Ora vitsy monja mialoha ny fiposahan'ny masoandro tamin'ny 1 Jolay, andro amin'ny fomba ofisialy tsy nandoavan'i Gresy ny volan'ny Famatsiambola Iraisampirenena [1] sy hiatrahana ny mahabankirompitra vokatr'izany, dia nanan-kevitra mampiady hevitra ny CNN tamin'ny fampidirana ny famataranandro manisa ny sisa-minitra mandrapahatonga ny fe-potoana farany.
Tsy mahagaga raha nisy ny fanehoan-kevitra eo noho eo [2] avy amin'ny Grika mpiserasera manerana izao tontolo izao, mahita ny fanapahan-kevitra ho na manopa na mampihomehy mamparikivy.
Manontany tena ny mpisera Spiros Fotis Jr. [3]:
Θα σκάσει βόμβα κ μέτρα αντίστροφα το #CNN [4] ;
— Spiros Fotis Jr.® (@SpirosFotisJr) June 30, 2015 [5]
Hisy baomba vonona hipoaka ve ka manisa ny sisam-potoana ny CNN?
Raha nanambara i Johnny Favorite [6]:
Ακόμη και το #cnn [7] ετοιμάζεται να 'γιορτάσει' μαζί μας την επίσημη έξοδο απο τα μνημόνια σύντροφοι… #GreeceCrisis [8] pic.twitter.com/hgkM2t0nPO [9]
— Johnny Favorite (@JohnnyHatz) June 30, 2015 [10]
Ry Rahalahy, na ny CNN aza dia vonona ny “hankalaza” miaraka amintsika amin'ny fialantsika amin'ny fomba ofisialy ao amin'ny Memorandums.
Mpisera @drinucci [11] nanondro ny CNN ho “mpanararaotra”, ho valin'ny fanehoan-kevitra nataon'ny mpisera teo aloha:
CNN ever the opportunistic douche bags! RT @Maria_Tejero [12]: Seriously? A #default [13] countdown? Come on #Greece [14] #IMF [15] #CNN [4] pic.twitter.com/1kDccpVglg [16]
— Energy Field D (@drinucci) June 30, 2015 [17]
CNN mpanararaotra! @Maria_Tajero: Marina? fanisana sisam-potoana? Aoka ry Gresy FMI CNN
Ioanna Mamai [18] nitezitra:
ΡΕ ΞΕΦΤΙΛΕΣ ΤΟΥ #CNN [4] ΑΝΤΙΣΤΡΟΦΗ ΜΕΤΡΗΣΗ ΓΙΑ ΤΗΝ ΧΡΕΟΚΟΠΙΑ ΜΑΣ? #dimopsifisma [19] #Greferendum [20] #xeftiles [21]
— Ioanna Mamai (@IoannaMamai) June 30, 2015 [22]
CNN, ZAZASARY! MANISA SISAM-POTOANA NY MAHA-BANKIROMPITRA ANAY?
Mpisera Keep Talking Greece mampitaha an'eso ny fankalazana ny taombaovao :
#CNN [4] shows #Greece [14] countdown live from Athens – Greeks prepare fireworks – Happy New Year, Vanuatu
— Keep Talking Greece (@keeptalkingGR) June 30, 2015 [23]
Mampiseho mivantana arahin-tsisampotoana avy ao Athena ny CNN – mikarakara afomanga ny Grika – Miarahaba nahatratra ny taona vaovao ry Vanuatu
Asongadin'i Vassiliki ny zavatra mifangarika ahitana ny fanahian'ny Etazonia mahatonga ny Grika hahara-baovao:
Χρεοκοπήσαμε και πλέον και επισήμως ενημερωνόμαστε από την Αμερική. #Grexit [24] #CNN [4]
— Vassiliki (@vasskal) June 30, 2015 [25]
Araka ny fanavaozam-baovaon'i Etazonia dia bankirompitra amin'ny fomba ofisialy isika.
Nasongadin'i Helena Descou ny tsy fisian'ny fanajana sy ny fahamendrehana:
Countdown for our final bankruptcy on #CNN [4]. Nobody respects the Greek people.
— Helena Descou (@Helena_513) June 30, 2015 [26]
Manisa ny fotoana sisa mankany amin'ny bankirompitra farany aoamin'ny CNN. Tsy misy olona manaja ny vahoaka grika.
Mananihany amin'ny toe-draharaha ny mpisera @to_papagalaki [27], manaporofo fa tsy very fahaiza-mampihomehy ny Grika:
Ακούω το The Final Countdown και περιμένω την χρεοκοπία! #cnn [7] #xreokopia [28] #yolo [29]
— Το Παπαγαλάκι (@to_papagalaki) June 30, 2015 [30]
Mihaino ny “The Final Countdown” ary miantry ny fotoana hahabankirompitra!
Na dia eo aza ny fanehoan-kevitra mahiratra rehetra dia toa tsy mety ihany ny fampidiran-kevitra hanisa sisam-potoana anaty vaovao amin'ny toe-javatra matotra dia matotra sy iankinan'ny ain-dehibe tahaka itony.
Saingy nahavita fahadisoana lehibe vitsy dia vitsy ny CNN raha itamberenana ny vao haingana.
Iray volana lasa izay, ohatra, dia nolazainy fa sainan'ny ISIS ny sainan'ny filahiana kilalao iray hita nandritra ny diaben'ny pelaka:
This is the best thing I've seen all weekend! A banner of dildos mistaken for an ISIS flag at a gay parade #CNN [4] pic.twitter.com/LEMBApMXGa [31]
— Daniel Hopper (@DanielH_LUFC) June 28, 2015 [32]
Ity ny zavatra tsara indrindra hitako nandritra ny faran'ny herinandro! fanevan'ny filahiana kilalao raisina diso ho sainan'ny ISIS nandritra ny diaben'ny pelaka
Andao tsy hohadinointsika ny fahalalàna ara-jeografia mampitokelaka ataon'ny fantsona, araka ny efa voamarika tao amin'ny lahatsoratry ny Global Voices Ry CNN, Ogandà anie ka tsy Tanzania [33].
Ny takarivan'ny 29 jona, mihantona ny hoavin'i Gresy. An'aliny ny Grika mivondrona hanohana ny fitsipahana [34] ny fanampiana mafaitra ataon'ny iraisampirenena taorian'ny fifandonana nifanaovana tamin'ny vahiny mpampindram-bola. Mandritra izany fotoana izany, Niteraka korontana ara-bola nanerana ny firenena [35] ny fikatonan'ireo Banky Grika raha mifampiampanga andraikitra ara-politika ireo antoko politika ao an-toerana.
Saingy hoan'ny Grika sasantsasany dia mety mitondra fankasitrahana ny hafatra ankapoben'ny CNN noho izy mitondra fampihomehezana ao anatin'ny andro sarotra.