- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pero: “Ny Lamosiko Iresahana, Atoa Filoha”

Sokajy: Amerika Latina, Però, Hehy, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka

Nampiantrano ny Fihaonambe fahatelon'ny [1] Firenena Amerikana Tatsimo – Arabo (ASPA) sy ny fivorian'ny Filankevitry ny Ministry ny Raharaham-bahiny i Lima ny 1 sy 2 Oktobra teo. Nataon'ny governemanta ho andro tsy iasana ireo andro roa ireo ho an'ny Faritr'i Lima Renivohitra [2] sy tany amin'ny Faritany napetraky ny Lalampanorenana ao El Callao [3] [es] mba hanomezan-danja kokoa ireo fotoana ireo.

Nandritra ilay fihaonam-be, hita niarahaba tongasoa ireo vahiny nasaina, nitarika ireo hetsika, ary nanao lahateny sy naka sary ny filoha Ollanta Humala [4] sy ny vadiny, ny Vehivavy Voalohany Nadine Heredia [5] [es]. Fa toa azo sary kosa tamin'ny andro faharoan'ny Fihaonam-be fa toa nisy fifanakalozan-dresaka henjankenjana ihany teo amin'izy mivady.

Namahana ny lahatsary [6] ny mpampiasa YouTube cajamarcaglobal [7], izay afaka ahitantsika ny filoha mivady miresaka ary avy eo i Ramatoa Heredia manome lamosina ny vadiny:

Lazain'ny olona ho vehivavy misy toetra i Rtoa Heredia any Pero, ary tsy takona afenina tamin'ny haino aman-jery sy ny mponina amin'ny aterineto Peroviana ity sary ity. Nanangana tenifototra #HablaConMiEspalda [8] (Ny lamosiko resahana) [es] ny mpampiasa Twitter ary avy hatrany dia nanomboka nitsikera sy nanao fampihomehezana tamin'ireo zava-niseho ireo izy ireo.

Nampiasa ny teny nampiasain'ny Fihaonambe i Giovanni Arce (@GiovanniArce [9]) [es], mpampiasa twitter:

@GiovanniArce [10]: O: Pero Nadine tienes que preparar arroz árabe para el almuerzo del ASPA N: #hablaconmiespalda [11].

@GiovanniArce [10]: O [Ollanta]:Nefa anie, Nadine, tokony hahandro vary Arabo ianao hatao sakafo antoandro ao amin'ny ASPA N [Nadine] : #hablaconmiespalda [11] (Ny lamosiko resahana).

Naneho ny fandaharam-potoan'ny governemanta i César Peirano (@cesarpeirano [12]) [es]:

@cesarpeirano [13]: La Agenda del Gobierno esta escrita en la espalda de Nadine. #hablaconmiespalda [11]http://fb.me/2cZykH4gm [14]

@cesarpeirano [13]: Misoratra eo amin'ny lamosin'i Nadine ny fandaharam-potoan'ny Governemanta. #hablaconmiespalda [11]http://fb.me/2cZykH4gm [14]

Etsy ankilany kosa, naneho karazana fiteny hafa i Mariela (@vesdamariela [15]) [es]:

@vesdamariela [16]: Ya salieron los especialistas a ver cuadro x cuadro el video presidencial y leer el lenguaje corporal de Nadine? #HablaconmiEspalda [17]

@vesdamariela [16]: Nijery tamin'ny antsipirihany ity horonan-tsarin'ny filoha ity ve ireo manam-pahaizana manokana mba ahafahana mamantatra ny fihetsik'i Nadine? #HablaconmiEspalda [17]

Nizara hevitra vitsivitsy i Zarella Sierra (@ZarellaSierra [18]) [es], mpampiasa twitter:

@ZarellaSierra [19]: Moraleja: Si llevas tu pareja a tu trabajo, no te asombres cuando ventile los trapos sucios ante ese público. #HablaconmiEspalda [17]

@ZarellaSierra [19]: Lesona notsoahina avy amin'ny tantara: Raha hoentinao any am-piasana ny vadinao, dia aza gaga raha asehony ny olon-drehetra ny lamba malotonareo. #HablaconmiEspalda [17]

Ary nampiany [20] [es] avy eo :

@ZarellaSierra [20]: La escenita le dio resultado: @NadineHeredia [21] tendrá su cumbre en 2013 http://ow.ly/ebYFr [22] #HablaconmiEspalda [17]

@ZarellaSierra [20]:  Niasa ho an-dramatoa ilay tranga kely:  Hanana ny Fihaonambeny manokana amin'ny 2013 i @NadineHeredia [21] http://ow.ly/ebYFr [22] #HablaconmiEspalda [17]

Miresaka mikasika ny Fivorian'ny Vehivavy Voalohany ity mpampiasa ity, vehivavy manana toerana ambony eo amin'ny governemanta sy ny parlemanta ao amin'ireo firenena Amerikana Tatsimo sy Arabo(ASPA).

Etsy ankilany kosa, noraisin'i Equipo Rojo Combate (@RojoCombateSI [23]) [es] ho fanakàrana ady amin'ny fisehosehoan'ny lehilahy izany:

@RojoCombateSI [24]: #HablaconmiEspalda [17] bien….. ajjaja los hombres merecen desprecio y mas desprecio por ser MACHISTAS AJAJJAJjajaja daleee LA espaldaaaa!!!

@RojoCombateSI [24]: #HablaconmiEspalda [17] Tsara… LOL, mendrika ny lehilahy ny avona, ary mbola fiavonavona betsaka kokoa noho izy ireo manome lanja kokoa ny lehilahy noho ny vehivavy LOL LOL lol atodiho any aminy ny lamosinao!!!

Tena matotra ilay mpampiasa aterineto, Bruno Culotti (@CulsJoy [25]) [es]:

@CulsJoy [26]: #HablaconmiEspalda [17] el mejor hashtag peruano del año

@CulsJoy [26]: #HablaconmiEspalda [17] no tenifototra Peroviana tsara indrindra tamin'ity taona ity.

Toa maka ohatra ny fifonana [27] nangatahana tamin'ny Filoha teo aloha Alberto Fujimori [28], i Pedro Siura (@pedrosiura [29]) [es], ary koa mankahery ny Filoha Humala:

@pedrosiura [30]: Viendo la “escenita” de Nadine, conlcuyo que quien merece un trato humanitario es Ollanta Humala #HablaconmiEspalda [17]

@pedrosiura [30]: Tonga amin'ny famintinana aho hoe i Ollanta Humala #HablaconmiEspalda [17] ihany no olona tokana tena mendrika ny fikarakarana ny mahaolombelona, raha mijery ny “fihetsika mahatsikaiky” nataon'i Nadine .

Tena Mpampiasa Twitter [21] [es] mavitrika i Rtoa Heredia, saingy hatreto izy toa nangingina.

Sarin’ [31] ny Filoha Humala sy ny Ramatoa Voalohany Nadine Heredia nandritra ny Fihaonambe Fahatelon'ny Firenena Amerikana Tatsimo – Arabo (ASPA), 2 Oktobra 2012, avy amin'ny Presidencia Perú teo amin'ny Flickr (CC BY-NC-SA 2.0 [32])