- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Graffiti Mameno ny Tambohon'ny Lapam-Panjakana iasan'ny Filoha

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina

Tahaka ny tsara kosoka indray ny fisainana revolisionera ao Ejipta, noho ny fandrobaham-pahefana [1] nataon'ny filoha Mohammed Morsy – ilay fanapaha-keviny vao haingana manitatra ny fahefany. Niteraka hetsi-panoherana nanerana ny firenena ny fanapaha-kevitra, ary ny nalaza indrindra dia ny sit-in natao manodidina ny Lapam-Panjakana.

Ny mpaka sary Jonathan Rashad [2], izay navitrika tamin'ny fampiasana ny fakan-tsariny hanangonam-baovao tamin'ny hetsika lehibe hatry ny fanombohan'ny revolisiona ejipsiana, no nizare ireo sarina graffiti manaraka ireto izany milaza ny tantara ao amin'ny kaonty Flickr [3].

Indreto nofantenana:

[4]

Graffiti mampiseho ny filoha Morsi ho orita milomanao anaty ranomasin-drà. (CC BY-NC-SA 2.0)

‘miala, ondry’ manondro ny Filoha Morsi, milaza an-kolaka ny rebik'ondry fihetsiky ny Mpirahalahy Miozolomana. (CC BY-NC-SA 2.0)

graffiti over Egypt presidential palace walls [5]

‘Mialà ry adala’
‘Tsy ara-drariny’ (CC BY-NC-SA 2.0)

Depiction of military police, accused of committing grave human rights violations against protesters during transition period in Egypt [6]

Famotsipotserana ny polisy miaramila, voampanga ho manao fandikana goavana ny zon'olombelona tamin'ny fidarohana ny mpanao fihetsiketsehana nandritra ny vanim-potoanan'ny tetezamita ao Ejipta (CC BY-NC-SA 2.0)

Nisy nanafika ny sit-in teo anoloan'ny lapam-panjakana tamin'ny 5 desambra, izay niafara tamin'ny fahafatesana 6 sy ireo maro maratra. Nivoaka taty aoriana ny fijoroana vavolombelona nataon'ny  mpanao fihetsiketsehana anti-Morsi nampijaliana [7] teo am-pelatanan'ny mpanohana an'i Morsi. Maro ny tamboho natsangana manodidiina ny lapam-panjakana hisorohana ny fanatonan'ny mpanao fihetsiketsehana. Tratran'ny graffiti an'ny artista koa ireny mazava ho azy.

'Your walls won't protect you from the revolutionaries' [8]

‘Tsy maharo anao amin'ny revolisionera ny rindrinao’ (CC BY-NC-SA 2.0)