- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Blog Action Day Androany! Ndeha Hankalaza Ny “Herin'ny Isika”

Sokajy: Hevitra, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

Isan-taona, manambatra ny heriny ireo bilaogera manerana ny tany ary manoratra manodidina lohahevitra iray, aminà andro iray, mba handonana mpanjohy an-tapitrisany. “Blog Action Day” ny androany (15 Oktobra 2012) ary amin'ity taona ity ireo bilaogera rehetra manerana ny tany dia hibanjina ny “Ny Herin'ny Isika” [1] – rehefa mifamory ny olon-drehetra mba hanova ny tontolo ho toerana iray mahatretrika. Ho fandraisana anjara, afaka manoratra ny bilaoginao ao amin'ny tranonkalan'ny Blog Action Day [2] ianao. Manana liveblog [3] sy  bilaogy Tumblr iray [4] koa ry zareo izay hanarahany ireo fandraisana anjara rehetra. Ao amin'ny Twitter, ny tenifototra hanarahana azy dia ny  #BAD12 [5].

Ao amin'ny Global Voices, azonao eritreretina hoe isanandro no Blog Action Day, satria mizara vaovao mandrakariva mikasika ny hetsika ety anaty aterineto sy ireo olona feno fahasahiana any rehetra any izahay. Tohananay mavitrika tokoa ny andro iray atokana hisaintsainana ny “ny herin'ny isika” sy izay mety ho fandraisana andraikitra maneho ny fomba ahafahan'ireo bilaogera miaraka mitondra fiovàna.

Ho havaozinay ity lahatsoratra ity mandritra ny tontolo andro, miaraka amin'ireo rohy mitondra amin'ireo fampidirana mampiasa ny #BAD12 avy amin'ireo mpandray anjara ato anatin'ny Global Voices.