- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Libanona: Iza No Namono Ny Lehiben'ny Mpitsikilo Wissam Al Hassan?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libanona, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Voarohirohy tamin'ny fahafatesan'ny lehiben'ny sampam-pitsikilovana Libaney, Wissam Al Hassan, namoy ny ainy noho ny fipoahana baomba [1] omaly [20 Okt] tao Beirota,  avokoa na i Syria, i Iran, ary ny Hizbollah, izay namoizan'ain'olona sivy ihany koa ary naharatràna olona teo amin'ny 80 teo .

Nofehezin'i Joyce Karam toy izao ny fijeriny taoriana ny fipoahana:

@Joyce_Karam [2]: Tsy isalasalana fa ity no andro ratsy indrindra tao #Libanona hatramin'ny niandohan'ny ady tamin'ny 14 Febroary 2005 sy 2006. Noho ny fahalemena anatiny + rezionaly, miharatsy hatrany ny toe-javatra.

Hoy izy nanampy:

@Joyce_Karam [3]: Raha misy ny fotoana mety ho amin'ny governemanta iraisam-pirenena ho an'i #Libanona, izao no fotoana. Niha-nitombo ny loza nanomboka tamin'ny 2005.

Satria miha-mitombo ny korontana [4] ao Libanona, saiky ny olona rehetra – no nahazo kiana.

Nervana nibilaogy toy izao [5]:

Raha ny Afovoany Atsinanana no resahana, ny tsy fisian'ny mangarahara sy ny tsy fandraisana andraikitra no manjaka, sarotra ny hangina sy hisaina ary hanatsoaka fehin-kevitra ara-drariny amin'izany. Raha ny zava-misy, haingana loatra, tetika tsotra hamahana olana sy hampisy tontolo manjavozavo tsy ahafahana mahita ny marina ny vono olona ara-politika ao amin'ny faritra misy ahy amin'izao tontolo izao. Na izany aza, mahatsikaiky ahy ny fahitana fa ireo izay niampanga an'i Al-Hassan ho mpitsikilo Israeliana indray ankehitriny no miampanga an'i Israely ho ambadik'ilay vono olona.

Avy eo niresaka momba ny zava-mety niseho mikasika izay nahavita ny vono olona izy – sy ny antony izany.

An empty street in Beirut [6]

Arabe tsy misy olona ao Beirut, sary nozarain'i  Yasim Comert tao amin'ny Twitter

Yesim Comert nizara ity sarin'arabe tsy misy olona ao Beirota ity tao amin'ny Twitter. Hoy izy nanoratra:

@yesimcf [7]: Foana ny arabe mahafinaritra ao #Beirut androany taorian'ny fipoahana baomba tamin'ny fiara tao #Libanona pic.twitter.com/vd51K6jg

Patrick Baz nanampy hoe:

@Patrick_Baz [8]:Tahaka ny tanàna nilaozana i #Beirut. Mahamenatra fa nizarazara be ny Libaney tsy toy ny tamin'ny  taompolo 80, hita tokoa fa tsy nisy fiovana tao #Libanona

Tao amin'ny Twitter ihany, naneho ny alahelony noho ny fahalasan'ny Jeneraly Hassa ny Praiminisitra Libaney Najib Mikati. Hoy izy nanoratra:

@Najib_Mikati [9]: Jeneraly Wisam Hassan# very olo-manga i #Libanona sy ny tenako, olona miavaka sy marani-tsaina izy. Mangataka amin'i Tompo aho mba handray ny fanahiny handry am-piadanana. N.M.

Taminà sioka hafa, hoy izy nanambara:

@Najib_Mikati [10]: #tazomiko ny #fametràm-pialako ho tombotsoan'ny filaminana ao Libanona. Tsy safidiko ny #Korontana! Firaisam-be nasionaly# tombotsoa ho an'i Libanona!

Tsy voatànan'i Tom Gara ny sentony:

@tomgara [11]: Ady an-trano vaovao ao Libanona, mitovy ny fahafatesan'i Hosni Mubarak, samy matoky ny tsirairay fa ho avy izany kanefa mbola tsy tontosa.

Nizara ny fanamarihana tsara avy aminy i Kam, lebaney:

@kamtweeting [12]: Aty amin'ny fireneko, Libanona, firenena tsy mba matory izany, fanantenan'ny fahombiazana sy ny filaminana. Androany alina, latsaka ny ranomaso, & rahampitso…nofy tsaratsara kokoa.

Ahitana angon-tsary nandritra ny baomba nipoaka sy ny voka-dratsin'izany ity pejy facebook [13]ity [Fampitandremana: Mampihorokoditra ny sary sasany].