- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ho An'ny Vahoakan'i Myanmar, Manamarika Maraim-Baovao Ny Governemantan'i Aung San Suu Kyi

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Mediam-bahoaka, Politika
[1]

Ny fisokafan'ny fotoam-pivorian'ny parlemantan'i Myanmar. Sary nalaina tao amin'ny pejy Facebook ofisialin'ny Minisiteran'ny Filazam-baovaon'i Myanmar.

Noraisin'ny olom-pirenena maro ho fotoan-dehiben'ny firenena mizotra mankany amin'ny demaokrasia ny fotoam-pisokafan'ny parlemantan'i Myanmar tamin'ny voalohany volana Febroary 2016. Nanjakan'ny National League for Democracy (NLD na Ligim-Pirenena Mankany amin'ny Demaokrasia), izay nandresy [2] ny antoko notohanan'ny miaramila nandritra ny fifidianana ankapobeny tamin'ny volana Novambra lasa teo ny parlemanta. Ny NLD dia tarihin'i Aung San Suu Kyi gadra politika teo aloha sady nahazo ny Loka Nobel Fandriampahalemana.

Firenena nahaleotena i Myanmar tamin'ny 1948, saingy namotsotra ny fiainana ny demaokrasia naharitra fotoana vetivety rehefa nandrombaka ny fahefana ny Jeneraly Nay Win tamin'ny 1962. Rehefa naharitra mihoatra ny roapolo taona ny fitondrana jadona miaramila dia nisy rotaka lehibe nanerana ny firenena nipoaka nanery ny Jeneraly General Nay Win hiala tamin'ny 1988. Roa taona taty aoriana, nisy fifidianana ankapobeny notanterahina, saingy tsy nankatoavin'ny tafika ny valim-pifidianana izay naneho ny fandresen'i Aung San Suu Kyi, zanakavavin'ny fanorolahy ny Jeneraly Aung San. Raha tokony ho lasa filoha izy dia napetraka hofonjaina an-trano manokana nandritra ny fitondrana jadona miaramila vaovao notarihan'ny Jeneraly Than Shwe.

Roapolo taona taty aoriana ny governemanta miaramila no nanambara ny fikasany hametraka ny fanitsiana ara-demaokratika ao amin'ny firenena. Navoaka ny lalampanorenana vaovao, izay mitahiry ny 25 isanjaton'ny seza ao amin'ny parlemanta ho an'ny tafika. Tamin'ny 2010 ny antoko tohanan'ny tafika notarihan'ny Jeneraly teo aloha Thein Sein no nifehy ny fifidianana, izay nanjakan'ny hosoka nieli-patrana.

Mbola manohy mampihatra ireo politika henjana tahaka ny famoretana [3] ireo fokom-bahoaka vitsy an'isa ny governemanta vaovao, ny fisamborna ireo mpikatroka sy mpanao gazety mpitsikera, ary ny fanamafisana ireo fifandirana eny ifotony. Saingy mahavariana fa nirosoa amin'ny fanovana ara-politika misy dia misy dikany ihany koa izy thaka ny famotsorana gadra ara-politika an-jatony [4], ny fanafoanana ny fanampenam-bava ary ny fanalalahana ny aterineto.

Taorian'ny namotsorana an'i Aung San Suu Kyi avy ao am-ponja dia nitarika ny fanoherana ho any amin'ny fandresem-pifidianana izy. Saingy voasakana araka ny lalampanorenana tsy hitondra izy noho ny vadiny sy ny zanany izay vahiny. Hanendry ny filoha vaovao ny antokon'ny fitondrana vaovao ao anatin'ny roa herinandro, saingy antenaina hitondra matanjaka ny feon'ny governemanta vaovao ramatoa Aung San Suu Kyi.

Mandritra izany fotoana izany, maro amin'ny olona ao amin'ny firenena no tsara fijery amin'ny andro voalohan'ny governemanta vaovao. Indro ny sasantsasany amin'ny lazain'ny olona ao amin'ny media sosialy.

Phyu Phyu Thi namoaka [5] tao amin'ny Facebook ny halehiben'ny anjara toeran'ny vahoaka amin'ny fifidianana.

Today is the day we have been waiting for so long. People Power

Androany ny andro nandrasantsika hatry ny ela. Herim-bahoaka

Helen Aye Kyaw nanamarika [6] fa ny fotoana voalohany tao amin'ny parlemanta dia notarihin'ny vehivavy iray.

