- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fihetsiketsehana Manohitra Fandaharana Iray Amin'ny Fahitalavitra Ao Iran

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fanoherana, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina
Sarzamine Kohan

Sarzamine Kohan

Tamin'ity herinandro ity dia nisehoana fihetsiketsehana manohitra ilay tantara mitohy amin'ny fahitalavitra mitondra ny lohateny hoe Sarzamine Kohan (Tany Taloha) tao amin'ireo tanàna marobe Iraniana, ka anisan'izany i Dezful [1] sy Ahvaz [2] ao amin'ny faritany manankarena solitany Khuzestan. Nilaza ireo mpanao fihetsiketsehana fa manimbazimba ny foko Bakhtiars [3] sy ny andraikitr'ireo mpitarika mandritra ny Revolision'ny Lalàmpanorenana ao [4]Iran ilay fandaharana .

Amin'ny resadresaka amin'ilay tantara mitohy ohatra,  lazaina [5] fa “manompo ny Anglisy” ny Bakhtiars, izay midika fa mpamadika izy ireo. Mpikambana enim-polo ao amin'ny antenimiera no nanoratra [5]taratasy fanoherana amin'ity fahitalavi-panjakana Iraniana ity, izay mitaraina mikasika ilay fandaharana.

Nandray anjara mavitrika tamin'ny tantaran'i Iran ireo Bakhtiars, izay monina indrindra ao Chahar Mahaal sy Bakhtiari ary faritra sasany ao amin'ny faritanin'i Khuzestan,  Lorestan ary Isfahan.

Fihetsiketsehana ao Dezful

Nizara horonantsarimihetsika maromaro tamin'ny fihetsiketsehana tao Dezful tamin'ny 14 Zoma 2014 ny Iraky Ny Fahafahana.

Maro ireo mpiserasera no nisioka momba ity tantara mitohy mampifanditra ity.

Tevis nisioka hoe [6]

Androany ry zareo mandrava ny Bakhtiars, vondrom-poko hafa indray no hosimban'izy ireo rahampitso.

The_Sina nisioka hoe [9]

Ity ny sary tamin'ny fihetsiketsehana tao Masjed Soleiman tamin'ny Zoma 15 Febroary. Raha manao fihetsiketsehana ianao, ataovy amin'ny fomba tsara, tsy misy herisetra.

Mehdi Mohseni nisioka teo aloha hoe:

Nilalao mozika Bakhtiari imbetsaka ny fantsona fahatelo ao Iran (ilay mandefa tantara mitohy mampifanditra) androany. Angamba mba hampitoniana ny toe-draharaha amin'izao fotoana.

ilay fandaharana