- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Venezoela: Sary Nandritra ny Androm-pifidianana

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Fifidianana, Mediam-bahoaka

Mitaintaina ny tambajotra sosialy tany Venezoela tamin'ny alahady. Ahitana fijoroana vavolombelona, honohono, vazivazy sy toro-hevitra ny sehatra tahaka ny Twitter, Facebook ary Flickr mizara ny sary izay manome endrika ny hamaroan'ny mpifidy ny filohan'ny Repoblika ho avy.

Araka ireo fanehoan-kevitra sasany, nisokatra sasakalin'ny Asabotsy ho an'ny mpikambana ny biraom-pifidianana sasany ary mbola mandray olona avy ao anatiny sy ivelan'ny firenena.

Nizara ny sarin'ireo mpifidy nilahatra hatry ny alina mialoha ny androm-pifidianana i Maritza Salazar (@MaritzaSalazar [1]) [es]:

 

Foto compartida por @maritzasalazar en Twitter

Saripika nozarain'i @maritzasalazar hita Twitter

Fernando Rios (@FernandoRiosD [2]) [es] nizara ny sarin'i Carlos Urbaneja, 94-taona izay manana ny karatra laharana faha-5 ka tonga hampihatra ny zony hifidy :

Foto compartida por @FernandoRiosD en Twitter [2]

Saripika nozarain'i @FernandoRiosD hita Twitter

Amin'ny alalan'ny tenifototra #NoEsUnaColaEsUnCamino [3] [es] (tsy laharana fa lalana) izay mifanahatahaka amin'ny teny filamatr'i Henrique Capriles hoe “misy lalana”; maro ny mpisera Twitter mizara ny sarin'ny biraom-pifidianana, laharana lava, hafatra fifampiarahabana ary ny ratsan-tanana voaloko volomparasy izay manamarina tsy misy isalasalana fa nifidy ny olona iray.

Carlos Garcia (@carlosgarciareq [4]) [es] sy Mirian de Aristimuño (@MiriamJSdeA [5]) [es] mampiseho ny ratsan-tanany miloko volomparasy amin'ny fampiasana tenifototra #yavote [6] [es] (efa nifidy aho):

Foto compartida por @MiriamJSdeA en Twitter [5]

Sary nozarain'i @MiriamJSdeA hita Twitter

Foto compartida por @carlosgarciareq en Twitter [4]

sarin'i @carlosgarciareq hita Twitter

Mampiseho sary ahitana olon maro mandray anjara amin'ny fifidianana ihany koa i Martha Evelyn Batres (@Tita_Batres [7]) [es] :

Foto compartida por @Tita_Batres en Twitter [7]

Saripika nozarain'i @Tita_Batres hita Twitter

Manaraka izany, mamoaka sary ahitana filaharana lavabe any Caracas sy ivelan'i Venezoelà ny bilaogy The Devil's Excrement [8] :

Liceo Andrés Bello, foto compartida por el blog The Devil's Excrement [8]

Sekoly Andrés Bello, saripika nozarain'ny bilaogy The Devil's Excrement

Jessica Carrillo [9] koa nandray anjara tamin'ilay lahatsoratra ity.