Tantara tamin'ny 14 Desambra 2012
Fanentanana #Nimeregister Hampiroboroboana Ny fisoratana Anarana Hifidy Ao Kenya
Mampiasa ny tenifahatra #nimeregister ny keniana ao amin'ny Twitter handrisihana ny hafa hifidy sy hizara ny fampahafantarana ny fisoratana anarana, zava-niainana ary ny sary. Nimeregister dia fitambaran'ny teny Swahili sy anglisy (Sheng) izay midika hoe "nisoratra anarana aho."
Thailand: Nahoana No Nandamoaka Ny Hetsi-panoheran'ny Pitak Siam
Ny Pitak Siam (Arovy i Thailand), vondrona manohitra ny governemanta, dia nivoady ny hanetsika olona iray tapitrisa ho eny an-dalamben'i Bangkok tamin'ny 24 Novambra teo, saingy tsy nahavita namory afa-tsy 20.000. Samy nanoratra momba ilay tsy fahombiazan'ny Pitak Siam daholo ireo bilaogera, mpanao gazety sy ny eny amin'ny anjerimanontolo, ary ny fiantraka ara-politikan'ilay hetsi-panoherana.
Global Voices Sy Ny Herin'ny Isika
Efa mba voaeritreritrao ve ianao hoe ahoana ny ataonay ato amin'ny Global Voices? Ity ary aseho anao ny ambadiky ny sehatra amin'ny fomba fanangonan'ny mpikambana maherin'ny 700 tantara ao amin'ity fikambanana...
Ndeha Hitafa Amin'i Janet Gunter – Mpandray Anjara Amin'ny Global Voices
Nitafatafa tamin'i Janet Gunter mpandray anjara ato amin'ny GV sady mpitety izao tontolo izao i Juan Arellano, mpamoaka lahatroratry ny Global Voices amin'ny teny Espaniôla, mikasika ny asany ato anatin'ny vondrompiarahamoninay sy ireo tetikasany samihafa.
Feon'ny Fahamendrehana – Vehivavy Nieren-doza Tamin'ny Ady Mitam-piadiana Tao Kolombia
Feon'ny Fahamendrehana, tetikasa marolafy karakarain'ny Ivon-toerana Iraisam-pirenena Ho Amin'ny Fitsarana Tetezamita (ICTJ), mizara ny tantaran'i Yoladis Zúñiga sy Petronila Mendoza, vehivavy Kolombiana roa nitsoaka ny trano fonenany taorian'ny famonoan'ireo milisy mitam-piadiana ny...
Ejipta: Graffiti Mameno ny Tambohon'ny Lapam-Panjakana iasan'ny Filoha
Tahaka ny tsara kosoka indray ny fisainana revolisionera ao Ejipta, noho ny fandrobaham-pahefana nataon'ny filoha Mohammed Morsy – ilay fanapaha-keviny vao haingana manitatra ny fahefany. Niteraka hetsi-panoherana nanerana ny firenena ny fanapaha-kevitra, ary...