- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Hijanona Eto Ve Ny Vetaveta Anaty Aterineto?

Sokajy: Ejipta, Fahalalahàna miteny, Fitsipika, Mediam-bahoaka, Vaovao, Fitantanana-aterineto, GV Mpisolovava

Anivon'ireo olana manery indrindra ny firenena amin'izao fotoana izao ny ady mitohy mikasika ny lalàm-panorenana Ejiptiana amin'ny hoavy [1] sy ny fitokonan'ireo mpiasan'ny fahasalamana Ejiptiana [2] izay naharitra iray volana mahery … sa izy ireo mihitsy no loha-laharana? Araka ny fantatra dia nanapa-kevitra ny Mpampanoa lalàna fa mila teatra bebe kokoa ny vahoaka ary nanambara fa hanomboka hisakana ireo vohikala mamoafady i Ejipta [3].

Araka ny notaterinay, taorian'ny fanambaran'ilay Mpampanoa lalàna, nanambara ny TaleJeneraly ao amin'ny Masoivohom-pirenena  Fandrindràna ny Fifandraisan-davitra  [4] (NTRA) fa namafisina io fanapahan-kevitra io. Nandray fepetra ihany koa izy ny amin'ny fampahatsiahivana ny olon-drehetra mikasika ireo fahasarotana ara-teknika haterak'izany dingana izany.

Nihazona ny fofon'ainy ireo Ejiptiana [5] rehefa namoaka fanambaràna fisorohana ao amin'ny pejy Facebook-ny   [6][Ar] ny NTRA ny 8 Novambra 2012. Nanipika izao manaraka izao ilay Masoivoho:

Araka ny lalàna Ejiptiana, manana fahazoan-dàlana amin'ireo ISPs sy ny politikany ny NTRA. Azo heverina araka izany, raha jerena ity raharaha misavorovoro eo amin'ny resaka politika sy lalàna ity, fa hijanona eto ny  vetaveta ao anaty aterineto eto Ejipta!