- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sarin'ny Maraina Manjavona Tarafin'ny Masoandro Ao Amin'ny Renivohitr'i Myanmar Faha-Mpanjaka

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Mediam-bahoaka, Tantara, Tsidika
Photo by Zaw Zaw / The Irrawaddy [1]

Sary avy amin'i Zaw Zaw / Irrawaddy

Ity lahatsoratra [2] nosoratan'i Zaw Zaw ity dia avy amin'ny Irrawaddy, tranokalam-baovao tsy miankina ao Myanmar, ary navoaka eto amin'ny Global Voices indray noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Miorina ao avaratra atsinanana ao amin'ny hantsana manodidina ny Lapan'i Mandalay, ity havoana mitovy anarana aminy (Mandalay) ity dia toerana malaza ho an'ny mpizaha tany sy ny mpaka sary manantena hipika sary ny maraina mangiran-dratsy ao amin'ny renivohitr'i Myanmar faha-mpanjaka.

Tonga tao an-tampon'ny Mandalay ny mpaka sarin'ny Irrawady, Zaw Zaw vao maraimbe tamin'ny 12 Janoary 2016 mba hiandry ny fiposahan'ny masoandro. Tamin'ny mari-pàna 12 ° Celsius mangatsiatsiaka, tonga lafatra ny toetr’ andro sy ny toerana mba hakana sary ny fotoana hamakian'ny tara-masoandro ny zavona marainan'i
Mandalay.

Saingy ampitandremina ireo mpizaha-tany: tsy maintsy tonga any an-tampony alohan'ny amin'ny 6 ora maraina ianao raha te-hahazo manontolo ny fivalaparan'ny tsiaron'ny zavona
.
Photo by Zaw Zaw / The Irrawaddy [3]

Sary avy amin'i Zaw Zaw / Irrawaddy

Photo by Zaw Zaw / The Irrawaddy [4]

Sary avy amin'i Zaw Zaw /  Irrawaddy

Photo by Zaw Zaw / The Irrawaddy [5]

Sary avy amin'i Zaw Zaw / Irrawaddy

Photo by Zaw Zaw / The Irrawaddy [2]

Sary avy amin'i Zaw Zaw / Irrawaddy