Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

02 Avrily 2014

Tantara tamin'ny 02 Avrily 2014

Hetsika “Click Rights” Hoan'ny Zo Nomerika Ao Afovoany Atsinanana Sy Afrika Avaratra

Ny fanentanana vaovao « Click Rights » dia mikendry ny hanaitra sy hampafantatra bebe kokoa ireo zo nomerika amin'ny olom-pirenena, mba hahafahan'izy ireo hanao fanerena ny governemanta sy ny sehatra tsy miankinaho fanajana ireo zo ireo.

Molhem Barakat: Tanora Mahery Fo Lavo Tao Siria

Araka ny vaovao dia nisy namono i Molhem Barakat, mpaka sary tsy miankina niasa ho an'ny Reuters, raha toa ka nitatitra ny ady nisy teo amin'ny fanjakan'i Bashar Al-Assad sy ireo mpikomy tany amin'ny Trano Fitsaboana Al-Kindi ao Aleppo. 18 taona monja izy.

Fitaovana Hoan'ny Lahatsary Fikatrohana : Witness

Mampiasa lahatsary hahatanterahana hetsika ve ianao? Manao fitantarana na maka sarimihetsika fanentanana na hetsika amin'ny kamerà ve ianao ? Nanantotosa ny #GVFace izahay tamin'ny 28 Marsa izay niaraha tamin'ny Witness ary niresahana momba ireo torohevitra amin'ny fomba fampiasana lahatsary hoan'ny fiarovana. Indreto sasany tamin'ireo torohevitra sy fitaovana.

Taorian'ny Iray Maty, Matahotra Ny Mety Hanjò Ireo Nalaina An-keriny Efatra Ambiny Ny Iraniana

Nalain'ireo mpikomy ao akaikin'ny sisitanin'i Iran-Pakistan ireo miaramila dimy tamin'ny volana Febroary ary fantatra fa namoy ny ainy ny iray tamin'izy ireo, Jamshid Danaeifard. #FreeIranianSoldiers (Avotsory ireo Miaramila Iraniana) hoy ny Iraniana tao amin'ny Twitter.

Mitantara Ny Fiainany Ao Amin'ny Twitter Ny Vehivavy Kyrgyz Iray Nalaina An-keriny Ho Vadiana

Vehivavy iray no nalaina an-keriny vao tsy ela akory izay tao Bishkek. Rehefa navotan'ny polisy tany amin'ireo mpaka an-keriny ity vehivevy ity dia nitantara ny "nofy ratsiny" tao amin'ny Twitter.

Solombavam-bahoaka Tajik Manohitra Ny Fifanambadian'ny Mpianadahy Tsy Omby Kibo

Liana amin'ny fanovàna ny lalàna mifehy ny fanambadiana i Saodat Amirshoeva, solom-bavam-bahoaka vehivavy any Tajikistan. Miteny ny Parlemanta izy amin'izao fotoana izao mba hanao lalàna mandràra ny fifanambadian'ny mpianadahy tsy mby kibo.