- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

#FreeCiaxon: Navotsotra Ilay Nizeriana Mpisera Twitter Notanana Vonjimaika

Sokajy: Afrika Mainty, Nizeria, Fisamborana sy faneriterena, Mediam-bahoaka, Solovava, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
Yusuf Siyaka Onimisi (waving) with Lawal Haruna (@lawalharuna) shortly after his release. Photo from  @lawalharuna. [1]

Yusuf Siyaka Onimisi (mananga-tanana) miaraka amin'i Lawal Haruna (@lawalharuna) fotoana fohy taorian'ny famotsorana azy. Sary avy amin'ny @lawalharuna.

Navotsotra ilay injeniera misioka amin'ny anarana hoe @ciaxon [2] izay voalaza fa notanana nandritra ny roa herinandro teo noho ny sioka mivantana nalefany momba ilay fifampitifirana nahafatesana olona teo amin'ireo mpampihorohoro Boko Haram sy ny mpitandro ny filaminana.

Nanjavona i Yusuf Siyaka Onimisi fotoana fohy taorian'ireo andian-tsary nalefany sy tatitra milaza izay hitan'ny masony tamin'ny 30 Marsa 2014 mikasika ny fikasana hilefa [3]nataon'ireo mpikambana marobe avy ao amin'ny fikambanan'ny djihadista mpampihorohoro miorina ao Avaratr'i Nizeria izay gadra ao amin'ny Departemantam-panjakana (DDS) izay namoizan'ain'olona 20.

Nifandray mivantana tamin'ny fianakavian'i Siyaka i Sogunro (@ayosogunro [4]), izay niaraka tamin'i Fola Lawal (@SheCrownLita [5]), hoy izy tamin'ny 12 Aprily:

Vaovao farany: Naharay antso an-tariby aho fa navotsotry ny governermanta tamin'ny sasak'alina teo i Ciaxon. Eo am-panamarinana izany vaovao izany izahay

Nilaza ihany koa i Sogunro fa tokony mbola hanome fanazavana hoan'ny Nizeriana mikasika ny nanjavonan'i Siyaka ireo manampahefana, satria nitohy ny hetsika fitakiana famotsorana an'i Siyaka ao Alausa, faritra ao Lagos misy ny lapam-panjakana:

Vaovao farany: Navotsotra i Ciaxon. Nahomby ny hetsika #FreeCiaxon. Saingy tsy ho afa-maina amin'izany ny governemanta Nizeriana. Mbola mitohy foana ny ao Alausa.

Nanolotra fisaorana an'i @lammyng [9], voalohany nandefa ny vaovao tao amin'ny media sosialy i Fola:

Misaotra indrindra an'i @lammyng tamin'ny vaovao voalohany nalefany tao amin'ny media sosialy. Misaotra mihaino izay mitranga ivelan'izao tontolo izao #FreeCiaxon

Nisioka ity sarin'i Siyaka ity taorian'ny famotsorana azy i Lawal Haruna (@lawalharuna [11])

Nisioka lahatsary fohy [12] manamafy ny famotsorana an'i Siyaka i Gbenga Sesan

Mpisera Twitter @Idris_Giroman nanazava ny antony mbola nitohizan'ny hetsika : 

Taorian'ny famotsorana an'i @ciaxon, [2] tokony hanome fanazavana mikasika ny fakàna azy an-keriny ny DSS.

Babatunde Rosanwo nisisika nilaza hoe: 

Tsy anjarako no milaza raha diso i @ciaxon, saingy fantatro fa tsy nanara-dalàna ireo naka azy an-keriny. Izany no tena olana. #FreeCiaxon

@BabajideFadoju nitatitra momba ny hetsika: 

Mitohy ny fihetsiketsehana

Toa niteraka fitohanan'ny fiara ny fihetsiketsehana tao amin'ny faritra sasany ao Lagos, nanazava i OgheneSanmi :

Fitohanan'ny fiara ao amin'ny araben'ny CMD mankany amin'ny biraon'ny SSS. Mijanona 100 metatra sy manodidina ny toerana ireo polisy mitam-piadiana. Fihetsiketsehana #freeciaxon

Seyi Martins-Ogunye nanamafy hoe: 

Nosakanan'ny SSS tao amin'ny araben'ny CMD izahay. Tsy navelan'izy ireo handroso eo akaikin'ny biraony. Tsy avelanay anefa izany hitranga. #FreeCiaxon #Lagos

Nisy ihany koa ny hetsika #FreeCiaxon nokarakaraina tao Ibadan, 120 kilaometatra avy ao Lagos :

Manao hetsika #FreeCiaxon ihany koa i Ibadan…atsaharo ity fanitsakitsahana ny zon'Olombelona ity

Nanazava izay tokony azo notsoahana tamin'ny fisamborana sy ny famotsorana an'i Siyaka i @Chxta: 

Zavatra iray notsoahana tamin'ny tranga @ciaxon ny tokony handinihana ny fisamborana tsy amin'ny antony ato amin'ny firenentsika

Nankasitraka an'i Siyaka noho izy nizaka ny mafy tamin'ny fiarovana ny fahalalaham-pitenena i Charles Akah :

Mankasitraka an'i @ciaxon noho ny herim-pony amin'ny fampahafantarana antsika ny zava-misy sy ny nizakàny ny vokatr'izany. #FreeCiaxon