ပြောင်းလဲပါပြီ
သဘာပတိကလည်း အမျိုးသမီးပါ
ဒေါ်ခင်ဌေးကြွယ်ပါ

Fiovana tokoa. Tarihim-behivavy ny fotoana. Daw Khin Htay Kywe.

[6]

Sary nozarain'i Helen Aye Kyaw (pikantsary avy amin'ny fahitalavitra). Daw Khin Aye Kywe avy amin'ny antoko NLD mamaky ny fandaharam-potoanan'ny parlemanta.

Ny mpandala ny Zon'Olombelona Aung Myo Min ihany koa manaiky [7] ny lanjan'ity lanonana ity:

ပြောင်းလဲမှုတခုတော့ သိသိသာသာပါ… အမျိုးသားထိုင်နေကျနေရာမှာ အမျိုးသမီးတယောက်တယောက် နေရာယူလိုက်ပါပြီ…

Misy lanjany tokoa ny fiovana. Ankehitriny dia vehivavy no mandray ny toerana izay lehilahy ihany no nipetraka teo amin'izany taloha.

Blaogera sady gadra politika teo aloha ary mpikambana ao amin'ny Parlemanta amin'izao fotoana izao antsoina hoe Nay Phone Latt nanome [8] voninahitra ireo maherifon'ny hetsika demaokratika:

ဒီလိုနေ့မျိုးရောက်ဖို့ နည်းမျိုးစုံနဲ့ရင်းနှီးပေးဆပ်ခဲ့ကြတဲ့ အဘဦးဝင်းတင်အပါအဝင် ဒီမိုကရေစီသူရဲကောင်းများအားလုံးကို
ဒီနေ့မှာ ထူးထူးကဲကဲ သတိရနေမိပါတယ်။
ဒီပုဂ္ဂိုလ်တွေရဲ့ စိတ်ဝိဉာဉ်တွေကို ဦးထိပ်ပန်ဆင်ပြီး
ရဲရင့်လေးနက်စွာနဲ့ ရှေ့ခရီးကို ဆက်လျှောက်ပါ့မယ်။

Androany aho mahatsiaro manokana ireo fanorolahin'ny demaokrasia ka ao anatin'izany Dadatoa U Win Tin [9], izay nanao sorona ny ainy hahatongavan'ity andro ity. Mamelona ny fanahin'izy ireo ato am-poko, hiroso amim-pahasahiana (aho).

Ny Gazetim-Baovaon'ny Vehivavy ihany koa nizara ny sarin'ny vadin'ny mpanao gazety Ko Par Gyi [10], izay maty notifitin'ny miaramila nandritra ny governemanta teo aloha. Mpikamban'ny parlemanta misolotena ny tanànany ihany koa izy:

[11]

Sary nozarain'ny Gazetim-Baovaon'ny Vehivavy.

Toy izao ny fivakin'ny tsanganana:

ကမ္ဘာ့သမိုင်းတွင် မှတ်တမ်းဝင်သွားပြီဖြစ်တဲ့ မြန်မာနိုင်ငံမှ အကြမ်းမဖက် ဒီမိုကရေစီအောင်ပွဲ

Fandresen'ny demaokrasian'i Myanmar tsy nampiasa herisetra izay nahavita azy teto amin'izao tontolo izao.

Na izany aza dia misy ihany ireo olona be fanahoana amin'ny fidirana an-tsehatry ny tafika amin'ny fanaovan-dalàna:

Lalana mankany amin'ny Demaokrasia: Hitondra ny kabinetra i AungSanSuuKyi, fa ry jeneraly ihany no hanohy amin'ny fitondrana ny fiainan'ny 1,5 tapitrisa.

Tafiditra amin'izany ireo mpanao sariitatra, izay mbola mitsikera hatrany ny vesatry ny tafika.

[15]

Sariitatra avy amin'i Win Aung. Nozarain'i BrainWave.

[16]

Sariitatra avy amin'i Win Aung. Nozarain'i BrainWave. Izao no fivakin'ny lahatsoratra: “tsy afa-mitombo raha tsy ao anatin'ny tontolo misy azy.” Ny fivakin'ny lahatsoratra ambonin'ny hazo: Demaokrasia.