Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

17 Avrily 2014

Tantara tamin'ny 17 Avrily 2014

Miara-miasa Amin'ny Fikambanana Melton Ny Global Voices Amin'ny Andian'ny Fampianarana Manaraka

Ao anatin'ny efa-bolana manaraka, mpianatra enina nahazo vatsy avy amin'ny Melton avy ao Shily, India sy Shina no homena fiofanana amin'ny Aterineto mikasika ny fikarohana sy fanoratana ato amin'ny Global Voices.

#FreeCiaxon: Navotsotra Ilay Nizeriana Mpisera Twitter Notanana Vonjimaika

GV Mpisolovava

Nosamborina ary notanana i Yusuf Siyaka Onimisi fotoana fohy taorian'ireo andian-tsary nalefany sy tatitra milaza izay hitan'ny masony mikasika ny fikasan'ireo Boko Haram ao Avaratry Nizeria hilefa.

SARIPIKA: Fametrahana Afisy Goavambe Ao Pakistana Lasibatry Ny Drôna Amerikana

Ny hanomezana endrika maha-olombelona hoan'ireo sivily lasibatra tamin'ny daroka drôna Amerikana no tanjon'ity fisantaran'andraikitra ity

Ny Tambohoben'i Berlin Ho Anay Ao Siria

"Siriana Mpianatra Mikatsaka Hoavy Mendrika Kokoa" dia bilaogy tantanan'ireo Siriana nahazo vatsim-pianarana, izay mizara ny alahelony ny tany niaviany, ny fanantenany, ny fisalasalàny, ny ahiahiny, ny fahatokiany ary ny fanirian-dry zareo hisian'ny Siria mendrika kokoa.

Nampihomehy Ny Masedoniana ny Fitavozavozan'ny Filohany Taminà Resadresaka

Nahatonga adihevitra be teo amin'ireo mpisera amin'ny haino aman-jery sosialy Masedoniana ireo andianà fitavozavozan'ny Filoha Gjorge Ivanov taminà resadresaka tamin'ny fahitalavitra nefa efa miha-antomotra ny fifidianana filoham-pirenena.