- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sazy An-tranomaizina 15 Taona No Azon'ilay Saodiana Mpisolovava Waleed Abulkhair

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Lalàna, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Nahazo sazy 15 taona an-tranomaizina i Waleed Abulkhair [1], mpiaro ny zon'olombelona Saodiana malaza androany. Voampanga araka ny lalàna vaovao miady amin'ny fampihorohoroana napetraka tao anatin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy izy noho ny “fanevatevana ny lamina ankapobeny” sy “mandrehitra hevi-bahoaka”.

Nitranga izany na dia teo aza ny tabataban’ [2]ny Fikambanana tsy miankina manerantany tao anatin'ny roa volana latsaka taorian'ny sazy nahazo ny zaodahiny Raif Badawi [3] tranomaizina 10 taona sy kapoka karavasy 1000 [4] noho ny fananganana habaka.

Fantatra manerana ny media sosialy i Abulkhair, lehiben'ny fikambanana “Mpanaramaso ny zon'olombelona ao Arabia Saodita” ary manana mpanaraka maherin'ny 76k ao amin'ny kaonty Twitter-ny @WaleedAbulkhair. Taorian'ny didim-pitsarana, nisioka nilaza momba azy ny kaontiny:

Navoaka androany maraina ny didim-pitsarana farany an'i #WaleedAbuAlkhair [5] 

Nahazo sazy an-tranomaizina 15 taona sy fandraràna tsy hiteny faritany mandritra ny 15 taona ihany koa ary onitra 200 arivo riyals izy. Hisy fanambarana hivoaka androany alina

“Mitsipaka ity didim-pitsarana ity aho, hanao fitsarana marina eo amintsika Andriamanitra, ny tantara ary ny olona”  hamaly amin'ny fotoam-pitsarana farany i #WaleedAbuAlkhair [5].

Bilaogera Ahmed Al-omran nisioka nanazava ireo fiampangana :

Voampanga araka ny lalàna vaovao miady amin'ny fampihorohorona ilay mpikaroka @WaleedAbulkhair [9] noho ny fiampangana azy ho “nanevateva ny lamina ankapobeny ” sy “nandrehitra hevi-bahoaka”.

Tany am-ponja hatramin'ny 16 Aprily, nilaza ireo mpikatroka fa manatsimbadika tanteraka ny telo volana an-tranomazina teo aloha ny sazy an-tranomaizina vaovao 15 taona. Mpikaroka eny amin'ny onversite Dr Madawi Alrasheed nisioka tamin'ireo mpanjoky azy 181k, miampanga ny didim-pitsarana:

Fitsipika inona no manova ny didim-pitsarana 3 volana an-tranomaizina ho lasa 15 taona?

Mpisera Twitter Bander Qedeer (@ freetizen) nisioka tamina diezy mavitrika # وليد _ أبوالخير [ar], izay midika hoe Waleed Abulkhair, hoy izy :

Hahazo toeram-boninahitra, soso-kevitra ary avotsotra ireo extremista ara-potokevitra izay mandray fitaovam-piadiana ary mandeha miady, raha toa ka hahazo sazy an-tranomaizina maharitra kosa ireo manoratra sy mitsikera … manome safidy mafy hoan'ny olona ianareo

Tsy hampakatra any amin'ny fitsarana ambony i Abulkhair, mpanoratra gazetin'ny CNN, Mohammed Jamjoom nisioka tamin'ireo mpanjohy azy 18.6K:

Nilaza i Samar Badawi, vadin'i @WaleedAbulkhair [9] fa “tsy rariny ny didim-pitsarana. Notsaraina sy nogadraina noho ny asany amin'ny maha-mpikatroka ny zon'olombelona azy fotsiny i Waleed #Saudi [14]

Nilaza tamiko i Samar Badawi, vadin'i @WaleedAbulkhair [9] fa tsy mankatò ny maha-ara-dalàna ny fitsarana Saodita niampanga azy izy

Nilaza tamiko i Samar Badawi, vadin'i @WaleedAbulkhair [9] fa sady tsy manaiky no tsy hampakatra ny fitsarana #Saodiana [14]androany i WaleedAbulkhair

Ao anatin'ny fanenjehana tsy an-kiato ataon'i Arabia Saodita amin'ireo mpikatroka ny zon'olombelona [18] izay mitohy hatramin'ny fiandohan'ny taona ity raharaha vaovao ity.