- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mbola Tsy Nisoratra Anarana? Ampidiro Ny Bilaoginao Amin'ilay Fifaninanana BilaogyTsara Indrindra (Bobs)

Sokajy: Lanonana, Mediam-bahoaka, Rising Voices

Misokatra indray hoan'ireo bilaogera manoratra amin'ny teny efatrambinifolo sy sokajy marobe ny fifaninanana fanao isan-taona karakarain'ny Deutsche Welle [1]. Ny fifaninanana – Best of Online Activism (Fikatrohana Antserasera Tsara Indrindra) [2] – dia mikendry hampiroborobo ny fahalalaham-pitenena sy ny fanajana ny zon'Olombelona ato amin'ny Aterineto sy manerana izao tontolo izao. Amin'ny Forum Manerantany momba ny Media (Deutsche Welle Global Media Forum) [3] amin'ny volana Jiona no hanolorana ny loka hoan'izay mpandresy .

Fara-fisoratana anarana:  5 Marsa 2014

Aiza no misoratra anarana: ao amin'ny pejim-baovaon'izy ireo. [4] Fanampim-baovao momba ny fitsipika ATO [5]

Sokajy:

Misy ihany koa ny sokajin-teny Manokana mitady habaka mendrika indrindra amin'iray amin'ireo teny 14 azo ampiasaina (jereo eto ambany). Hoy izy ireo: «Omena lanja manokana ireo habaka izay mitarika adihevitra sy manome fanadihadiana avo kalitao ary fanehoan-kevitra mikasika ny zava-misy ankehitriny. Tsy misy fetra ireo karazana habaka azo ekena amin'ny sokajin-teny manokana.». Mety ahitana bilaogy, habaka, bilaogy madinika, lahatsary ary fandraketam-peo (podcast) ny votoaty avoaka amin'izany.

Teny ekena:

Arabo

Bengali

Shinoa

Anglisy

Frantsay

Alemaina

Hindi

Indoneziana

Persiana

Portiogey

Rosiana

Espaniola

Tiorka

Okrainiana

 

MAHAVITÀ SOA!