Tantara tamin'ny 12 Jolay 2014
Ny Tsenam-barotry Ny Fifandraisan-davitra: Novain'ny Fitambaran'ny SFR-Numericable?
[...] Efa an-taonany vitsivitsy izao no misy fanavaozan-drafitra ara-teknika eo amin'ny tsenam-barotra noho ny finiavana misongan'ireo mpandraharaha hanamafy ny fisiany na eo amin'ny tsenam-barotry ny antso an-tariby, na ny finday. Noho izany fomba fijery izany indrindra no hitambaran'ny SFR sy ny Numericable, mba hamaliana ireo hetahetan'ny mpanjifa eo amin'ny lafiny sandany sy hamoràny.[...]
Lisitr'ireo Vakiteny Fahavaratra Avy Amin'ireo Mpikambana Global Voices Teny Frantsay
Mila vakiteny amin'izao fahavaratra izao? Indreto lisitry ny boky avy amin'ireo mpanoratra mpiteny frantsay ny ankamaroany izay atolotr'ireo mpikambana ato amin'ny GV.
Raha Shinoa Mpanakanto Te-hanao Fampisehoana Any Ivelany Ianao, Ho Ambony Ambany Ny Fiainanao
Ataon'i Shina lasibatra ny fampisehoana karakarain'ireo vondrona mpanakanto avy ao aminy mandeha any amin'ny firenena ivelany. Ataony amin'ny anaran'ny politikam-pitsitsiana.
Sazy An-tranomaizina 15 Taona No Azon'ilay Saodiana Mpisolovava Waleed Abulkhair
Nahazo sazy 15 taona an-tranomaizina ilay mpiaro ny Zon'olombelona malaza, Waleed Abulkhair androany, izay tafiditra ao anatin'ny famoretana mitohy ataon'i Arabia Saodita amin'ireo mpikatroka ny zon'olombelona.
Sary Nalaina Mampiseho An'ireo Israeliana Mijery Ny Fandarohana Baomba An'i Gaza
Tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity, nanatontosa "Bemidina fampandrian-tany" goavana tao Gaza i Israely, ka Palestiniana maherin'ny 80 no namoy ny ainy hatramin'ny androany, izay ankizy amam-behivavy no maro.
Arzantiniana Mpilalao Baolina Ezequiel Lavezzi Mahazo Mpanjohy Vehivavy
Miteraka firehetam-po, fihaonana, fanantenana, finamanana ary fivoriana eo amin'ny namana sy ny fianakaviana ny Mondialy. Na dia izany aza, hoan'ireo olona tsy dia zatra amin'ny endrika teknikan'ny fanatanjahantena, miteraka fihetseham-po ihany koa ny Mondialy.