Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

23 Janoary 2016

Tantara tamin'ny 23 Janoary 2016

Efa Mpialokaloka Tao Syria, Mbola Lasa Mpialokaloka Indray Ity Palestiniana Vehivavy Ity

Mpialokaloka ao Eoropa i Nadera Aboud. Saingy tsy sambany izy no nandositra ny fonenany. Efa ho 70 taona izao ny fonenany voalohany.

Ny Fanjavozavoan'ny Tsipika Manasaraka ny Fialam-boly Amin'ny Politika ao Shina sy Taiwan

Nalaza vao haingana tao amin'ny aterineto ny fialan-tsinin'ilay tanora mpihira K-pop iray noho ny nanofahofany ny sainan'ny Repoblikan'i Shina—izay adika ho fanohanana ny fahaleovantena Taiwaney—.

Sivy Taona Nanoherana Ny Famoretan'ny Polisy Ao Arzantina

Nandritra ny sivy taona, Arzantinina an-jatony avy ao amin'ny faritany Cordoba no nanatevin-daharana ny "Diaben'ny Kasikety" -- hetsika fanao isan-taona hanoherana ny fihoaram-pefin'ny polisy izay mialokaloka amina lalàna mampiadi-hevitra.

Sarin'ny Maraina Manjavona Tarafin'ny Masoandro Ao Amin'ny Renivohitr'i Myanmar Faha-Mpanjaka

Nanapika ny hakanton'i Mandalay indray maraina ambonin'ny renivohitra faha-mpanjakan'i Myanmar i Zaw Zaw.