Nametra-pialàna ny Filoha-lefitr'i Goatemala Roxana Baldetti [1] tamin'ny Zoma 8 May. Noho ny fanadihadiana maha-voarohirohy ny mpiara-miasa aminy akaiky indrindra - izay nandositra ankehitriny – noho ny tranga kolikoly goavan'ny governemanta fantatra amin'ny hoe La Linea [2] no anton'ny fialàny.
Case against La Línea & social movement it inspired represent victory fight against #impunity [3] in #Guatemala [4] @ipinst [5] http://t.co/lGjtTBd0Dm [6]
— Impunity Watch (@ImpunityWatch) May 8, 2015 [7]
Maneho ny fandresen'ny tolona amin'ny tsimatimanota ao Goatemala ny raharaha hanenjehana an'i La Linea & hetsika sosialy naterak'izany.
Notarihan'ny Vaomiera Iraisampirenena Miady amin'ny tsimatimanota (ICAI) [8]ny fanadihadiana momba ny La Linea - nantsoina toy izany [9] noho ny toa fisian’isa manokan'ireo olona mifankafantatra tsara afaka maiala amin'ny adidy fandoavana fadin-tseranana amin'ny fanafarana entana. Rafitra miady amin'ny kolikoly ao Goatemala ny ICAI izay tohanan'ny Firenena Mikambana, ary miezaka manavotra ny andrim-panjakan'ny firenena sy mandrava ilay antsoina hoe rafi-pahefana “mirazotra”.
Nanao diabe [10] ny olom-pirenena Goatemalteka vao haingana mba hitaky ny fialàn'ny mpitondra ambony ao amin'ny firenena, ary niteraka saina te hifety sy be fanantenana tao amin'ny tambajotra sosialy ny fanambaram-pialan'i Baldetti. Naharitra 23 andro [11]ny hetsika nanery ny fialany, araka ny voalazan'ny fizotran-tantara novokarin’ [11]ny tranonkalam-baovao nomada.gt.
Namarana ny tatitra momba ny fametra-pialàna tamin'ny fanamarihana toy izao ny Nomada.gt
La primavera guatemalteca llegó! una de las consignas en las calles de Guatemala. Población busca dimisión de OPM pic.twitter.com/vdkBFli4F6 [12]
— PrensaComunitaria (@PrensaComunitar) May 9, 2015 [13]
Iray amin'ireo teny faneva eny an-dalamben'i Goatemala ny “Tonga ny Lohataonan'ny Goatemalteka”. Mitaky ny fialàn'ny Filoha Otto Perez ny vahoaka.
Mazava loatra, ho an’ny ankamaroan'ny Goatemalteka, tsy ampy ny fialàn'i Baldetti. Mitaky izy ireo mba henjehina sy melohina izy sy ireo olon'ny governemanta voarohirohy tamin'ny raharaha La Linea sy amin'ny raharaha hafa.
Ary satria an-jatony ireo hanao fihetsiketsehana eny an-dalambe androany, ho mafampàna ny amin'ny herinandro ambony manoloana ny fifampiraharahana henjana ara-politika mikasika izay hisolo ny Filoha lefitra.
Mitranga izany rehetra izany satria eo am-panomanana ny fifidianana amin'ny Novambra ao anatin'ny fotoana mahatandindonin-doza ara-politika sy ara-toekarena ny Kongresin'i Goatemala - tena hoe “Kongresy ao anatin'ny Fampielezan-kevitra”.
Let the resignation of #Baldetti [14] be the start of structural changes in #Guatemala [4]
— Anna Sandoval (@AnnaSandovalG) May 9, 2015 [15]
Aoka ny fialàn'i Baldetti ho fanombohan'ny fanovana rafitra
Raha manao fandresen-dahatra miafina ao anaty efi-trano mikatona ny fampahalalam-baovao mahazatra voakolikoly sy ireo vato nasondrotry ny tany maintimolaly, dia vonona hidina an-dalambe sy hitaky ny mangarahara, fandraisana andraikitra ary fiovana marina hoan'ny rafitra ara-politika tsy mivoatra ity taranaka tanora ity.
Mampanontany zavatra maromaro ny fialàn'i Baldetti manokana : Hahavita hifaninana amin'ny fifidianana hoavy ve izay vaovao voatendry? Inona no hitranga raha miala ny filoha ankehitriny, noho ny fitakiam-bahoaka? Mety hisy fifidianana filoham-pirenena mialoha ve ao anatin'izao toe-javatra ara-politika vaovao izao? Hahavita handositra ny firenena miaraka amin'ireo fananany ve i Baldetti, handositra sazy ihany koa?
Political status quo is in flux in #Guatemala [4], and could be new precedent if #Baldetti [14] is prosecuted: @martin_guate [16] https://t.co/NP4wBlORtJ [17] — Benjamin Reeves (@bpreeves) May 8, 2015 [18]
Ao anatin'ny fiovana tanteraka ny politika ao Goatemala; ary mety ho maodely vaovao raha miakatra fitsarana i Baldetti
Pedir que solo salga #Baldetti [14] es pedir Olvido y Perdón a las élites parasitaria que se enriquece de la evasión pic.twitter.com/iY7tnCOjbB [19]
— C P R . U r b a n a (@puebloresiste) May 6, 2015 [20]
Ny fangatahana fotsiny ny fialàn'i Baldetti dia toy ny mangataka ny hanadino sy hamela ireo sangany katsentsitra vato nasondrotry ny tany nangoro-karena tamin'ny alalan'ny fandosiran-ketra
Congress will choose new VP from a list of 3 that will be prepared by Prez @ottoperezmolina [21]. — Phil Neff (Version) (@cascadiasolid) May 9, 2015 [22]
Hisafidy Filoha Lefitra vaovao avy amin'ny lisitra 3 ho atolotry ny Prez ny Kongresy
If #Guatemala [4] Congress approves VP resignation she will lose immunity for prosecution. #CasoSAT [23] #CasoLaLinea [24] #BaldettiRenuncia [25] (3/3)
— NISGUA (@NISGUA_Guate) May 9, 201 [26]
Raha mankatò ny fialàn'ny Filoha Lefitra ny Kongresy ao Goatemala; dia tafala ny tsy fahazoana misambotra azy ka hotsaraina izy
Namoaka vaovao ny tambajotra fa efa voafafa ny kaonty Twitter-n'i Roxana Baldetti:
Baldetti ya desapareció de Twitter, que no desaparezca también de Guate! #ArraigoABaldetti [27] pic.twitter.com/Rbr7ow2PHh [28]
— flaka (@flakitasamayoa) May 9, 2015 [29]
Niala tao amin'ny Twitter i Baldetti, tsy avelantsika handositra ny firenena izy
Ho mafampàna ny amin'ny volana ambony mikasika ny hoavin'ny firenena Amerikana Afovoany madinika sy ao anatin'ny korontana. Manantena ny Goatemalteka fa ny fiovana rehetra dia fiovana ho amin'ny tsara.