- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

VIDEO: Ny Fomba Mety Handratran'ilay Fifanarahana Trans-Pasifika Ireo Mpampiasa Aterineto

Sokajy: Aostralia, Etazonia, Japana, Kanadà, Malezia, Meksika, Però, Shily, Singapaoro, Vietnam, Fizakàna ara-tsaina, Hafanam-po, Mediam-bahoaka, Solovava, Vaovao, Fitantanana-aterineto, GV Mpisolovava

Mampitandrina [1] ny lahatsary iray vaovao avy amin'ny vondrona miaro ny zo dizitaly “Electric Frontier Foundation“, fa mety hitera-boka-dratsiny mampanahy ho an'ireo mpampiasa Aterineto ny Trans-Pacific Partnership [2] (TPP), fifanaraham-barotra goavana feno misitery nifanaovan'i Etazonia sy governemanta folo hafa avy any amin'ny faritra Pasifika.

Voatana ho tsiambaratelo ireo fifanarahana anatin'ilay fifanarahana, izay ahitana fandraisana anjara  [3]avy amin'ireo orinasa, nefa nisy volavolan'ilay fifanarahana [PDF] [4] tamin'ny Febroary 2011 sy ireo naoty hafa [5]nivoaka an-tsokosoko izay niteraka ahiahiahy ho an'ireo mpisolovava maro ny amin'ny fanamafisana ny fizakà-manana anatin'ny toko mirakitra izany ao anatin'ilay fifanarahana.

Araka io vondrona io, mety hanova ny Aterineto ho toerana maha-afa-baraka ho an'ny vahoaka sy ireo orinasa mampiasa azy io fifanarahana io. Mety hampirisika ireo mpaninjara tolotra Aterineto hijoro ho polisy amin'ny fihetsik'ireo mpampiasa aterineto ary hanakana ny zavatra ara-dalàna miaraka aminà fanamarihana manokana fotsiny avy amin'ilay lazaina ho mitàna ny fizakà-manana mba hiarovana azy ireo tsy ho voafatopatotra ho tompon'andraikitra.

Mety hamadika ho tsy ara-dalàna ny fialàn'ireo mpampiasa aterineto ireo fepetra teknika napetraka hisorohana ny fanitsakitsahna ny fizakà-manana ihany koa izany, tahaka ny fanalàna ny sakana anatinà finday iray mba hampifandraisana azy aminà tambajotra iray hafa na koa ny fanovàna ny endriky ny e-book iray mba hahatonga azy afaka hidirana kokoa ho an'ireo manana kilema.

Ilay lahatsary, antsoina hoe “TPP: Ilay Fandrahonana Goavana Indrindra Eo Amin'ny Aterineto Mety Mbola Tsy Fahenonao Hatrizay”, dia hita ao anaty YouTube ary afaka jerena eto [6]: