny vokatra fototra ara-tsakafo toy ny vary sy ny lafarinina dia ho tataovana haba, niteraka fahatezerana ho an'ny olona maro tao Trinite sy Tobago.

Nitombo ny fihenjanana tao amin'ny pejy Facebook-n'i Iza-Trini izay nametrahan'i AviAnn Richardson izao fanehoankevitra [5] manaraka izao:

Tsy misy olona MANONTANY NY PNM ve [Hetsi-Pirenen'ny Vahoaka [6], ilay antokon'ny vahoaka ao amin'ny governemanta amin'izao fotoana izao]? Manolotra lalàna izy ireo ary manara-drenirano fotsiny ny vahoaka? Ahoana no ahafahana manao ankivy manerana ny firenena mandritra ny iray andro? Ahoana ny momba ny fitokonana? Tsy mipetraka eo fotsiny, ary mandefa meme mikasika ny maha-ratsy ny PNM, tsy manao na inona na inona! Mitsangàna MANAOVA ZAVATRA!

Ah just hope doubles doh go up nah :'( #D_Taliban

Posted by Iza-Trini [7] on Tuesday, January 12, 2016 [8]

Ah manantena avo roa fotsiny doh miakàra tsiaa: ‘( #D_Taliban

Tao amin'ny tafa an-gazety [9] vao haingana, namerina nanambara ny Minisitry ny Vola, Imbert ,fa izany no fanapahankevitra tsara mba hanampiana TVA 12,5 isan-jato (nahena) tamin'ny entana sasany, noho ny tahan'ny hetra ambany amin'ny vola miditra, izay nahena tsy tapaka—ary koa ny tahan'ny hetra amin'ny orinasa—nandritra ny taona maro. Ny tena tsara, taha ambany tsy misy anavahana no mety indrindra, fa—satria efa tena ambany ny taha—tokony hisy rafitra mahomby amin'ny fanangonana ny TVA, natao hanampiana amin'ny fitantanana tsara kokoa ny firenena. Hihena 15 isan-jato (izay misy azy ankehitriny) ho 12,5 isan-jato ny tahan'ny TVA, nanomboka ny 1 Febroary 2016. Afaka mijery eto [10] ny lisitra manontolon'ny entana tataovan-ketra ianareo.

Ny fisian'ny haba amin'ny solosaina sy ny boky, izay tsy notataovana hetra teo aloha, dia nitarika fanamarihana marikivy ho an'ny mpampiasa Aterineto. Tao amin'ny Facebook, naneho [11] ny ahiahiny momba ny fitaovam-pianarana i Christian M. Johnatty:

Andraso andraso andraso, ny antony nanesorana ny TVA tao amin'izy ireo voalohany indrindra ve tsy hoe satria tahaka ny firenena an-dalam-pandrosoana, dia mba ho mora kokoa sy azo takarina ny hanana solosaina ho an'ny ambany fidiram-bola ary ho lasa mahafehy ny fampiasàna solosaina?

Namoaka fanambaràna [12] izay nataon'ny Profesora Bridget Brereton ny Paria Publishing Company Limited, manakiana ny TVA amin'ny boky. Nahasarika fizaràna efa ho 500 ilay lahatsoratra:

Rehefa namaky momba iny fanapahan-kevitra hafahafa iny aho, sady gaga aho no diso fanantenana. Rehefa dinihina tokoa, misy antony nanesorana ny hetra tamin'ny boky hatramin'ny nampidirana voalohany ny TVA tao Trinite sy Tobago, taona maro sy  governemanta maro nifandimby.

Manaiky ny olona rehetra fa tsy dia ampy ny famakiantsika boky, manomboka amin'ny ankizy any an-tsekoly ka hatramin'ny mpianatry ny oniversite,  hatramin'ny ankapoben'ny mponina. Tao amin'ny Oniversiten'i Karaiba (UWI), nahatsikaritra izahay nandritra ny taona maro izao fa nihena be tokoa ny fahazotoan'ny mpianatra amin'ny famakiana teny, ary ny fahavononana hiatrehana ny boky izay mifanohitra amin'ny fehintsoratra vitsivitsy amin'ny aterineto […]

Nahoana àry no atao izay hahalafo vidy ny boky izay hita fa efa lafo rahateo? […] Vao haingana, nisy karazana fahaterahan'ny haisoratra nitranga tao T&T sy Karaiba, miaraka amin'ny mpanoratra maro eo an-toerana na isam-paritra, izay mamoaka tantara foronina, tantara fohy sy tononkalo, ary nahazo valisoa lehibe ihany koa, ary koa ny boky mahaliana tsy avy amin'ny nofinofy amin'ny karazany rehetra. Moa ve isika te-hampihena ny tsenan'izy ireo amin'ny fanaovana ny bokiny ho lafo kokoa?

