- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Noafahana ilay Bilaogera Ekoateriana Paúl Moreno

Sokajy: Amerika Latina, Ekoatora, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka

Ny folakandron'ny 3 desambra i Paúl Moreno, ilay Bilaogera Ekoateriana nosamborina fa [1] hoe niditra an-tsokosoko amin'ny firafitry ny solosaina sy ny antonta-kevitra ao aminy no noafahana. Noporofoin'i Moreno manko fa tsy manana ny firafi-piarovana sahaza azy ny tranonkalan'ny governemanta datoseguro.gov.ec [2] [es] hahazoana antontan-kevitra momba ny olom-pireneny.

Nolazain'i Moreno ao amin'ny blaoginy [3] [es] fa mahita lavaka eo amin'ny rafitra izy rafitra izy ka mora taminy ny niditra tao amin'ny mombamomba ny filoha Rafael Correa. Ankoatra izany, lahatsoratra iray ao amin'ny hackeruna [4] [es] no manondro fa tamin'ny 7 marsa (ny datin'ny nanokafana amin'ny fomba ofisialy ny datoseguro.gob.ec) dia efa tsikaritra fa mora tafihana ilay sehatra.

Ny 30 Novambra, nanao fanambarana an-gazety [5] [es] ny Birao Nasionaly misahana Arisivam-Bahoaka (DINARDAP [6] [es]) milazalaza ny antony hanenjehana an'i Moreno, araka ny lalàna, miaraka amin'ny biraon'ny fampanoavana.

Ho fanehoan-kery fanohanana ilay bilaogera sy ny fiarovana ny vahoakan'i Ekoatera, dia nisovoka tranonkala [7] [es] maromaro na an'ny fanjakana na an'olo-tsotra tamin'ny 30 Novambra teo ny Ecuador Cyber Army (@EcuCyberArmy [8]).

Maro ireo fitaovam-baovao, tahaka ny Diario Hoy [9] [es], Expreso [10] [es] ary ny El Universo [11] [es] no namoaka ny vaovaon'ny fisamborana. Manazava ny fihetsiky ny fampitam-baovao tamin'ny fisamborana ilay bilaogera tao amin'ny bilaoginy [12] [es] i Rafael Méndez Meneses (@kevinhurlt [13]) [es].

Tamin'ny 1 Desambra, dia nandefa taratasy  [14][es] mangataka famindram-po noho ny ” tsy fifankahazoan-kevitra vokatry ny fampiasana amin'ny tsy antony ny anaran'Atoa Rafael Correa” i Paúl Moreno. Nilaza tamin'ny farany ny filoha Correa fa tsy manana na inona na inona afenina ka niantso ho fanafahana ilay bilaogera nandritra ny fandaharana fanaony isaky ny Asabotsy:

Taorian'ny fanafahana azy dia nanoratra izao tamin'ny mpanaraka azy ao amin'ny Twitter i Paúl Moreno (@paulcoyote [15]) [es] :

@paulcoyote [16]: Estoy libre. Muchas gracias a todos. #LiberenaPaulCoyote [17] (Free Paul Coyote) pic.twitter.com/2lvMKeGd [18]

@paulcoyote [16]: Afaka aho. Misaotra ny rehetra. #LiberenaPaulCoyote [17] pic.twitter.com/2lvMKeGd [18]

Foto compartida por @paulcoyote en Twitter tras ser liberado [16]

Saripika nozarain'i @paulcoyote tao amin'ny  Twitter taorian'ny famotsorana azy

Nisaotra ny mpanaraka azy ao amin'ny Twitter ho fanohanana ny rainy koa ny zanakalahin'i Moreno, antsoina hoe Pulpo Potter (@pulpineitor [19]) [es]:

@pulpineitor [20]: Gracias a todos de logro de #LiberenaPaulCoyote [17] este momento ya salio se encuentra bien agradecemos su apoyo gracias de corazón.

@pulpineitor [20]: Misaotra ny rehetra noho ny fanohanana ny #LiberenaPaulCoyote [17] efa tafavoaka izy izao ary salama tsara. Nanohina ny fo noho ny fanohananareo.

Carlos Correa (@calu) [21] [es] nitatitra ny fivoaran-draharaha, hatramin'ny fotoana nisamborana an'i Paúl Moreno ka hatramin'ny famotsorana azy, tamin'ny alalan'ny naoty [22] [es] an-tserasera nasiany fanavaozam-baovao imbetsaka.