Tantara tamin'ny 15 Oktobra 2012
Repoblika Czech: Mitohy Ny Tolona Přednádraží
Mafimafy ny dona nahazo ny fiaretan'ny fianakaviana Roma ao Přednádraží tao anatin'ny iray volana izay terena hiala amin'ny tranony, saingy araka ny mahamafy ny fanerena no mampitombo ihany koa ny firaisan-kina. Mitatitra i Daniela Kantorova.
Blog Action Day Androany! Ndeha Hankalaza Ny “Herin'ny Isika”
Isan-taona, manambatra ny heriny ireo bilaogera manerana ny tany ary manoratra manodidina lohahevitra iray, aminà andro iray, mba handonana mpanjohy an-tapitrisany. Blog Action Day ny androany, ary zohianay ireo fampidiran-dahatsoratra avy amin'ireo bolaogeran'ny Global Voices any rehetra any.
Espaina: Mahazo Tombony Ny Banky, Maty Antoka Ny Vahoaka
Ny orinasa mpanao fandalinana Oliver Wyman, izay mandalina ny hamafin'ny fototra ho an'ireo banky lehibe espaniôla, dia namoaka ho fantatry ny rehetra ny famintinana avy aminy: mila 50.000 tapitrisa Euro ireo banky mba hialàn-dry zareo ao anatin'izao toerana ara-toekarena mananosarotra misy azy izao. Mandalina ny toe-draharaha i Lourdes Sada ary mitatitra ny sasany amin'ireo fanehoan-kevitra teny anaty aterineto.
Madagasikara: dingana lehibe no vitan'ny Global Voices amin'ny teny Malagasy
Vao avy napariaka ny lahatsoratra faha 5'000 nadika amin'ny teny Malagasy ny tetikasa Lingua Global Voices amin'ny Malagasy.
Mpanao Gazety An-tSerasera Voaràra Tsy Hahazo Hiditra Ny Lapan'ny Antenimieran-Gazety
Mivory manoloana ny Biraon'ny Praiminisitra ao Tokyo isaky ny zoma, ny mpanao fihetsiketsehana “Tsy Mila Nokleary”. Nanamarika ilay mpanao gazety mpakasary Hajime Shiraishi, izay mitantana ny fahitalavitra an-tserasera Our Planet...
Tontolo Arabo: Ny Anjara-ratsin'Ireo Vehivavy Mpitsoa-ponenana Syriana
Satria mbola mitohy ny Revolisiona Syriana, mitohy miantraika amin'ireo mpitsoa-ponenana ny herisetra tao amin'ny firenena hatrany ny voka-dratsin'izany [Revolisiona], ny vehivavy indrindra no tena mandoa avo roa heny ny voka-dratsin'ny ady...
Pakistana: Nanafika An'i Malala Yousufzai Ireo Mpivavaka mahery fihetsika
Naratra mafy ilay tovovavy 14 taona mpiaro ny zon'ny vehivavy handeha hianatra, Malala Yousufzai. Nifanehatra tamin'ny Talibana i Malala, ka nifatratra tany aminy ny bala tamin’ izy handeha hody avy nianatra. Nitsofoka tany...