Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

11 Oktobra 2012

Tantara tamin'ny 11 Oktobra 2012

Shina: Nitoraka tamin'ny kiraro ny mpianatra iray hiarovana ny fahafahana maneho hevitra

Tamin'ny 7 oktobra 2012 lasa teo dia notorahan'ny mpianatra iray avy ao amin'ny oniversite Hainan tamin'ny kiraro ny mpitantara maoista iray antsoina hoe Sima Nan, nanoherany ny tsy fahafahana maneho hevitra any Shina.

Tontolo Arabo: Voatsikera ny Fandaharan'asan'i Romney Momba an'i Afovoany Atsinanana

Notsikerain'ny mpiserasera manerana ny tontolo Arabo ny kabarin'i Mitt Romney momba ny politika ivelany . Mitohy hatrany ny fanontaniana ao amin'ny Twitter mikasika ny politika ivelan'i Etazonia ao Afovoany Atsinanana, araka ny nambaran'i Romney [kandidà Repoblikana amin'ny fifidianana filoham-pirenena hoavy izao] tao amin'ny Ivon-toerana Miaramila ao Virginia: Raha lany izy, dia vonona...

Pero: “Ny Lamosiko Iresahana, Atoa Filoha”

Naneho ny tsikerany mahatsikaiky ireo Peroviana mpampiasa Twitter taorian'ny nanehoana ny lahatsary izay toa hoatry ny ahitana fifanakalozan-dresaka henjakenjana teo amin'ny filoham-pirenena mivady.

Misaona Noho Ny Fahafatesan'ilay Senatera Alonso Lujambio Ny Meksikana

Ny maraimben'ny 25 Septambra 2012, namoy ny ainy tao Meksika ny Senatera Alonso Lujambio Irazábal. Nitantana birao maromaro ity mpahay politika sy mpianatra ambony manana ny maha-izy azy teny amin'ny oniversité ity, ohatra tamin'izany: Efa Fakan-kevitra tao amin'ny Ivon-toerana Federalin'ny fidianana (IFE) izy; Mpanolon-tsaina misahana ny rafi-pifidianana ho an'ny Antenimieran-dalampanorenana ao Iràka tao amin'ny...