- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Inona No Nanomboka Tany Orogoay Ary Haharitra 40 Andro?

Sokajy: Amerika Latina, Orogoay, Mediam-bahoaka, Mozika, Zavakanto & Kolontsaina
Desfile de Llamadas al ritmó del candombé. Imagen en Flickr de la usuaria mabel flores (CC BY-ND 2.0).

Matson'i Llamadas manaraka ny gadona candombe. Sarin'i Mabel Flores [1] mpisera Flickr (CC BY-ND 2.0).

Nanomboka tamin'ny 21 janoary 2016 teo ny Fihinanankena Orogoaiana [2] (“ny fihinanankena na carnaval lava indrindra teto ambonin'ny tany”). Andro firavoravoana entina manerana ny firenena anelanelan'ny tapaky ny volana janoary ka hatramin'ny faran'ny volana febroary izay mampifangaro ny fety eoropeana sy afrikana mandritra ny efapolo anro izy ity, ary manjaka amin'izany ny seho tantara tsangana, dihy, loko marevaka ary ny feon'ny amponga.

Manana endrika roa lehibe ny Firavoravoana Orogoaiana, ny murgas sy ny candombe, araka ny nohazavain’ [3]i Guillermo Font:

[…] no son antagónicas sino que más bien se complementan: las murgas, de origen español, cuyas letras tienen un alto contenido de humor y sátira social y política, la voz del pueblo, y jugaron un importante papel socio-cultural durante la dictadura (1973-84), y el candombe, de origen afro-negro, que recrea los orígenes africanos de los negros esclavos y la época colonial, con sus trajes, cantos y bailes típicos, culturas y religiones, y su evolución natural hasta nuestros días. Se suman las otras categorías Humoristas, Parodistas y Revistas.

[…] tsy mifanohitra ireo fa mifameno aza: ny murgas, izay fiaviana espaniola, dia manankarena amin'ny fampihomehezana sy ny tononkiram-panesoana ara-politika sy ara-tsosialy. Miasa miaraka amin'ny feom-bahoaka izy ireo ary nanana anjara toerana ara-piarahamonina sy ara-kolontsaina nandritra ny fitondrana jadona (1973-84); sy ny candombe, izay fiaviana afrikanina, mamorona indray ny fiaviana afrikaninan'ny andevo mainty sy ny fotoanan'ny fanjanahantany, izay manana ny fitafiany, ny hiakany, ny dihy manavaka azy, ny kolontsainy, ny fivavahany ary ny fivoarana ara-baoajanahary mandraka ankehitriny. Amin'ireo zavatra ireo zavatra ireo dia nampiana ihany koa sokajy hafa (toy ny Mpampihomehy, ny Mpaka tahaka natao hampihomehezana ary ny Fangarony).

Ny murgas [4] dia maneho ny “votoaty ankapoben'ny fahatsapam-bahoaka [5]“:

La categoría Murgas es conceptualmente un natural medio de comunicación, transmite la canción del barrio, recoge la poesía de la calle, canta los pensamientos del asfalto. Es una forma expresiva que trasunta el lenguaje popular, con la veta de rebeldía y romanticismo.

La murga, esencia del sentir ciudadano, conforma una verdadera autocaricatura de la sociedad, por donde desfilan identificados y reconocidos, los acontecimientos salientes de la misma, lo que la gente ve, oye y dice, tomado en chanza y en su aspecto insólito, jocoso y sin concesiones y si la situación lo requiriera, mostrará la dureza conceptual de su crítica, que es su verdadera esencia.

Ny sokajy murga araka ny nanaovana azy tamin'ny voalohany dia fomba voanjanahary hifandraisana, mitondra ny hiran'ny manodidina, manangona ny tononkalo an-dalambe, mihira ny fahatsapana eny andalana.  natao hampiaina ny fitenim-bahoaka, mampifaningotra ny fikomiana sy ny tantaram-pitiavana mampamolivoly.

Ny murga—ny votoatin'ny fihetseham-pom-bahoaka—no tena mamoaka ny sarintavan'ny fiarahamonina, izay amantarana sy ahafantarana azy eny ampandehanana, ny lanonany voamarika, izay hitan'ny olona sy lazainy, natonina am-panahy, ary ny endrika tsy mahazatra aminy, mampihomehy sy tsy mahazo alalana ary raha mitaky izany ny toe-draharaha, dia hampiseho ny halozan'ny tsikera niaingany tamin'ny voalohany, ny tena antom-pisiany.

Mandritra izany fotoana izany ny candombe [6] dia fihetsiketsehana ara-kolontsaina [7] manana fiaviana afrikanina izay:

[…] es una manifestación espiritual, que representa los sentimientos del pueblo Afroriental. En él se conjugan, las tradiciones de los pueblos de Benguela, Angola y Kongo junto a lo de los españoles, portugueses, guaraníes, charrúas y chanás.

[…] fihetsiketsehana ara-panahy, izay mampiseho ny fahatsapana malaza eo amin'ireo vahoaka Afrôatsinanana. Ao dia bemiray ny fomba avy any amin'ny Benguelas, Angolas, ary Kongos, miaraka amin'ny an'ny Espaniola, Paortiogey, Guaranies, Charruas, ary Chanas.

Miaraka amin'ny tango, dia misy ny candombe fue declarado, izay voasoratra ao amin'ny Lisitra Fenon'ny Vakoka Ara-Kolontsaina tsy azo tsapain-tanan’ [8]ny Zanak'Olombelona ao amin'ny UNESCO. Io no vakoka Afrikanina [9] ao Orogoay:

El candombe ha sido tan fuerte, profundo y esencial que en lugar de haber desaparecido […] se ha convertido en un elemento cultural que identifica a Uruguay.
[…]
En su época cumbre, los africanos organizaban el candombe todos los domingos y en las grandes fiestas de Año Nuevo, Navidad, Resurrección, San Benito, Virgen de Rosario y San Baltasar.

Natanjaka tokoa ny Candombe, lalina ary nilaina, fa tsy nanjavona […] lasa singa ara-kolontsaina anondroana an'i Orogoay. […]

Nandritra ny nampalaza azy, dia nikarakara candombe isaky ny alahady ny Afrikanina sy mandritra ireo fotoan-dehiben'ny Taombaovao, Krismasy, Fitsanganana, Masindahy Benoà, Virijinin'ny Rôzery, ary ny Masindahy Balthasar.

Telo karazana ny fomba fankalazana nentim-paharazana [10] ny Fihinanankena Orogoaiana : fampisehoana tantara tsangana sy hira, dihy sy ny manodidina azy, diabe sy matso, tahaka ny llamadas [11].

Sambany. Miaina ny 40 andro fankalazana ny firavoravoana maharitra indrindra eto ambonin'ny tany, dia ny fihinanankena orogoaiana, i Montevideo.

Nandritra ny fanokafana ny dihy mirindran'ny andro firavoravoana ao Orogoay, dia nisy gadona vaovao niforona, “candomambo”, fitambaran'ny mambo sy ny candombe – Candombe izy io!

Ity no firavoravoana maharitra indrindra eto ambonin'ny tany ary mety haharitra roa volana.

Raha mankafy murgas ianao… Araho ato ny fihinanankena Orogoaiana.

Ny haba-tranonkalan'ny Carnaval del Uruguay dia ahitana ny lisitra fenon'ny [24] (amin'ny teny espaniola) hetsika izay hotanterahina mandritra ireo androm-pankalazana ireo.