Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

22 Oktobra 2012

Tantara tamin'ny 22 Oktobra 2012

Tandinonin-doza Ny Habaka Aterineto Zambian Watchdog

Tamin'ny 9 Mey 2012, tsy tafiditra tao amin'ny tranokala fampahalalam-baovao an'olo-tsotra Zambian Watchdog avokoa ny mpiserasera. Nilaza ny ny Zambian Watchdog fa nokendren'ny Fanafihana Fandàvana Raharaha (DDoS), izay toa avy any amin'ny governemanta. Vao haingana tamin'ity taona ity, nisy ny tatitra fa nanokana vola 5000 miliara na US$1 tapitrisa ny governemanta Zambiana mba handefa polisy sy...

Libanona: Iza No Namono Ny Lehiben'ny Mpitsikilo Wissam Al Hassan?

Voarohirohy tamin'ny fahafatesan'ny lehiben'ny sampam-pitsikilovana Libaney, Wissam Al Hassan, namoy ny ainy noho ny fipoahana baomba omaly [20 Okt] tao Beirota,  avokoa na i Syria, i Iran, ary ny Hizbollah, izay namoizan'ain'olona sivy ihany koa ary naharatràna olona teo amin'ny 80 teo . Nofehezin'i Joyce Karam toy izao ny fijeriny taoriana ny fipoahana: @Joyce_Karam: Tsy...

Pôrtô Riko: Mirehareha Amin'ny Maha-Pelaka Azy ny Mpanao Ady Totohondry Orlando Cruz

Novakian'ny mpanao ady totohondry Pôrtôrikana Orlando "The Phenomenon" Cruz ny fahitana ny ankapoben'ny tontolo haiady tamin'ny fanambarana vao haingana nataony mikasika ny fironany ara-pananahana.

Torkia: Fahanginana Manoloana Ny Fitokonana Tsy Hihinan-kanina Ataon'ireo Gadra Politika Kiorda

Niditra tamin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina intsony ireo gadra politika Kiorda an-jatony ao Torkia. Tsy mba notaterin'ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena sy ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona izany hetsika tsy misy herisetra izany. Nilaza ny mpikatroka iray, izay nitantara mikasika ity hetsika ity fa ireto manaraka ireto no takian'ireo mpitokona tsy hihinan-kanina: @hevallo: Ny fanafahana ny lehiben'ny...

Sainam-pirenena natsongoloky Ny Mpitondra Portiogey Nandritra Ny Fetim-pirenena

Nanamarika Ilay fankalazana ofisialy ny faha-5 oktobra tao Portiogaly, fetim-pirenena nanaganana ny repoblika ny taona 1910, ny fihetsika miavaka sy azo atao hoe mampalahelo nataon'ny Filoha Cavaco Silva, raha nampitsongoloka tsy nahy ny sainam-pirenena.