Tantara tamin'ny 07 Avrily 2015
Miatoa Kely Ange Ijerentsika ny Hafaliana ao Iran amin'izao Fotoana izao
Alohan'ny irotsahana ao amin'ny fifanarahana ara-nokleary manantantara vitan'i Iran sy ireo hery goavana manerantany enina, dia migoka ao anatin'ny hafaliana aterany ao amin'ny vahoaka Iraniana ny tonia amin'ny fiteny Persiana ato amin'ny Global Voices antsoina hoe Mahsa Alimardani.
Ankizy Aostraliana Mianatra Teny Warumungu Miaraka Amin'ny Cockatoo Radio
Ny cockatoo fotsy antsoina hoe Pinangkarl dia mpilalao fototra amin'ny fandaharana amin'ny onjam-peo sy ny fandraisam-peo "Pinarra Aku" izay mampianatra ireo ankizy Aostraliana ny teny Abôrizinalina Warumungu.
Rivo-bovoka Namely An'i Arabia Saodita sy ny Faritra Madinika Manodidina
Hikatona avokoa ny sekoly sy oniversite sasany ao Arabia Saodita satria hamely ny fanjakana ny rivo-pasika goavana.
Iza No Tsara Harahina Ao Amin'ny Twitter Hanao Tatitra Mivaingana Amin'ny #IranTalks
Satria mbola nitohy taorian'ny fe-potoana farany 31 Martsa ao Soisa ny fifampiraharahana teo amin'i Iran sy ny P5+1 mikasika ny fandaharan'asa noklearin'ny firenena (Iran), mbola mitohy ny fitateram-baovao.
Mihoatra Lavitra Noho Ny Resaka Antontanisa Ireo Olona 147 Maty Nandritry Ny Fanafihana Tao Garissa
Nanomboka nampiasa ny tenifototra #147notjustanumber ireo mpampiasa Twitter mba hankalazàna ny fahatsiarovana ireo izay namoy ny ainy tamin'ny fanafihana nitam-piadiana nataon'ny milisy tao amin'ny Anjerimanontolon'i Garissa.
Bahanan'i Tiorkia Ny Twitter, YouTube, Tranonkala Marobe Taorian'ny Famonoana Mpampanoa Lalàna
Taorian'ny nanombohan'ny fivezivezen'ireo sarin'ilay mpampanoa lalàna, Mehmet Selim Kiraz, voahambana basy eo amin'ny lohany, tao amin'ny Twitter, an-jatony ireo tranonkalam-baovao sy tambajotra sosialy no nobahanana.