09 Oktobra 2012

Tantara tamin'ny 09 Oktobra 2012

Frantsa : Olan'ny Fahazoan-dàlana Nanamaloka ny “Black Fashion Week”

Mba hanehoana amin'izao tontolo izao ny hamaroana lafy sy ny dindon'ny asa famoronana avy amin'ny tany afrikana eo amin'ny filatroana amin'izao fotoana, ilay Senegaly vavy mpampiakanjo, Adama Paris, dia niketrika ny "Black Fashion Week" (Herinandron'ny Haingo Mainty) izay natao tao Dakar (Sénégal) nandritra ny 10 taona. Ny andiany voalohany dia natao tany Prague tamin'ny Novambra 2011.

09 Oktobra 2012

Hetsik'ireo Grika Mpandàla Ny Fanjakan'ny Baroa Manohitra Ny Fanavakavaham-bolonkoditra, Atao An-tsary

Natao tany afovoan-tananan'i Atena tamin'ny sabotsy 1 Septambra teo ny fihetsiketsehana manohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra. Mpanao fihetsiketsehana anjatony maro, indrindra ireo mpandala ny fanjakan'ny baroa, no nivondrona hanohitra ny zava-nitranga niseho tato ho ato toy ny herisetra, izay mahafaty mihitsy aza, ny fanafihana atao amin'ireo mpifindra monina.

09 Oktobra 2012

Kenya: Afaka Mividy Antsika Ny Vola Hoy Ny ‘Campus Divas for Rich Men’

Ny "Campus Divas For Rich Men" (Kalamanjan'i Campus ho an'ireo Lehilahy Manan-karena) dia pejy irao ao amin'ny Facebook natokana hanjonoana ireo tovovavy Kenyana mbola mpianatra ary latsaky ny 26 taona hiaraka amin'ireo lehilahy manan-karena, anatin'ny sokajin-taona rehetra. Ny adihevitra mikasika ilay pejy dia nampipongatra ny olana tahaka ny fanarahamaso ny tambajotra sosialy, VIH/AIDS, finoana sy fomban-drazana Afrikana, ny vintana ho an'ireo tanora Keniana, ny fahantrana, ny fitiavam-bola tafahoatra ary ny tsindrin'ireo mitovy amin'ny tena eo amin'ny samy Keniana mpianatry ny anjerimanontolo.

09 Oktobra 2012

Venezoelà: Mitombo Enintaona Amboniny Indray Ny Vanim-potoana Chávez

Taorian'ireo fifidianana notoherina fatratra sy henjana indrindra tato anatin'ny folo taona farany, hanampy enina taona amboniny indray ho an'ny fitantanan'Atoa Hugo Chávez Frías i Venezoelà. Faran'izay nifatrapatratra ny fifamezivezem-baovao tany anaty tambajotra sosialy, indrindra fa ny Twitter, indrindra moa fa tamin'ny fotoana nialoha ny fanambaràna tamin'ny fomba ofisialy ny vokatra

09 Oktobra 2012