Tantara tamin'ny 06 Novambra 2013
Hazakazaka Ho An'ireo Mpiasan'i Samsung Teo Aloha Marary Ao Korea Atsimo
Mijaly ny aretina avokatry ny fepetra momba ny asa ireo mpiasan'ny Samsung teo aloha, mitolona mafy eny amin'ny fitsarana izy ireo ary miandry onitra. Nisy fivoarana tsara ny raharaha vao haingana.
Niteraka Alahelo, Fahatezerana Ary Tahotra Ny Fahafatesan'ilay Lehiben'ny Talibana Pakistaney
Nitranga ny vono-olona andro mialohan'ny fandefasan'ny governemanta pakistaney ireo ekipa hanatontosa dinika ho amin'ny filaminana miaraka amin' ny antokon'i Mehsud, Tehrik-e-Taliban Pakistan (TTP)
Hetsipanoherana Goavana Manohitra Ny Volavolan-dalàna Famotsoran-keloka Ao Thailand
Nitranga ny fanoherana ilay volavolan-dalàna taorian'ny nitaterana hoe mety hanome tombony an'ireo politisiana mpanao kolikoly sy mpanitsakitsaka zon'olombelona ny fanitsiana natao taminy.
Fihaonana Miaraka Amin'ny Global Voices!
Mandritra ny volana Novambra sy Desambra, mikarakara "fihaonana" enina mivantana izahay izay tantanina sy entanin'ireo mpikambana ao amin'ny Global Voices
Niteraka Fihetsiketsehana Ny Volavolan-dalàna Famotsoran-keloka ao Thailandy
Araka ny filazan'ny tsikera, hanome famotsoran-keloka faobe ho an'ireo mpanao politika mpanao kolikoly sy mpanitsakitsaka ny zon'olombelona ny volavolan-dalànan'ny famotsoran-keloka izay mampiadihevitra.
Tsy Misy ‘Afera Rajako” Intsony Ao Jakarta
Voaràra eny an-dalambe ao Indonezia ankehitriny ilay fampisehoana mampiadi-hevitra 'topeng monyet' (rajako misaron-tava).
Diabe 700-Kilometatra Ho An'ireo Olona Nanjavona Ao Balochistan, Pakistana
Baloch an'arivony no nanjavona tao anatin'izay taom-polo izay nandritra ny ady nandravarava tao Balochistan.
Nanohina ny Aostraliana Ny Fampiasàna Mangingina Ireo Tahiry Nomerika Momba Ny Tena Manokana
Nanaitra ny tao amin'ny Twitter tao Aostralia ny fanadihadiana mikasika ny zava-misy ankehitriny In Google We Trust (Ny Google itokiantsika). Nanao fikarohana momba ny fomba fanangonana sy fampiasana ireo tahiry nomerika momba ny tsirairay ny fanadihadiana