Fa hisy hafatra tena halefa marina: tsy mahaliana io governemanta io ny handrisika ny mponina, manomboka amin'ny ankizy an-tsekoly ka hatramin'ny zokiolona, hamaky, hividy, hanangona sy hizara boky.

Na izany aza, tsy ny olona rehetra aty Trinite sy Tobago no manohitra ilay fiovàna, na dia hisy fiantraikany amin'ny paoketrany aza izany. Namoaka rohy momba ny firenena enina izay voalohany mba miomana ihany koa hanomboka hitaky hetra amin'ny olom-pirenena ny pejy Facebook Speak Out T&T, naneho hevitra [13]:

Ireo olona izay nitantana anay tao anatin'ny faharatsian'ny toekarena ihany no mitaraina momba ny TVA. Mampiasa ny tsy nahita fianarana indrindra eto amin'ny fiarahamonina izy ireo ary manao izany ho olana ara-politika.
Eny, olana manerantany izany. Manerana izao tontolo izao, mametraka fepetra ara-bola mitovy amin'izany ny firenena rehetra mba hahafahana mampandeha tsara ny toekareny, satria izany no ataon'ny governemanta tompon'andraikitra.
Saingy mitaky ny fahafahana mieritreritra ny fahatakàrana izany. Mora kokoa ny milaza hoe ‘PNM’  ‘Tsia, nasian-dry zareo hetra ny sira’ ary ‘isika kosa hihinana ahitra’.

Nanao fanamarihana [14] ny mpampiasa Facebook, Jovi Modeste, fa nodisiona ny laharam-pahamehan'ny olona, indrindra fa nandritra ny vanimpotoan'ny Fetibe tao amin'ny firenena (izay mihetsiketsika amin'izao fotoana izao), izay ny fandaniana miompampana amin'ny “fety” [fety mandany vola izay ahitàna sakafo sy alikaola] no fenitra:

Ny fahafantarana fa ny olona mitaraina momba ny vidin- tsakafo, nefa mandoa vidin'akanjo 2-10k ao anatin'ny iray andro monja, 1200 ho an'ny tavoahangin-taoka (rhum) 400 any amin'ny kilioba…
Lafo avokoa ny tapakila voafetra mialoha….

Nanao fanambaràna [15] ho an'ny firenena ny Praiminisitra Dr. Keith momba ny famerenana amin'ny laoniny ny hetra amin'ny fananantany sy ny fampiakarana ny TVA. Naneho hevitra [16] tamin'ny sata Facebook-n'ny FreeDom i Vitas Butkoon ka namintina ny sosokevitr'i Rowley momba ilay olana:

Avelao izahay handoa ny vidiny feno amin'ny solika sy ny sakafo. Ampitomboy ny tahan'ny herinaratra mba hitovy amin'ny an'ny firenena hafa. Aza avela hisy fanampian'ny fanjakana eto amin'ity firenena ity. Aza mijanona amin'ny hetra iray fotsiny. Foany ny fahatsaram-pianan'ny reny tokantena ary ajanony ny cepep [sampana mifantoka amin'ny tontolo iainana ao amin'ny Ministeran'ny Trano Fonenana sy Fampandrosoana an-dRenivohitra izay tafahitsoka ao anatin'ny heverina ho kolikoly] sy ny urp [Fandaharan'asa ho Fanampiana ny Tsy an'Asa]. Asio hetra ihany koa ny fividianana anaty tranonkala. Aza ajanona amin'ny sira sy ny vary ihany. Ampitomboy ny rehetra.

Mba hahafahan'ny olom-pirenena miaina amin'ny otrikarena misy ao amin'ny firenena, nilaza [17] ny Praiminisitra hoe: “tsy maintsy mampihena isika arakaraky ny zavatra ananantsika,” notsindriany fa tsy maintsy manao ny tsara indrindra i Trinite sy Tobago mba hampihenana ny fandaniana.