Nisy lalàna miaro ny vehivavy amin'ny herisetra ao an-tokantrano nekena sy nahitsin'ny komitin'ny vondrona parlemantera maromaro tafaraka mba haharo ny ao amin'ny ankohonana manontolo tamin'ny 23 jolay 2013. Tonga izany ny ampitson'ny fihetsiketseha-panoherana [1] iray nitranga tao Halba, Akkar, tanàndehibe misy an'i Roula Yaacoub, vehivavy 31 taona izay nodarohan'ny vadiny mandra-pahafatiny tapabolana lasa izay. Ity hetsi-panoherana ity dia iray monja amin'ireo maro izay efa nitranga hatramin'ny 2008 nitakiana lalàna feno hiarovana ny vehivavy amin'ny herisetra ao an-tokantrano amin'ny endriny rehetra.
Haingana ny mpiserasera Libaney tamin'ny famoahany ny fisalasalàny izay nifantoka tamin'ny fanjavozavoan'ny resaka momba ny firaisan'ny mpivady an-terisetra, tsy fisian'ny miralenta, miaraka amin'ny lalàna momba ny ankizy sy ny lalànan'ny fivavahana arahina momba mifehy amboniin'io lalàna io.
Nadine Moawad [2], mpikatroka malaza momba ny fandalàna ny mahavehivavy, no iray amin'ireo nanasongadina ny tsy fahampiana ao amin'ilay lalàna:
Law to #protectwomen [3] suffered many loopholes in the past years, so we need to know which version passed first before we celebrate. #Lebanon [4]
— Nadine Moawad (@nmoawad) July 22, 2013 [5]
Maro ny fahabangana hita ao amin'ny lalàna fiarovana ny vehivavy tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, noho izany ilainay ny mahafantatra hoe iza no kinova lahara-pahamehana mialoha ny hifalianay
— Nadine Moawad (@nmoawad) 22 jolay 2013
We are looking for 4 important modifications to #protectwomen [3] law: 1) Was marital rape criminalized? MPs had deleted that article.
— Nadine Moawad (@nmoawad) July 22, 2013 [6]
Mitady fanovana lehibe efatra izahay ao anatin'ny lalàna fiarovana ny vehivavy: 1) Heloka ve ny firaisan'ny mpivady an-terisetra? Nofoanan'ny depiote io andinin-dalàna io.
— Nadine Moawad (@nmoawad) 22 jolay 2013
2) Does it have a gender focus? MPs had removed “women” from it and made it about the whole family – which defeats purpose. #protectwomen [3]
— Nadine Moawad (@nmoawad) July 22, 2013 [7]
2) Ahitana fifantohana momba ny mralenta ve ao? Nesorin'ny depiote ny “vehivavy” ao anatiny ary natao ho an'ny ankohonana manontolo ilay izy – izay nanimba ny tanjona tao anatiny. #fiarovananyvehivavy
3) Accompaniment of children? MPs had removed clause that allowed women to take children with them when needing protection. #protectwomen [3]
— Nadine Moawad (@nmoawad) July 22, 2013 [8]
3) Fitondrana ny ankizy? Nesorin'ny depiote ny fepetra mamela ny vehivavy haka ny zaza hiaraka aminy rehefa mila fiarovana ireo.
— Nadine Moawad (@nmoawad) 22 jolay 2013
4) Most important: MPs added article that allows sectarian personal status laws to overrule this law in case of dispute. #protectwomen [3]
— Nadine Moawad (@nmoawad) July 22, 2013 [9]
4) Ny tena zava-dehibe: Nampian'ny depiote andininy manome alalana ny lalàm-pivavahana isam-batan'olona ho ambonin'ity lalàna ity raha misy ny mampifandìtra.
— Nadine Moawad (@nmoawad) 22 jolay 2013
Saingy hita ihany fa dingana voalohany mankany amin'ny fanatsarana ny lalàna hiaro tanteraka ny vehivavy ao Libanona izy ity. Nanampy i Ahmad Yassine, bilaogera ao amin'ny lobnene.com [10]:
The law is good as a first step to #protectwomen [3] in #Lebanon [4], but it's NOT ENOUGH YET.
— Ahmad M. Yassine (@Lobnene_Blog) July 22, 2013 [11]
Tsara ilay lalàna raha raisina ho dingana voalohany mankany amin'ny fiarovana ny vehivavy eto Libanona, saingy TSY MBOLA AMPY.
— Ahmad M. Yassine (@Lobnene_Blog) 22 jolay 2013