Hikatona [2] ny sekoly sy oniversite sasany ao Arabia Saodita rahampitso satria hamely ny firenena ny tadiom-pasika goavana. Hamely ny faritra mifanolo-bodirindrina toa an'i Bahrain, Qatar ary Koety ihany koa ny tadiom-pasika, izay mampidina ny fahitana ateraky ny fitsokan'ny fasika sy ny loto mankeny amin'ny lanitra .
Nizara sary sy lahatsary misy ny rivo-doza – fahita mahazatra ao amin'ny faritra maina sy maina ampahany tahaka izao ny mpiserasera.
Arabia Saodita:
Nizara ity sary malazan'ny renivohitra Saodiana, Kingdom Centre (Foibem-panjakana) maizin'ny vovoka ity ilay Bilaogera Saodiana, Ahmed Al Omran:
Very low visibility in Riyadh pic.twitter.com/dzziFxiwts [3]
— Ahmed Al Omran (@ahmed) April 1, 2015 [4]
Ambany dia ambany ny fahafaha-mijery ao Riyadh
Mohamed Al Saadoon, avy ao Riyadh nisioka hoe:
Riyadh looks like some shit out of Silent Hill today pic.twitter.com/LEU32HS1ID [5]
— Mohamed Al Saadoon (@burning_phoneix) April 1, 2015 [6]
Tahaka ny diky avy ao amin'ny Vohitry ny Fahanginana i Riyad androany
Koety:
Avy ao Koety, nizara lahatsarin'ny tafio-drivotra nanatona an'i Koety i Faisal Al Fadhle:
تصويري الآن #غبار_الكويت [7] #عاصفة_الكويت [8] #عاصفة_رملية [9] pic.twitter.com/lV89Gdu5U5 [10]
— فيصل الفضلي (@Faisalalfadhle) April 1, 2015 [11]
Bahrain:
Nizara ireto sary ireto tao amin'ny Twitter i Bu Isa, sary nalaina tamin'ny 9 ora alina tao an-toerana:
مجال الرؤية الساعه 21:00 بس 100 متر مجال الرؤية الساعه 21:10 بس 50 متر #عاصفة_رملية [9] #البحرين [12] pic.twitter.com/xn5iRKBrxr [13]
— بو عيسي (@amin_q2) April 1, 2015 [14]
Fara-tazamaso tamin'ny 9 ora hariva: 100 metatra
Fara-tazamaso tamin'ny 9.10 hariva: 50 metatra sisa
Qatar:
Ary namoaka ity fampitandremana manaraka ity tao amin'ny Twitter ny Minisiteran'ny Atitany Qatariana:
Most parts of the country is affected by strong dust storm. Please be extra cautious while driving and at home as well. #MoI_Qatar [15]
— Ministry of Interior (@MOI_QatarEn) April 1, 2015 [16]
Niharan'ny tadiom-bovoka mahery vaika ny ankamaroan'ny faritra ao amin'ny firenena. Azafady mitandrema tsara rehefa mitondra fiara na any an-trano koa.
Dr Almasri Ibrahim kosa nizara ity sary avy ao Doha ity:
First time of its kind … strongest dust storm ever in doha city, #doha [17] #Qatar [18] #Qatar_weather [19] pic.twitter.com/7MEe7VvBMa [20]
— Dr.Almasri Ibrahim (@AlmasriDr) April 1, 2015 [21]
Voalohany izao….tadiom-bovoka matanjaka indrindra tsy mbola nisy tao an-tanànan'i doha
Nilaza ny mponina iray ao Qatar, Michael Walker fa ity no tena ratsy indrindra tsy mbola fahitany tao anatin'ny folo taona :
Worst dust storm I have seen in Qatar in nearly a decade
— Michael J Walker (@mikeymikedoha) April 1, 2015 [22]
Tadiom-bovoka mahery vaika indrindra tsy mbola fahitako tao Qatar tao anatin'ny folo taona