26 Jona 2013

Tantara tamin'ny 26 Jona 2013

‘China Open Mic': Mijery Ny Fitombon'ny Dian-Tongotry Ny Fandrosoan'i Shina Ao Afrika

Ireo fisamborana sy famotsorana mpitrandraka volamena no zary lasa foto-dresaka voalohany ho an'ilay fifaneraserana ao amin'ny Google an'ny China Open Mic izay nokarakarain'ny China Open Mic ny Alahady 16 Jona 2013.China Open Mic (@ChinaOpenMic) dia vohikala misokatra malalaka mikendry ny hampahafantatra sy hanova ny fomba fisain'ny Shinoa rehetra eo anatrehan'ny fivoarana niomerikaao Shina.

26 Jona 2013

LAHATSARY: Nanjary Nipariaka ilay Fahendrena Tsy Mihinan-kenan'ity Zazakely Breziliana

Nanjary lasa lahatsary farany be mpijery indrindra eran-tany ny lahatsary YouTube ahitana an'i Luiz Antonio, zazakely vao telo taona monja manazava amin'ny reniny ny antony tsy itiavany mihinana orita atao sakafo. Miaro ny heviny ity zazakely Breziliana ity hoe tsy tiany ny mihinana hena satria "rehefa hohanintsika ny biby, dia maty izy ireny," ary satria tiany ny mahita biby, "mijoro, faly", ary nazavainy fa tokony "hikarakara azy ireo" isika fa tsy hoe hihinana azy ireo akory."

26 Jona 2013

Voaroaka Ny Ministra Ao Kazakh Nohon'ny Fanakianan'ny Mponina Anaty Aterineto Ilay Drafitra Fisotroan-dronono

Nahatonga fanehoan-kevitra tsy fahita firy teo amin'ireo olona efa eo an-dalàn'ny taonan'ny fisotroan-dronono ao Kazakhstan ilay fanentanana haneho hevitra tao amin'ny Facebook, niompana tamin'ilay fikasan'ny governemanta hanova ny lalàna mikasika ny fisotroan-dronono izay tsy nakany ny hevitry ny mponina akory. Niongana ilay Minisitry ny Raharaha Sosialy ao amin'ny Repoblika taorian'ilay hadisoana nataony imasom-bahoaka izay naha-afa-baraka azy tokoa, raha toa ilay lehilahy matanjak'i Kazakhstan, ny filoha Nursultan Nazarbayev, ka efa nanao sonia maro ho fanitsiana ilay tolo-dalàna.

26 Jona 2013

Mifosa Ireo Politisiana Ao Zimbaboe Ao Amin'ny Facebook Ilay Tsy Mitonona Anarana'Baba Jukwa’

Tranga iray vaovao no noresahana tao amin'ny Facebook Baba Jukwa (BJ), lasa foto-dresaky ny mponina satria ireo Zimbaboeiana noana resa-politika dia nitsidika ny rindrina Facebook-"NY" hijery ny vaovao farany mikasika izay mitranga ao anatin'ny antoko politika Zimbabwe African National Union – Patriotic Front (ZANU-PF) an'ny filoha Robert Mugabe.

25 Jona 2013