- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Brezila: Fikomiana Vinaingitra

Sokajy: Mediam-bahoaka

Nanjary hetsika nanohitra ny lahara-pahamehan'ny governemanta amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany 2014 atao any Brezila ilay hetsika nataonà vondron'olona [1]manohitra ny fiakaran'ny saram-dàlana amin'ny fitateram-bahoaka [1]any Sao Paulo.

Nanerana ny firenena ary nahavory olona an'hetsiny ireo hetsika izay natao hoe Fikomiana Vinaingitra, [2] noho izy ireo nampiasa lamba vontonà vinaingitramba ho fiarovana rehefa notsipazan'ny mpitandro filaminana tsy leo dohika baomba mandatsa-dranomaso tamin'ny 13 Jona 2013.

Ho fanehoana ny halehiben'ilay hetsika, dia olona maherin'ny iray tapitrisa no nidina teny an-dalamben'ireo [3] tanàn-dehibe sy tanàna madinika nanerana an'i Brezila tamin'ny 21 Jona 2013, ka maty voadonan'ny fiara tany Ribeirao Preto [4] tamin'izany ny tovolahy iray, ary am-polony ny olona naratra nandritra ny fifandonana tamin'ny mpitandro filaminana tany Brasilia [5]Rio de Janeiro [6], ary Salvador [7].

Two-thousands Brazilian protesters gather for an assembly at Belo Horizonte, State of Minas Gerais, on June 23, 2013. By Flickr user MidiaNINJA (CC BY-SA) [8]

Mpanao fihetsiketsehana Breziliana roa arivo no niara-nivory tao Belo Horizonte, Fanjakan'i Minas Gerais, tamin'ny 23 Jona 2013. Avy tamin'i MidiaNINJA (CC BY-SA) mpampiasa Flickr

Hatramin'ny tamin'ny taon-dasa dia efa maro ireo hetsika  [9]natao ho fanoherana ny fisondrotan'ny saran-dàlana sy ny fitaterana tsy mana-penitra eto amin'ny firenena, saingy ity farany ity no voarindra sy matanjaka kokoa. Nidina an-dàlambe ireo mpanao fihetsiketsehana hanehoana  [10]ny tsy fankasitrahany ireo foto-drafitr'asa nataon'ny firenena sy ireo volam-bahoaka be nolaniana nikarakarana fifaninana lalao ara-panatanjahan-tena goavana tamin'ny fiandohan'ny Fiadiana ny Amboaran'ny Konfederasiona [11], lalao mialoha ny fiadiana ny amboara eran-tany 2014 any Brezila.

Atahorana [12] [pt] ny hanodinan'ny antoko politika na ny hery ankavanana ilay fihetseham-bahoaka. Ny sasany kosa mahita fa misy endrika fitiavan-tanindrazana [13][pt] ao amin'io hetsika io nefa mitebiteby ihany koa fa hokivian'ny adilahy politika izany. Fa izao no fantatra, miangona eny an-dàlambe ny Breziliana fa tezitra amin'ny mpitondra azy ireo ary tsy matoky intsony ny rafitra politika misy ankehitriny.

Ireo lahatsoratra momba ny hetsi-panoherana

14 Aug VIDEO: Brazil’s Vinegar Revolt Captured in Independent Film ‘Vandalism’
31 July Brazil's Vinegar Revolt Renews Police Demilitarization Debate
16 July PHOTO: Bloody Protests Outside Brazilian Bus Baron Wedding
27 June Brazil: A Nation Divided Between Protests and Football
27 June SARY MARO [14] [14]Ny Polisy Nihodidina Ireo Mpanao Hetsi-panoherana Tao Rio, Ireo Mponina Niatrika Ny Baomba Mandatsa-dranomaso, Ary Ireo Bala Fingotra
22 June Brazil: Protest Posters Turned into Song
21 June PR Jingle Becomes Brazil Protest Hymn
21 June Iray No Maty Tamin'ny Fisian'Ilay Hetsi-panoherana Nanerana An'I Brazila [15]

21 June Brazilians Poke Fun at Intelligence Agency Spooks [16]
21 June Mampatanjaka Ny Aterineto Ho Sehatra Fanetseham-Bahoaka Ny Tati-Baovao-Pihetsiketsehana [17]
18 June Nothing Can Stop Brazil's Vinegar Revolt, Not Even FIFA [18]
18 June Brazil: Repression at FIFA Confederations Cup in Rio de Janeiro [19]
17 June LAHATSARY: Miely Manerana an'i Brezila Ny Hetsi-panoherana ‘Fitroarana Vinaingitra’ Mitsipaka Ny Fiakaran'ny Saran-dàlana [2]
17 June Free Bus Fare Protest Posters in Brazil [20]
14 June PHOTOS: Hundreds Arrested in Brazil's Bus Fare Protests [1]

Fanadihady ny fitavozavozan'ny firenena amin'ny fanomanana ny fiadiana ny amboara eran-tany na dia talohan'ny hetsika Fikomiana Vinaingitra aza. Nandroaka mponina sy nandrava trano, indraindray tsy misy fampilazàna mialoha, ny governemanta ao an-toerana mba hanaovana fanatsarana ny endriky ny tanàna amin'ny lalao ara-panatanjahantena.

FIFA-ireo lahatsoratra mifandraika amin'ny fandroahana

28 May Interview: Cartoonist Slams Forced Evictions in Brazil for World Cup [21]
24 May Brazil's Indigenous Fight Back Against State Development [22]
2 April  Brezila: miatrika famaky ny hazo tranainy [23]
25 March Brazil Violently Ousts Indigenous Village Ahead of World Cup [24]
10 March FIFA Beware! Journalist Teams Up with Brazil's World Cup Victims [25]
5 March Dihy Karinavaly Samba Mandritra Ny Mondialy Ao Brezila [26]
4 March VIDEO: Brazil Bulldozes Neighborhood Without Warning for World Cup [27]
1 March Fianakaviana Breziliana Very Trano Noho Ny Fiadiana Ny Ho Tompondakan'ny Baolina Kitra [28]

Ireo loharanom-baovao

Twitter

Bitsika momba ny “#changebrazil” [34]

Ireo tenifototra

#pimentavsvinagre [35] |#changebrazil [36]| #protestorj [37] |#protestosp [38] | #mudabrazil [39] | #vemprarua [40] | #protestobr [41] |  #ogiganteacordou [42]

Iangaviana ianao hifandray amin'i Sara Moreira [43] na i Thiana Biondo [44], Mpiandraikitra ny Global Voices amin'ny teny Portioge raha toa ka manana rohy na misy hevitra, na misy tianao hanampiana an'ity pejin'ny loharanom-baovao ity.