Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

05 Desambra 2012

Tantara tamin'ny 05 Desambra 2012

Kôngô (RDC) : Ady efa Nanana Fototra Niaviany, Gidragidra 50 Taona

Tsy azo manontolo ny fandehan'ny ady misy ankehitriny eo amin'ny mpiokon'ny M23 sy ny tafika kôngôley raha tsy misy ny fampahatsiahivana ny tantara niandohan'ny ady isan-karazany eo amin'ny renim-paritra manodidina ireo farihy lehibe.

Lavin'ireo Mpikatroka Mafàna Fo Ilay Fanambarana Momba ny Zon'Olombelona Any Azia Atsimo Atsinanana

Fikambanana mpiaro zon'olombelona maherin'ny 50 avy any Azia Atsimo Atsinanana no namoaka fanambaràna iray manakiana ny fanabaribariana ilay Fanambaràna momba ny Zon'Olombelona novolavolain'ireo firenena folo ao anatin'ny Fikambanan'ireo Firenena Any Azia Atsimo Atsinanana. Nony navoaka ho fanta-bahoaka ilay fanambaràna tamin'ity volana ity, dia nolavin'ireo fikambanana mpiaro zon'olombelona any amin'ny faritra...

Noafahana ilay Bilaogera Ekoateriana Paúl Moreno

Ny folakandron'ny 3 desambra i Paúl Moreno, ilay Bilaogera Ekoateriana nosamborina fa hoe niditra an-tsokosoko amin'ny firafitry ny solosaina sy ny antonta-kevitra ao aminy no noafahana. Noporofoin'i Moreno manko fa tsy manana ny firafi-piarovana sahaza azy ny tranonkalan'ny governemanta datoseguro.gov.ec [es] hahazoana antontan-kevitra momba ny olom-pireneny.

Mampiray An'i Hongria Ny Fanoherana Ny Fankahalàna Jiosy

Hongroà an'arivony no nijoro niray hina hanohitra ny fankahalàna Jiosy tamin'ny hetsika iray natao tao Budapest. Teny koa ireo mpanao politika avy amin'ny antoko eo aminy fitondràna sy ny mpanohitra. Nisokatra indray ny fifanakalozan-dresaky ny olona mikasika ny fiakaran'ny fanohanana azon'ny antoko farany havanana any Hongria - ary, raha hitarina,...

Kiobà: Votsotra i Rodiles Mpisolovava Ny Demaokrasia; Mbola Voatàna ilay Bilaogera Diversent

Antonio Rodiles, kaomisera avy amin'ny seha-pifanakalozan-kevitr'ireo manampahaizana miasa tena Estado de SATS [es], dia nafàhana tao Havana tamin'ny Alarobia teo taoran'ny niaretany famonjana nandritra ny telo herinandro. Ny 7 Novembre i Rodiles no navotsotra, niaraka taminà bilaogera maro hafa sy mpisolovava sivily tao amin'ilay nosy, ahitàna an'i Laritza Diversent, bilaogera...