- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Meksika: Hagagana Sy Ahiahy Taorian'ny Fipoahan'ny Foiben-toeran'ny Pemex

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Voina

Fara-fahakeliny olona 14 no maty ary 80 no naratra, hatramin'izao dia ireo no vokatra azo tamin'ny fipoahana mafy namely ilay orinasam-panjakana Meksikana momba ny solitany (Pemex) tamin'ny Alakamisy faha 31 Janoary 2013 teo tany Mexico City, araka ny vaovao voaray avy amin'ny kaonty Twitter ofisialin'ilay orinasa :

@pemex [1] [es]: Lamentablemente se tienen confirmados al momento 14 personas fallecidas y 80 lesionadas

@pemex: Indrisy, olona 14 no vo9amarina fa maty ary 80 no naratra

Ny mpiserasera amin'ny aterineto sasany , ankoatra ny alahelo tamin'ireo vaovao, dia niahiahy tamin'ny tena fototry ny fipoahana marina. Tahaka an'i Think Mexican (@ThinkMexican [2]), izay nanasongadina izany tao amin'ny kaontiny ao amin'ny Twitter :

@ThinkMexican [3]: Torre de #Pemex [4] nitranga andro vitsy taorian'ny namalian'ny @EPN [5] ny fiahiahiana ny mpitantana azy ho nitady hanome ny solik'i Meksika ho an'ny tsy miankina http://ow.ly/1RJUGC  [6]ilay fipoahana

Nefa Raúl Tortolero, izay sady mpanao gazety no mpanoratra (@raultortolero1 [7]), dia nanontany :

@raultortolero1 [8] [es]: ¿Conoceremos con transparencia lo que pasó en #Pemex [4] hoy, o sólo versiones a modo?

@raultortolero1: Ho fantatsika ao anatin'ny mangarahara ve izay zava-nitranga tao Pemex androany, sa izay zavatra amboamboarina ihany no ho rentsika?

Fa ny sasany toa an-dry Ana (@AnaLargaespada [9]) dia niteny ny momba ny mety ho nisian'ny antsirambina :

@AnaLargaespada [10] [es]: Instalaciones de #Pemex [4] ya habían tenido 2 explosioneshttp://www.eluniversal.com.mx/notas/899965.html … [11] (ver video). Eso me huele a mal manejo

@AnaLargaespada: Efa in-2 nipoaka sahady izay ny fotodrafitrasan'ny #Pemex   http://www.eluniversal.com.mx/notas/899965.html … [11] (jereo ny lahatsary). Ohatra ny hoe tsy fahaiza-mitantana izany amiko.

Fa ny sasany dia nihevitra fa andraikitry ny andrianan'ny zava-mahadomelina io, tahaka ny nilazàn'i Jorge  (@TwytterMx [12]) azy :

@TwytterMx [13] [es]: Explosion en oficinas principales d #Pemex [4]al igual q la explosion en #reynosa [14] son actos d terrorismo por parte del Narco! #atentado [15]

@TwitterMx: Ny fipoahana tao amin'ny foiben-teran'ny #Pemex , tahaka izay niseho tany #Reynosa, dia asa fampihorohoroana ataon'ireo andian-jiolahy mifoka zava-mahadomelina! #atendato (fanafihana)

Nofehezin'i Alejando Escalona (@alexoescalona [16]) mpanoratra ao amin'ny Huff Post Voices hoe :

@alexoescalona [17] [es]: Me parece muy bien no especular que lo de Pemex fue atentado, pero tampoco hay que asumir que fue accidente. #PEMEX [18]

@alexoescalona: Heveriko fa tsy tsara ny miahiahy raha toa ka fanafihana iny nitranga tamin'ny Pemex iny, nefa tsy tokony hoeritreretintsika ho tsy nahy iny. #PEMEX

Amin'ny lafiny iray, misy ireo fanehoankevitra mahasosotra izay mampirongatra ny maro, toa an'i Mariano Bouchot (@marianobouchot [19]) mpanao sarimihetsika sady mpanoratra lahatsoratra, izay tsy mankasitraka ny vazivazy amin'io resaka io

@marianoboucho [20]t [es]: No entiendo ni justifico los chistes que se hacen alrededor de la tragedia. Lo ocurrido hoy en #Pemex [4] no es chiste.

@marianobouchot: Tsy azoko na tsy hamariniko ireo vazivazy manodidina ilay loza. Tsy sangisangy izao niseho tamin'ny #Pemex androany izao.

Fa nisy maro ihany koa ireo mpiserasera amin'ny aterineto no mizara vaovao ilaina. Toa an-dry Fherb (@LFernando24 [21]) izay nibitsika hoe :

@LFernandoo24 [22] [es]: Ayuda por favor: Se necesitan donadores de sangre en hospital de Pemex Central Norte Azcapotzalco… #Pemex [4]

@LFernandoo24: Mbà ampio azafady : Ilàna mpanome rà ao amin'ny Tobim-pahasalaman'ny Pemex, Avaratra Afovoany any  Azcapotzalco… #Pemex

Nizara ny rohy misy ny tatitra mikasika ireo maratra i Maru Iniestra (@889Maru [23]) :

@889Maru [24] [es]: Pasen la voz… Reporte preliminar de heridos#Pemex [4]http://www.presidencia.gob.mx/informacion-de-contingencia-de-pemex/ … [25] Más información en @locatel_mx [26]#LocatelInforma [27] 56581111

@889Maru: Aparitaho ity teny ity… Tatitra vonjimaikan'ireo naratra   #Pemex http://www.presidencia.gob.mx/informacion-de-contingencia-de-pemex/ … [25] Fanampim-panazavàna ao amin'ny @locatel_mx #LocatelInforma (Locatel Informs) 5658111

Fa betsaka ireo mpiserasera amin'ny aterineto no naneho fiaraha-miory tamin'ny fianakavian'ireo namoy ny ainy, toa an'i Guillermo Barba (@memobarba [28]) mpahay toekarena sady mpitoraka bilaogy :

@memobarba [29] [es]: Es sin duda una gran desgracia la explosión ocurrida en la Torre de #Pemex [4]. Mis condolencias para los familiares d las víctimas

@memobarba: Tsy isalasalàna fa tena zava-doza io fipoahana tao amin'ny Tilikambon'ny #Pemex io. Mamangy amin'ny fahoriana ho an'ny fianakavian'ireo niharam-boina.

Efa misy fehy mainty sahady ny tranonkalan'ny [30]Pemex ho mariky ny fisaonana.

Vista aérea de la explosión en la Torre de Pemex, en la Ciudad de México. Foto compartida en Twitter por @mexboby

Fijerena an'habakabaka ny fipoahan'ny Ttilkambon'ny Pemex tany Mexico City. Sary tao amin'ny Twitter nozarain'i  @mexboby [31]

 

Mbola eo am-pivoarana ny vaovao tamin'ny fotoana namoahana ity lahatsoratra ity.