- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Frantsa : Olan'ny Fahazoan-dàlana Nanamaloka ny “Black Fashion Week”

Sokajy: Afrika Mainty, Eoropa Andrefana, Frantsa, Mali, Senegal, Fifandraisana iraisam-pirenena, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Saripika, Toekarena sy Fandraharahàna, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona

Mba hanehoana amin'izao tontolo izao ny hamaroana lafy sy ny dindon'ny asa famoronana avy amin'ny tany afrikana eo amin'ny filatroana amin'izao fotoana, ilay Senegaly vavy mpampiakanjo, Adama Paris [1], dia niketrika ny “Black Fashion Week” (Herinandron'ny Haingo Mainty) izay natao tao Dakar (Sénégal [2]) nandritra ny 10 taona. Ny andiany voalohany dia natao tany Prague tamin'ny Novambra 2011.

[3]

Black fashion Week tamin'ny 2010 tao Dakar, avy amin'i Seneweb ( CC-license-2.0)

Ao amin'ny StreetPress i Samba Doucouré manoratra [4]  hoe :

Manana ny toetra mampiavaka azy mandeha mivezivezy izany ny “Black Fashion Week”. Hikisaka ho any Montréal (Kanada) izy amin'io Novambra ho avy io, mandra-piandry ny any Bahia (Brezila) sy Bratislava (Slovakia).

Rehefa miresaka fivezivezena dia miresaka fahazoan-dàlana ‘visa’. Mpampiakanjo roa manana ny lazany sy mpilatro maro no voatsenan'ny fandàvana tsy hahazo ‘visa’ fidirana ho any Frantsa.

[5]

Black fashion Week tamin'ny 2010 tao Dakar, avy amin'i Seneweb ( CC-license-2.0)

Voalohany, i Mame Faguèye Bâ [6] izay nahazo ny azy ihany nony farany ary nanao fanambaràna an-gazety iray [7] izay azo vakiana ao amin'ny pejiny ao amin'ny Facebook, ireto ny famintsinana vitsivitsy :

… Niara-nandresy isika ary trosako aminareo izany !

Azoko atao araka izany ny mampilatro maneho ny asa famoronako amin'ny “Black Fashion Week” ao Paris ny 6 oktobra 2012. Ny fikirizantsika hilaza ny tsy rariny sy hiady miaraka mba hampihemotra azy …

… Tiako ihany koa ny hanentana anareo amin'ny zava-misy hoe hiasa mankany amin'ny Ministeran'ny Kolontsaina Senegaly isika, ao anatn'ny faritry ny fifanarahana iraisam-pirenena , indrindra fa i Frantsa sy Senegal mba hisian'ny fankatoavana tsara kokoa an'ireo masoivoho ara-kolontsaina sy ara-javakanto isaky ny taranja tsirairay.

Ity ny lahatsary iray maneho ny fampilatroana nataon'i Mame Faguèye BÂ avy amin'i bbaabbccful [8]:

Ny tranga faharoa, izay indrisy fa tsy nahitàna vahaolana, dia ny an'ilay mpampiakanjo Mariah Bocoum Keita [9], rahavavin'ilay mpihira Inna Modja [10] (Fanta Bocoum), voatbahana tao Mali [11]. Manoratra taratasy misokatra iray ho an'ny Kaonsilin'i Frantsa ao Mali [12] i Mariah Bocoum Keita [9] izay toy ity ny sasantsasany :

Mamelà ahy haneho ny hagagako nanoloana ny fandàvana natao ahy tamin'ny fangatahako fahazoan-dàlana ‘visa’ mandritra ny fotoana fohy tamin'ny Alarobia 3 Oktobra tao amin'ny sampan-draharaha misahana ny fanomezana ‘visa’ ao amin'ny masoivohonareo tamin'ny filazany hoe ny zavatra nampitaina momba ny antony sy ny fepetran'ilay fivahiniana dia tsy azo antoka.

… Nipetraka naharitra tamin'ny tany frantsay aho, ny marina kokoa dia 1993 hatramin'ny 1999 nandritra ny fotoana nandrantoako fianarana …. Tamin'ny fiafaran'ny fianarako dia nody teto Mali aho…

… Amin'izao fotoana maha-be ny mpifindra monina an-tsojkosoko izao, azoko an-tsaina ihany hoe natosiky ny ahiahy momba izany io fanapahan-kevitra io. Saingy eo am-pahitana ireo antontan-taratasy natolotra sy ny antony izay ambarako etoana, hiara-miaiky amiko ianareo fa tsy manana na kely aza amin'ireo endrikendrik'olona kinendry amin'izany aho.