- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fitaovana Hoan'ny Lahatsary Fikatrohana : Witness

Sokajy: Fitaovana, Mediam-bahoaka, Rising Voices

Ny Witness [1] dia vondrona manome lanja ny fampiasana lahatsary sy fitantarana hoan'ireo mpikatroka amin'ny fampitam-baovao an'olo-tsotra mba hizarana vaovao fanitsakitsahana ny zon'Olombelona.

Tamin'ny 28 Marsa, nanatontosa ny #GVFace [2]niaraka tamin'i Matisse Bustos Hawkes [3] avy ao amin'ny Witness izahay mba hiresaka toro-hevitra mikasika ny fampiasana lahatsary hoentina hanaovana fisoloambava. Indreto sasany amin'ireo toro-hevitr'izy ireo [4]sy fitaovana (toolkits) [5] hoan'ireo mpikatroky ny lahatsary:

> Fitaovana famoronan-dahatsary hoan'ny fanovana [5], anisan'izany izay tokony hodinihana alohan'ny hanombohanao sy ny fomba famolavolàna drafitrasa. Fitaovana mamaly asa natokana hanampiana ireo mpikatroka hamolavola drafitra ara-tetikady amin'ny fampiasana lahatsary amin'ny hetsika ataon'izy ireo.

ALOHAN'NY FOTOANA

> Andian-dahatsary: fampahafantarana fohy mikasika ny lahatsary ho fisoloambava [6]

> Anontanio aminao ireto fanontaniana 10 ireto alohan'ny hanombohanao ny fakàna sarimihetsika [7]

MANDRITRA NY FOTOANA

> Mangalà sarimihetsika amin'ny findainao [8]

> Andian-dahatsary: Ahoana no fomba fangalàna sarimihetsika mandritra ny fihetsiketsehana [9]

> Toro-hevitra hoan'ireo mpikatroka: Toro-hevitra 10 lehibe voalohany hitarihana tafatafa [10]

> Lisitra misy ireo fampiharana tsara indrindra amin'ny fangalàna sarimihetsika mikasika ny fanitsakitsahana ny zon'Olombelona [11]

> Andian-dahatsary: torohevitra sy teknika hahazoana vokatra tsara kokoa amin'ny fakana sarimihetsika [12]

AORIANA

> Fijerena akaiky ny fiarovana ireo findainao [13]

> Tetikady mahomby hoentina hizarana ireo votoaty [14]

> Ahoana ny fomba fandefasana lahatsary amin'ny alalan'ny findainao [15]

> Zon'ny mpamorona Creative Commons 101 [16] sy Copyright 101 [17]

Jereo IHANY KOA ny bokikely Fanamarinana [18]maimai-poana ao amin'ny aterineto

Azo jerena amin'ny teny hafa: [19]Arabo, Swahili ary koa (tsy ho ela) Espaniola ny maro amin'ireo fitaovana ireo.