- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miara-miasa Amin'ny InfoAmazonia ny Global Voices

Sokajy: Amerika Latina, Bolivia, Brezila, Ekoatora, Kolombia, Però, Venezoela, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Teratany, Tontolo_iainana

Efa hita amin'ny endriny sarintany ao amin'ny vohikala InfoAmazonia.org [1] ny endrika iray vaovao fanehoana ireo tantaran'ny Global Voices momba ny Ala mando Amazoniana [2]. Amin'ny alalan'io fiaraha-miasa amin'ny fanomezam-baovao io, havaozina avy amin'ny alalan'ireo tantaran'ny mediam-bahoaka farany omen'ny Global Voices momba ny Amazonia amin'ny teny Anglisy [3], Portiogey [4] sy Espaniola [5] ny sarintany manokana sy azo tetezina an'ny Info Amazonia.


Io sehatra io, izay tetikasa nataon'ny Internews [6] sy ny vohikala Breziliana misahana ny tontolo iainana O Eco [7] [pt], dia natomboka [8] tamin'ny Jona 2012 nandritra ny Fivorian'ny Firenena Mikambana mikasika ny Fivoarana Maharitra Rio+20 [9]. Izany dia mikendr [10]y ny “hanampy amin'ny fahatakarana ny fiantraikany manerantany aterak'ity faritra lehibe eto an-tany ity” amin'ny alalan'ny famoriana lahatsoratra sy rakitra momba ny fiovan'ny tontolo iainana any amin'ny ala mando Amazoniana:

InfoAmazonia logo. Follow them on Twitter for updates: @InfoAmazonia. [11]

Araho ao amin'ny Twitter ny InfoAmazonia ho an'ireo vaovao farany: @InfoAmazonia [12].

Manome vaovao ara-potoana sy tatitra momba ireo faritra tandidonin-doza any Amazonia ny InfoAmazonia. Manome ireo vaovao farany avy any amin'ireo firenena sivy ao anatin'io ala mando io ny tambajotra iray ahitana fikambanana sy mpanao gazety. Afaka sintonina maimaim-poana hatrany ny rakitra [13] nampiasaina ary havaozina matetika. Ny fampitahàna ireo tantara sy rakitra dia natao hampivoarana ny fomba fijerin'ny vahoaka ireo olana any amin'ny faritr'i Amazonia.

Iray amin'ireo faritra mirakitra zava-manan'aina marobe indrindra erak'izao tontolo izao ny faritra Amazoniana, misoroka ny fiovaovan'ny toetrandro amin'ny alalan'ny fitrohany ny CO2. Araka izay lanjany izay anefa, nizaka olana ara-tontolo iainana goavana io faritra io.

Araka ny voatatitry ny Global Voices tao amin'ny pejy fandrakofana manokana Forest Focus: Amazon [2] noforonina ho an'ny Taona Iraisam-pirenena ho an'ireo Ala [14] (2011) an'ny Firenena Mikambana :

Any amin'io faritry ny ala mando Amazoniana io, miantefa any amin'ny vahoaka manodidina ny 30 tapitrisa sy vondrom-poko 350 ny fiantraikan'ny fanjavonan'ny ala. Nefa ny ala Amazoniana, sy ireo hafa tahaka azy, dia lasa iharan'ny olana ara-sivilizasiona vetivety teo raha mitombo ny rahona ateraky ny fitomboan'ireo vahoaka eo amin'ireo toerana midadasika lehibe ireo.

Sehatra iray hanompo ny vondrom-piarahamonina

“Ampiasao ho fitaovana izahay”, niteny tamin'ny ekipan'ny Global Voices ny Mpandrindra ny Tetikasa sady Mpiara-miasa ao amin'ny Knight International Journalism [15] Gustavo Faleiros rehefa nanome soso-kevitra ny hanompo ny vondrom-piarahamonin'ny mediam-bahoaka eo amin'ny resaka sarintany sy ny fijerena ny rakitra any Amazonia:

Te-ho mpanohana anareo amin'ny sarintany sy fampisehoana fahalalana izahay.

Nanaiky io fanamby io izahay ary nanasa ny InfoAmazonia hanao sarintany [16] ho anay miaraka amin'ny fetran'ny sisintanin'i Amazonia Ara-dalàna izahay ho anà tantaran'ny [17] Global Voices nivoaka ny Jolay lasa teo momba ny faneken-dalàna tany Brezila izay nanokatra ny làlana ho an'ny fambolena fary voalohany indrindra any amin'izany faritra izany, izay ahitana ireo faritra ara-jeografikan'ny [18] ala mando Amazoniana, ny hivoka tropikalin'i Cerrado [19], ary ny faritra mandon'i Pantanal [20].

Tantara dimy hafa avy amin'ny Global Voices no efa nasiana sarintany ao amin'ny sehatry ny InfoAmazonia hatramin'ny Jona, maneho dingana iray miroso izany ho an'ny vondrom-piarahamonintsika mpanao gazety mpanangonan-drakitra avy any Amerika Latina.

Manasa ny rehetra ny InfoAmazonia handray anjara amin'ny fizarana rakitra, tantara ary fangitra ara-jeografika ao amin'ny fitaovana fanoloran-kevitra ao amin'ilay vohikala [21]. Afaka ampidirana anatin'ireo pejy hafa ihany koa ireo sarintany efa misy, nalamin'ny mpamoaka na ireo sokajy tahaka ny faritra voaaro sy tanin-janatany [22], fanjavonan'ny ala [23], solika fandrehitra & entona [24], anivon'ireo hafa, amin'ny alalan'ny fampiasana fitaovana fizaràna [25].