- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hetsipanoherana Goavana Manohitra Ny Volavolan-dalàna Famotsoran-keloka Ao Thailand

Sokajy: Azia Atsinanana, Thailandy, Fanoherana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika
From the Facebook page of medical students at Chulalongkorn University [1]

Avy amin'ny pejy Facebook an'ny mpianatra ho mpitsabo ao amin'ny Anjerimanontolon'ny Chulalongkorn

Marobe ireo vondrona sy olon-tsotra ao Thailand no nidina an-dalambe naneho fanoherana an'ilay Volavolan-dalàna Famotsoran-keloka miteraka resabe. Andro vitsivitsy taorian'ny nandanian'ny [2] parlemanta ilay volavolan-dalàna tamin'ny 1 Novambra lasa teo, an'aliny ireo nanatevina laharana ilay hetsi-panoherana tao Bangkok mba haneho ny tsy fankatoavany ilay fepetra izay mety ho famotsoran-keloka faobe ho an'ireo politisiana sy mpitondra nanao hadisoana ara-politika hatramin'ny 2006.

Nitranga ny fanoherana ilay volavolan-dalàna taorian'ny nitaterana hoe mety hanome tombony an'ireo politisiana mpanao kolikoly sy mpanitsakitsaka zon'olombelona ny fanitsiana natao taminy. Indrindra indrindra fa ny antoko mpanohitra niteny hoe io volavolan-dalàna io dia ‘hamafa tanteraka’ ny heloka bevava nataon'i Thaksin Shinawatra, Praiminisitra teo aloha izay nandositra ny fireneny rehefa nohamafisin'ny fitsarana iray tao an-toerana fa meloka taminà fandrobàna.

Voaisotra taminà fanonganam-panjakana tamin'ny 2006 i Thaksin. Ny anabavy keliny, Yingluck Shinawatra, no praiminisitr'i Thailand amin'izao fotoana izao. Araka ny filazan'ireo mpanakiana an'i Thaksin, hanome fahafahana hiverina ao an-tanindrazany an'ilay mpitondra teo aloha io volavolan-dalàna io ary haka indray ireo hareny nogiazan'ny governemanta.

Etsy ankilan'ireo antoko politika, andrimpanjakana isankarazany ihany koa no nanohitra ilay fepetra. Nisy ny fikarakarana hetsi-panoherana ho an'ny sekoly sy ireo toeram-pitsaboana tamin'ny roa andro farany. Ny tena voamarika, an'arivony ireo mpampianatra tao amin'ny Anjerimanontolon'i Chulalongkorn, ireo mpandraharaha, mpianatra na mpianatra fahiny tao no nitandrozotra teny an-dalambe naneho ny fandàvan-dry zareo ilay volavolan-dalàna.

Hiatrika [3] io volavolan-dalàna io ny antenimieran-doholona amin'ny herinandro hoavy.

Maneho ny tsy fitiavan'ny maro an'ilay fepetra ireo fanehoankevitra hita tao amin'ny Twitter  sy ny haben'ireo hetsi-panoherana tao Bangkok:

Sary farany tamin'ny hetsi-panoherana an'ilay famelan-keloka, tao amin'ny Tsangambaton'ny Demaokrasia #Bangkok [4] (Pic @ter_TRnews [5])pic.twitter.com/C6ENfxfkIJ [6]

— Richard Barrow (@RichardBarrow) 4 Novambra 2013 [7]

Diabe firaisankina tao Chulalongkorn hanoherana ilay volavolan-dalàna famotsoran-keloka Thai. #ptcybertalk [13] #redshirt [14] @pouyingluck [15] @thaksinlive [16] pic.twitter.com/frGaSBC528 [17]
— issara r (@issarar) 6 Novambra 2013 [18]

Deraina rehefa mendrika. Efa am-bolana maro ny Antoko Demaokraty no nanohitra hatrany ilay Volavolan-dalàna famotsoran-keloka. ( Be no tsy mahalala ) Hetsi-panoherana atao am-pilaminana hatreto.

— เอม นภพัฒน์จักษ์ (@noppatjak) 6 Novambra 2013 [19]

 

@ Nganadeeleg Ity volavolan-dalàna ity tsy tokony hanarontsarona ny zava-misy hoe mametraka an-terisetra ny fomba fijeriny ny famotsoran-keloka 4 taona ny rafitra mpanao lalàna mpanao kolikoly

— JQ Public (@JQP6) November 6, 2013 [21]

 

Anjerimanontolon'i Chulalongkorn Manohitra ilay Volavolan-dalàna Famotsoran-keloka Bangkok Thaïlande.

— S. Hirunyawanit (@Thaihundred)  5 Novambra 2013 [23]

Marobe ihany koa ireo mpampiasa Facebook [24] sy Twitter no nampakatra sary ho fanoherana ilay volavolan-dalàna famotsoran-keloka:

Manohitra ilay volavolan-dalàna famotsoran-keloka 사면법안반대. pic.twitter.com/DhTsAyy8bb [25]

— Angel deviL Anlee (@Anlee_Okcat) 6 Novambra 2013 [26]

.
Somyot Pruksakasemsuk manontany [27] hoe nahoana ireo mpanitsakitsaka ny lalàna momba ny tsy fanajàna ny mpanjaka  (mandràra ny faniratsiràna mpanjaka) no tsy voakasik'ilay volavolan-dalàna famotsoran-keloka :

Amin'ny anaran'ny fampihavanana, na ilay lalàna ihany aza dia efa fihatsaram-belatsihy mivandravandra be. Hita miharihary, tsy ho ao anatin'izy io ireo izay voahenjika sy voaheloky ny Artikla 112 [28] ao amin'ny Lalàna Famaizana heloka bevava, ny lalàna mikasika ny tsy fanajàna ny mpanjaka, na dia mivandravandra izao aza fa niharan'ny fanenjehana ara-politika koa izy ireny. Ireo mpifonja noho ny resaka tsy fanajàna ny mpanjaka dia voaheloka satria naneho ny fomba fijeriny ara-politika tao anatin'ny fotoana nampamaivay ny fifandirana ara-politika. Ny filazàna hoe natao ho an'ny ftoviana ilay volavolan-dalàna dia mifanohitra tanteraka amin'ny fotokevitry ny atao hoe fitoviana.

Mandritra izany, ny Praiminisitra Yingluck Shinawatra dia manainga ny vahoaka tsy hamadika ilay volavolan-dalàna ho resaka ‘politika’ [29] :

…marobe ireo vondrona no toa sahala amin'ny tsy vonona mihitsy hanaiky hamela heloka sady tafalentika anaty fotaky ny fahasamihafàna.

Tsy tiako ho hita ny famadihana ilay volavolan-dalàna ho lasa resaka politika hikendrana ny hanaisorana ny governemanta voafidim-bahoaka ary hamiliana làlana indray ny demaokrasia.

Anaovana dika vilana ilay volavolan-dalàna mba hisian'ny tsy fahatakarana tahaka ny resaka olan'ny hetra.

Ny tanjona fototry ny governemanta dia ny ho tonga any amin'ny fampihavanana [30]. Na eo aza ny tsy fitoviana misy, tian'ny governemanta mba hiato handinika kely ny ankolafy rehetra hahafahana mampitsahatra ny fitaran'ny fisamantsamahana tsy ho lasa lavitra.

.