- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sary “Photoshop”n'ilay Mpikorisa An-dranomandry Koreana Atsimo Yuna Kim Voalaza Fa Nangalarana Medaily Volamenan'i Sochi

Sokajy: Azia Atsinanana, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Korea Atsimo, Rosia, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Lalao Olaimpika

Tamin'ny lahatsoratra hafatra, fanehoan-kevitra tsy finoana sy ompa mivantana, nipoaka ny fahatezerana [1] teo amin'ireo mpiserasera izay tsy voafetra tamin'ny Koreana Atsimo ihany raha nandrombaka medaily volamena [2]ilay Rosiana malaza mpikorisa an-dranomandry Adelina Sotnikova manoloana ilay mpifanandrina aminy Koreana Atsimo manana ny lazany ihany koa Yuna Kimi [3] tamin'ny fifaninana malalaka fikorisàna an-dranomandry hoan'ny vehivavy tao Sotchi.

Vantany vao navoaka ny valiny, maro ireo nanontany ny fanolorana saro-boninahitra hoan'i  Sotnikova, nilaza mihitsy aza ny manampahefana fa misy hosoka ny fifaninanana [4]. Nanomboka nipoitra ny vaovao voalohany momba ireo andiam-mpitsara [5]tamin'ny fifaninanana fikorisàna an-dranomandry malalaka hoan'ny vehivavy, izay nahitana mpitsara efatra avy ao Eoropa Atsinanana ( Rosia, Okraina, Estonia, Slovakia). Malaza fa vadin'ny [6]tale jeneraly sy filohan'ny Federasion'ny Kanto Fikorisana An-dranomandry ao Rosia teo aloha ilay mpitsara Rosiana ary manana raharaha mahamenatra teo aloha kosa ilay mpitsara Okraniana izay nahazo fampiatoana herintaona [7] noho ny fifampiraharahana fanakalozam-bato.

Ho an'ny maro tao amin'ny aterineto, toa toy ny raharaha fangalarana volamena mba hahavoa an'ilay mpanjakan'ny fikorisana an-dranomandry ankafizin'i Korea Atsimo izy ity. Nandray fepetra lavidavitra kosa ny mpiserasera sasany: fanangonan-tsonia antserasera [8] mitaky ny fijerena indray ny naoty. Sonia 1,9 tapitrisa no voahangona tao anatin'ny roa andro latsaka. Ny sasany kosa naneho ny hatezerany am-pamazivaziana, ka mampiseho sary mamazivazy ny fianjeran'ilay mpilalao Rosiana [9] amin'ny alalan'ny sariny natao photoshop amin'ny endrika isan-karazany.
 

Eritrereto fa nahita azy tamin'ny fifaninanana dihy B-boy hoan'ny lehilahy izy.

[ Fangatahana fanitsiana diso] Nahare aho fa mpandihy an'ny Exo [tarika lehilahy K-pop ] ilay vehivavy, azafady fafao ny lahatsoratra diso nosoratanao.

Maro ireo vazivazy hita mikasika izay mety ho valifaty amin'ny Lalao Olaimpika 2018, izay hampiantranoin'ny tanànan'i Koreana Atsimo ao Pyeongchang [14]:

Maro be ihany koa ireo sioka mahatsikaiky mikasika ity voka-dalao ity. Hoy ny hafa, “Andraso mandra-pahatonga ny Lalao Olaimpika hampiantranonay ao Pyeongchang. Asehonay aminareo ilay [ mpikorisa an-dranomandry haingam-pandeha malaza [16]ao Korea Atsimo] Lee Sang- hwa izay nahazo meday volamena tamin'ny fifaninana kanto fikorisana an-dranomandry”.Hoy kosa ny sasany nisioka, ” Fangalarana? MANANA fika Vitsivitsy izahay amin'izany. Tsy iza izany fa ny Sampam-pitsikilovam-pirenena sy ireo mpampanoa lalàna ao aminay izay hitsara ny Lalao Olaimpika ao Pyeongchang ” [ Milaza momba ny olana nateraky ny fitsabahan'ny sampam-pitsikilovana tamin'ny fifidianana filoham-pirenena [17]]

Nilaza izy ireo fa santatra ambavarano amin'ny Olaimpika ho atao ao Pyeongchang izany. [Mampiseho mpilalao fikorisana an-dranomandry nentim-paharazana ilay sary natao photoshop] tpt.tpt   

Ny tena tompon-daka amin'ny lalao fikorisana an-dranomandry hoan'ny vehivavy amin'ny Lalao Olaimpika dia … izy .