- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

An'Arivony Ireo Mpifindra Monina Kongole Tonga Any Oganda

Sokajy: Mediam-bahoaka

Maherin'ny 30 000 ireo mpifindra monina avy ao Atsinanan'i Repoblika Demokratikan'ny Kongo no mandositra ny fanafihan'ireo mpioko [1]ny tanànan'i Kamango ka niditra tao Oganda ny 13 Jolay 2013.

Voatafika ary nozanahan'ny Vondrona Separatista Silamo Ogande, ny Hery Demokratika Miombona [2] (ADF) ny tanànan'i Kamango, any Avaratry ny faritra Kivu ny 11 Jolay 2013.

Ny ADF [3] dia natsangan'ireo vondrona izay nahasapa ny tenany ho voahiliky ny governemana tamin'ny taona 1990. Nanangana ady tamin'ireo tanàn-dehibe sy ireo tanàna lavitry ny renivohitra izy ireo, isan'ireny ny famonoana mpianatra 80 ny taona 1998 tao amin'ny kolejy tao Kabarole. Nifarana tamin'ilay vela-pandrika nataon'ny governemanta ny taona 2001 ny hetsika nataon'izy ireo ary nahafatesana mpitari-tolona maro avy tao amin'ny ADF, raha toa kosa ireo mpikambana sisa tavela ka nitsoaka tany amin'ny Repoblika Demokratikan'ny Kongo, izay mbola nanohizan'izy ireo ny fanafihany madinidinika.

Stephane is a 59year-old Red Cross employee in DRC. He is a refugee in Uganda for the second time in his life. Photo courtesy of @luckycbeck.

Stephane, mpiasan'ny vokovoko mena ao RDC, 59 taona. Fanindroany izao izy no nifindra monina tao Oganda teo amin'ny fiainany. Sary nalain'i  UNHCR/@luckycbeck (nahazoana alalàna ny fampiasana azy).

Ny governemanta ao amin'ny Repoblika Demokratika ny Kongo dia milaza fa [4] miara-miasa amin'ireo mpioko avy amin'ny ADF ireo mpitolona ao amin'ny Al-Shabaab avy any Somalia.

Irina Punga (@ir33na [5]), mpitety tany mankafy ny ONU, ny fitandroana ny filaminana, ny fiarovana ireo sivily, RDC, ny filazam-baovao ary ny fomba fanapariahana ny torohay dia nizara lahatsoratra iray mikasika ny fampiasan'ireo mpiokon'ny ADF ny faritra Atsinanan'i RDC ho toy ny faritra fanaovana fanazaran-tena :

@ir33na [6]: ampiasan'ireo mpioko #Ugandan [7] #ADF [8] ny faritra Atsinanan'i #DRC [9] ho faritra fanaovana fanazaran-tena http://goo.gl/CCqcQ [10]

Mubatsi Asinja H (@Asinja [11]), mpanao gazety avy ao Oganda sady blaogera, dia naneho ny tsy fahazahoany ilay raharaha :

@Asinja [12]: Koa iza izany no iza raha toa ny miaramila ao #Uganda [13] hilaza fa tsy ny mpioko #ADF [8] no nanao ny fanafihana ny  tananan'i Kamango tany #DRC [9]?

Richard Kabonero (@richardkabonero [14]), masoivohon'i Oganda ao Rwanda, dia nampitandrina toy izao :

@richardKabonero [15]: Tokony ampahafantarintsika ny governemanta RDC sy ny fiaraha-monina iraisam-pirenena fa hisy vokany lehibe dia lehibe tokoa izay fanafihana rehetra ataon'ny ADF ny Oganda.

musoga bin kyabazing ‏(@MusogaK [16]) dia nampahatsiahy ny masoivoho fa efa “nataon'i Oganda mazava” tamin'ireo mpioko izany tamin'ny taona 1998 :

@MusogaK [17]: @richardkabonero [14] Heveriko fa efa nazava tamin'ny 1998 izany … Sady ilaintsika tokoa ve ny “manazava Izany”, tsy efa fantany ve?

NTV UGANDA (@ntvuganda [18]),Televiziona lehibe iray ao Oganda, fantatra amin'ny fanadihadiana lalina anatin'ny matoan-dahatsorany, no nitatitra hoe :

@ntvuganda [19]: Efa nisy 19000 ireo mpifindra monina voaisan'ny vokovoko mena ao Oganda, avy any Kamango & R.Lamia ao Bundibugyo nandositra ny fanafihan'ny #ADF [8]

Lucy Beck (@lucycbeck [20]) dia nizara sary mampiseho ny fijalian'ireo mpifindra monina ao Oganda :

@lucycbeck [21]: ushundi, vao erintaona, nobaben'ny reniny nandritry ny 1 andro hahatongavana any #uganda [13] taorian'ny nanafihan'ny #ADF [22] ny fonenany http://yfrog.com/ocdilpxj [23]

Hoy ihany izy (@lucycbeck [20]) :

@lucycbeck [24]: Efa 3 000 ny isan'ireo olona ao amin'ny tobim-pandraisanay any #bundibugyo + ireo tonga isaky ny atsasakadiny. Fotoana hinanan'izy ireo sakafo mafana sy hangalan'izy ireo aina amin'izay #ADF [13]

MONUSCO (@monusco [25]), Fikambanana Mpampihavana ny Repoblika Demokratika ny Kongo ao amin'ny Firenena Mikambana, dia nibitsika momba ilay fifandonana farany tao Kivu :

@MONUSCO [26]: Ao Avaratr'i #Kivu [27], #MONUSCO [28] mampihemotra ny fanafihan'ny #ADF [8] ny tafika ary nanamafy fa ho raisina ho toy fiantsiana ady ny fanafihana ireo mpitandro ny filaminana.